Manan-jo hahazo fanabeazana tsara avokoa ny rehetra, satria zava-dehibe indrindra hiatrehana ny ho avy rahatrizay ny fahazoana fanabeazana tsara kalitao, na any an-tsekoly na ivelan’ny sekoly, isan’izany ny skotisma.

Tanjona 4 : Miantoka ny fahazoan’ny rehetra fanabeazana tsara kalitao, amin’ny fomba sahala sy mampiroborobo ny fahafahana mianatra mandritry ny fiainana.

Zava-kendrena :

4.1 Mandrapahatongan’ny 2030, manaraka ny zotram-pibeazana feno sy maimaim-poana ary tsara kalitao amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa ny ankizilahy sy ankizivavy, atao izay hisitrahany izy ireo an’ izany amin’ny fomba sahala hahatonga azy handrato fahalalalana sy fahaizana tena ilaina .

4.2 Mandrapahatongan’ny 2030, atao izay hisitrahan’ny ankizivavy sy ny ankizilahy sahanasa famohazan-tsaina, sy fandraisana an-tanana ny vanimpotoanan’ny fahazazana ary indrindra fanomezana azy fanabeazana tsara kalitao mialoha mba hahafahany miatrika ny fianarana any amin’ny ambaratonga fototra.

4.3 Mandrapahatongan’ny 2030, atao izay hisitrahan’ny vehivavy sy ny lehilahy amin’ny fomba sahala, fampianarana teknika, arak’asa, izay tsara kalitao sy taka-bidy , tafiditra amin’izany ny fandratoam-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo/oniversite.

4.4 Mandrapahatongan’ny 2030, ampitomboina marobe ny isan’ny tanora sy olondehibe manana fahaizana, indrindra fahaizana ara-teknika sy arak’asa, ilaina amin’ny tsenan’ny asa sy amin’ny fahazoana asa mendrika ary amin’ny fandraharahana.

4.5 Mandrapahatongan’ny 2030, manafoana ireo tsy fitoviana eo amin’ny vehivavy sy ny lehilahy amin’ny sehatry ny fanabeazana ary miantoka ny fahazoan’ny olona marefo, indrindra ny olona manana fahasembanana, ny teratany, ny ankizy anaty fahasahiranana misitraka ireo ambaratongam-pampianarana sy fampiofanana arak’asa.

4.6 Mandrapahatongan’ny 2030, atao izay hahaizan’ny tanora rehetra sy olondehibe maro, lahy sy vavy, mahay mamaky teny sy manoratra ary mikajy.

4.7 Mandrapahatongan’ny 2030, atao izay hananan’ny mpianatra rehetra fahalalana sy fahaizana ilaina hampiroboroboana ny fandrosoana lovainjafy: indrindra ny fanabeazana manome lanja ny fandrosoana sy fomba fiaina lovainjafy, ny zon’ny olombelona, ny fitovian’ny vavy sy ny lahy, ny fampiroboroboana ny kolontsain’ny fandriampahalemana sy ny fanalavirana ny herisetra, ny maha olon’izao tontolo izao, ny fahitana ny lafin’ny tsara amin’ny fahasamihafana ara-kolontsaina, ary ny anjarabiriky ny kolontsaina amin’ny fandrosoana lovainjafy.

4.a Manorina toeram-pianarana mifanaraka amin’ny ankizy, ny olona manana fahasembanana, mety amin’ny lahy sy ny vavy na atao izay hanajariana ireo toeram-pianarana misy ho tahaka izany, manome seha-pampianarana mahefa sy azo antoka, lavitry ny herisetra ary ho an’ny rehetra.

4.b Mandrapahatongan’ny 2020, manerantany, ampitomboina betsaka ny isan’ny vatsimpianarana omena ny firenena andalam-pandrosoana, indrindra ireo firenena tsy dia mandroso sy ireo fanjakana nosy an-dalam-pandrosoana, ireo firenena aty Afrika, hanohanana ara-bola ny fanarahana ny fianarana ambony, tafiditra anatin’izany ny fiofanana informatika, teknika, siantifika, ny fandalinam-pahaizana ho injeniera any amin’ny firenena mandroso sy ireo firenena hafa an-dalam-pandrosoana

4.c Mandrapahatongan’ny 2020, atao izay hahamaro an’isa ny mpampianatra matihanina, amin’ny alalan’ny fiarahamiasa
iraisam-pirenena mikasika ny fanofanana mpampianatra amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, indrindra ho an’ny
firenena tsy dia mandroso, sy ny firenena nosy kely an-dalam-pandrosoana.

Hitrandraka misimisy kokoa :

Taridalana fanofanana Loholona
9 février 2024

Fepetra ifidianana Loholona Mpiandalana 17 taona no ho miakatra no fidiana ho Loholona. Mpandray ny Fanasan’ny Tompo na mpanatona ary efa nahavita donak’afo. Efa mahafantatra ny zava-kendren’ny Tily Eto Madagasikara ny Loholona. Maharitra 2 taona ny asan’ny Loholona, nefa ny mpiray Fokonolona ihany no mandinika na tokony ho soloina izy na tsia. Raha tsy voafidy […]

Talenta Menafify
27 janvier 2024

Ato amin’ny Menafify dia omena lanja avokoa na ny talenta voajanahary (izay fahaiza-manao ananana tsy mila nianarana), na ny talenta novolena (izay vokatry ny fianarana na ny fampiharana fandaharam-panabeazana).Amin’ny ankapobeny dia mandritra ny fanatanterahana tetikasa no anaporofoan’ny Menafify ny fananany Talenta iray amin’ny alalan’ny andraikitra raisiny sy ny fanehoany ny anjara asa manavanana azy. Koa […]

Ambaratonga menafify

Ambaratonga Ny sampana menafify dia namaritra fa ny AMBARATONGA hiainana ao aminy dia miisatelo miavaka tsara : Ny «MPIKETRIKA MAMENO» ahafahana mampivelatra ny HAIRAHA anatyvondrona na fokonolona iray ka hahafahana mamoaka tetik’asa iray fara-fahakelinyho entina mampandroso ny fiainam-bondrona na ny tontolo manodidina azy. Ny «MPIALOHA LALANA» ho an’ny mitarika ny tetik’asa. Ary rehefa mahomby izanyka […]

Tari-dalana fanofanana loha-tsokajy

« lreo fahalalana notadiavintsika dia mitoetra fa very kosa ireo izay tsy notadiavina » Baden Powell lzany tenin’i Bipi izany no entina hanamafisana hatrany amintsika fa manana anjara toerana lehibe eo amin’ny asa Fanabeazana ny famolavolanatetiandrom-panofanana ho an’ireo olona manana andraikitra ato amin’ny skotisma; anisan’izany ireo Loham-bondrona tsirairay isan’Antoko. Andeha homena lanja ny SOKAJY sy […]

Lasin-tsokajy

Inona ny lasin-tsokajy ? Lasy natao ho an’ny sokajy tsirairay izay tsy itambarany amin’ny sokajy hafa ny lasin-tsokajy. Mandritra ny 02 na 03 andro no anatanterahana azy ary in-dray na indroa isan-taona no tokony hanaovana azy. Ny lasin-tsokajy dia fanomezan-danja ny fiainan-tsokajy, taratry ny fahaleovantenan’ny sokajy. Tena mahomby eo amin’ny fanabeazana sampana maitso ny lasin-tsokajy […]

Ny tsara ho fantatra momba ny code morse: teknolojian’ny taonjato faha-XIX
7 mai 2021

Raha vao miresaka teknika fampitan-kafatra dia « morse » no tonga  voalohany ao an-tsaina. Teknika nanana ny maha-izy azy mihitsy ny morse nandritra ny taonjato faha-XIX sy ny fiandohan’ny taonjato faha-XX rehefa niroborobo ny fifandraisana tamin’ny alalan’ny telegraphe. Ny skoto no anisan’ny tena nampiasa io teknolojia io ary nalaza tamin’ny fifehezana azy, ankoatra ireo nampiasa […]

Jamboree 2023 : Tandremo voalohany!
17 avril 2021

Tapaky ny Fivoriambe faha-41 notanterahin’ny Organisation Mondiale du Mouvement Scout (OMMS) tany Baku (Azebaidjan) ny taona 2017, fa ny Repoblikan’i Korea Atsimo no hampiantrano ny Jamboree faha-25, ny 1 hatramin’ny 12 Aogositra 2023. ao amin’ny tanàna antsoina hoe SaeManGeum, Jeollabuk-do.  Inona no atao hoe Jamboree ? Ny Jamboree dia hetsi-panabeazana iraisam-pirenena karakarain’ny OMMS isaky ny […]