Sokajy
Soatoavina Tily

Fanekena : Hanompo an’Andriamanitra

Eto anatrehan’Andriamanitra sy ny olona, ary noho ny fahasoavan’i Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana

Io no voalohany indrindra eken’ise rehefa manao FANEKENA TILY: mihaino ny feon’Andriamanitra, matoky Azy, manoa Azy.

Marina fa mikendry hahatsara ny fahasalamana sy toetry ny zaza isika, sady manatevina ny tany, nefa kosa isika mahalala fa ny andrandraina voalohany indrindra dia ny fanompoana an’ Andriamanitra. lo no ataontsika ambonin’ny zavatra rehetra. Ary io no mampiray an’ise amin’ny Fiangonana, sy maha-olon’ny fiangonana an’ise. Tsy any ivelan’ny Fiangonana ny skotisma TILY izay misy an’ise, fa tena ao anatiny, toy ny sampana hafa mitaiza tanora sy ankizy ao aminy: Sekoly Alahady, Tanora Kristiana, sns.

Ny fomba fanompoana an’ Andriamanitra izay atolotra ny beazintsika ao amin’ ny andiany, ny antoko, ny fileovana dia fomba natao hifanaraka tsara amin’ ny taonany. Mampihatra ny fomba fanabeazana skoto no hanompoantsika an’ Andriamanitra nefa dia sady tena fanatevenana ireo fomba fanompoana mahazatra efa ataontsika any amin’ ny Fiangonana rahateo.

Ankoatra ny fanatrehana ny fotoam-pivavahana dia tokony handray anjara eo amin’ny asa sy fiainan’ny fiangonana koa ise : mandray anjara amin’ny fotoam-pivavahana, fanatrehana herin’androm-bavaka, mamangy ireo mila izany, manadio ny trano fiangonana, mandray anjara amin’ny fotoana manokana ao amin’ny fiangonana sy sampana.

Tsy any am-piangonana ihany no azon’ise hanompoana an’Andriamanitra fa eo amin’ny tanàna misy an’ise koa, amin’ireo mpiara-monina amin’ise, ny mpifanolo-bodirindrina, ary indrindra ao amin’ny fianakaviana misy an’ise.

Miaraha-mivavaka aminy ary asehoy aminy fa kristiana ise satria efa nanaiky “hanompo an’i Kristy” : manao Asa Soa, manampy olona, mampihavana, mahay mandefitra, tsotra, marina ;

Tsarovy fa tena SKOTO kristiana ny TILY ETO MADAGASIKARA

Lahatsoratra fanazavana ny hevitry ny Fanekena Tily, araka izay voasoratra ao anatin'ny Antsaha, 1955 (Isan'ny Torolalana Fanabeazana Tily voalohany taorian'ny fanagasiana), sy ampahany avy amin'ny Torohevitra sy Fitsipika, 1948 (Torolalana Fanabeazana voalohany indrindra nosorotana tamin'ny teny malagasy ho an'ny Eclaireurs Unionistes de France eto Madagascar), ary nohatevenin'ny Departemanta Aim-panahy sy Fitoriana ny Filazantsara.
Fisaorana : Filoha TEKY Mandroso nitahiry sy nizara ireo tahirin-kevitra vakoka ireo.

Fitsipika anatiny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara. (Version 2018. Andininy faha-12, tapany A)

Adidy amin’Andriamanitra

  • Mino ny fisian’Andriamanitra Telo Izay Iray.
  • Miaina ny maha-Kristiana isan’ny Fiangonana.
  • Mandalina ny Finoany sy ny firaisam-pinoana.
  • Mitory ny Filazantsara.
  • Mijoro ho vavolombelon’ny Finoana.