Manan-jo hiaina salama avokoa ny olon-drehetra, na iza na iza. Afaka mandray anjara amin’ny fanatanterahana izany koa ise, na amin’ny alalan’ny fanentanana momba ireo ara-pahasalamana, ny fanomezan-drà, na ny fianarana sy fampiharana ireo fihetsika vonjy voina araka izay mety ilàna izany.

Tanjona 3 : Miantoka ny rehetra hiaina anaty fahasalamana sy mampiroborobo ny hatsarampianana amin’ny vanimpotoana rehetra.

Zava-kendrena:

3.1 Mandrapahatongan’ny 2030, ahena ho latsaky ny 70 amin’ny zaza teraka velona 100 000 ny tahan’ny fahafatesan’ny reny manerantany.

3.2 Mandrapahatongan’ny 2030, manafoana ny fahafatesana azo sorohina ho an’ny zaza vao teraka sy ny latsaky ny 5 taona. Ny firenena rehetra dia tokony hitady ny fomba hampihenana ny fahafatesan’ny zaza eo am-piterahana ho 12 amin’ny zaza teraka velona miisa 1000 , raha be indrindra, ary fehezina ho 25 amin’ny 1000 zaza teraka velona no tahan’ny fahafatesan’ny zaza latsaky ny dimy taona raha be indrindra.

3.3 Mandrapahatongan’ny 2030, faranana ny fisian’ny aretimifindra SIDA, ny tiberkilaozy/raboka, ny tazo, ny aretin’ny tany mafana tsy misy mpiraharaha tahaka ny hepatita, ny areti-mifindra amin’ny rano sy izay areti-mifindra hafa.

3.4 Mandrapahatongan’ny 2030, mampihena amin’ny ampahatelony ny taha-pahafatesana aloha loatra, vokatry ny aretina tsy mifindra, amin’ny alalan’ny fisorohana sy ny fitsaboana. Mampiroborobo ny fahasalamana ara-tsaina sy ny hatsarampiainana.

3.5 Manamafy ny fisorohana sy ny fikarakarana ny fidorohana zavatra mandemy saina tahaka ny zavamahadomelina sy ny toaka.

3.6 Mandrapahatongan’ny 2020, mampihena amin’ny antsasany ny isan’ny fahafatesana sy ny ratra vokatry ny lozampifamoivoizana manerantany.

3.7 Mandrapahatongan’ny 2030, mahazo fikarakarana sy fitsaboana mikasika ny fahasalamana ara- pananahana sy arapiterahana ny rehetra. Tafiditra anatin’izany ny fandrindram-piterahana, ny fahazoambaovao sy ny fanabeazana, ary ny fijerena ny lafin’ny fahasalamana ara-piterahana araka ny paikady sy fandaharanasam-pirenena.

3.8 Atao izay hisitrahan’ny tsirairay ny Tolotra Fahasalamana ho an’ny Daholobe (CSU), izay ahitana aroriaka ara-bola sy ahafahana misitraka fitsaboana fototra tsara, fanafody sy vaksiny fototra azo antoka, mahomby, tsara kalitao, ary takabidy.

3.9 Mandrapahatongan’ny 2030, ahena mazava ny isan’ny fahafatesana sy ny aretina avy amina singa simika mampididoza, ny loto, ny fahalotoan’ny rivotra sy ny rano ary ny tany.

3.a Manamafy araka izay mampety azy ny fampiharan’ny firenena rehetra, ny fifanarahana lasitra avy amin’ny Vondrona iraisam-pirenena ho an’ny Fahasalamana mikasika ny ady amin’ny paraky.

3.b Manohana ny asam-pikarohana, ny fanamboarana vaksiny sy fanafody iadiana amin’ny areti-mifindra na tsia, izay mahazo ny mponina amin’ny firenena andalam-pandrosoana indrindra indrindra. Manome fahafahana mahazo fanafody sy vaksiny fototra taka-bidy araka ny Fanambarana natao tany Doha mikasika ny fifanarahana momba ny ADPIC sy ny fahasalamambahoaka izay mampatsiahy ny zon’ny firenena an-dalam-pandrosoana hiaro ny fahasalamambahoaka, indrindra ny fahazoan’ny rehetra fanafody sy misitraka feno ny voalazan’ny fifanarahana mikasika ny ADPIC izay ahitana fanamorana mikasika izay.

3.c Ampitomboina betsaka kokoa ny tetibola ho an’ny fahasalamana, ny fampidirana mpiasa vaovao, ny fanatsarana ny asa, ny fiofanana, sy ho an’ny fitazomana ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny asany any amin’ny firenena an-dalampandrosoana.

3.d Manamafy ny fomba ahafahan’ny firenena indrindra ny firenena an-dalam-pandrosoana, manaitra raha misy loza, mampihena amban-doza, mitantana ny loza manambana isaky ny firenena sy iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny fahasalamana

Hitrandraka misimisy kokoa :

Skoto 22 tamin’ny 1907, ho lasa 100 tapitrisa amin’ny 2023
18 mars 2018

Ara-tantara, dia ilay Lasy notarihan’i Baden Powell (Bipi) tamin’ny taona 1907, tao amin’ny Nosy Brownsea Angletera, no niandohan’ny Skotisma. Tovolahy miisa 22 avy amin’ireo sarangam-piaraha-monina nisy tao an-toerana no niaina izany lasy voalohany izany. Hatrany am-piandohana dia efa tao an-tsain’i Bipi ny hanitatra ny Skotisma manerana izao tontolo izao. Ary ny taona 1920 dia efa […]

Lasy faha-50 taona Tily tao Samboranto Alasora (Novambra 1974)
24 novembre 1974

Nandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra faha-50 taonan’ny Tily eto Madagasikara ny Kolonely Richard RATSIMANDRAVA. Mijoro eo anoloana izy sy ny Jeneraly Gabriel RAMANANTSOA, ny Lieutnant-Colonel Joel RAKOTOMALALA ary ireo Filoha Tily. (Tahirin-tsary nozarain’i TRAKALA Mikandy) Tranobongo mampiavaka ny faritra no najoron’ny isan-tsokajy Lohan-tsokajy aho t@zany, nanatrika ny lasin-jobily teny Sambiranto. Ezaka be mintsy no nataon’ny sokajy […]