Efa loza mitatao ho an’izao tontolo izao ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro. Ary fantatra fa isan’ny firenena 3 tena hiharan’ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro i Madagasikara. Mila mandray fepetra faran’izay haingana ny rehetra isan’ambaratongany mba hampihenana ny fiantraikan’io, isan’ny manana andraikitra koa ise !

Afaka manomboka amin’ny kely indrindra isika : miezaka mampihena sy mifady ny fampiasana plastika, tsy fanariana fako eny rehetra eny, fitsitsiana rano …

Tanjona 13 : Maka fepetra haingana hiadiana amin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny vokany.

13.1 Manamafy ny fahafahana miatrika voina sy ny fahafahana maka fepetra manoloan’ireo trangam-piovan’ny toetrandro sy ny loza voajanahary mifandray amin’ny toetrandro.

13.2 Mampiditra fepetra mifandraika amin’ny fiovan’ny toetrandro anaty politika, paikady sy tetipivoram-pirenena.

13.3 Manatsara ny fanabeazana, ny fanentanana sy ny fahafahan’ny isambatanolona sy ny andrimpanjakana maka fepetra mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetrandro, manalefaka ny vokany ary mampihena ny fipaikany. Manatsara ihany koa ny rafitra fanairana haingana.

13.a Manatanteraka ny fanekena nataony ny firenena mandroso izay mpiray antoka amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana lasitry ny firenena mikambana mikasika ny fiovan’ny toetrandro, hitady vola 100 miliara USD, avy amina loharano marolafy mandrapahatonga ny 2020, mba hamaliana ny filan’ny firenena an-dalam-pandrosoana haka fepetra mazava manalefaka ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro, mangarahara ny fanatanterahana izany. Mampiodina ny tahirimbola maitso ho an’ny fiovan’ny toetrandro amin’ny fanomezana azy ao anatin’ny fotoana fohy ny tetibola ilainy.

13.b Mampiroborobo ny fampitaovana ny fanamafisana fahaizamanao mba hahafahan’ny firenena tsy dia mandroso sy ny firenena nosy an-dalam-pandrosoana manana fomba mahomby handaminany sy hitantanany ny fiatrehany ny fiovan’ny toetrandro, mijery manokana ny mikasika ny vehivavy, ny tanora, ny tompontany, ny sokajy voahilikilika.

Hitrandraka misimisy kokoa :

Fankasitrahana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy
30 mai 1959

📜 Notsongaina tao amin’ny Journal Officiel de la République Malgache N°47. 30 Mai 1959 Nandritra ny tondra-drano mahery vaika tamin’ny Martsa 1959, ny skotisma malagasy izay hivondronan’ny Fanilo, Mpanazava , Antily, Tily ary Kiady, dia nampiseho fanoloran-tena tsy hay tohaina tamin’ny alalan’ny fanatanterahana ny adidiny amin’ny maha-skoto azy. Nahay nandray ny andraikiny tamin’ny fahafoizan-tena feno […]