Politika iraisam-pirenena « Aro amin’ny herisetra »
8 mars 2022

Hodidina  Nanomboka teo amin’ny nandraisan’ny Fivoriamben’ny skotisma manerantany ny Fanapahan-kevitra 2002-07 « Arovy amin’ny herisetra sy ny loza ny skoto », ny taona 2002, dia fivoarana maro no efa hita teo anivon’ireo fikambanana Skoto isaky ny firenena (A/OSN) sy teo amin’ny sehatra manerantany izay nahafahana nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fiarovana ny ankizy sy ny […]

Politika nasionaly ODK
11 septembre 2020

Ity no politika mitarika ny fomba fitantanana olon-dehibe ato amin’ny Tily eto Madagasikara mandritra ny fe-potoana. Mirakitra ireo tondrozotra ahafahan’ny Tily eto Madagasikara hametraka fitantanana mahomby ireo olon-dehibe miasa an-tsitrapo. Mba ho tohana azo antoka izy ireo ahazoana manome toky ireo Beazina, Ray aman-dreny, ny Fiangonana ary ny Fiaraha-monina; Ary koa hisian’ny arofenitra mba ho […]

Toe-tsain’ny mpiandraikitra Tily : mibe tena aloha
22 août 2020

Mpiandraikitra mibe , manabe Nalaina tao amin’ny boky “Guide du Chef Eclaireur”, boky nosoratan’i BiPi ho an’ny mpiandraikitra skoto ity, ary zarain’i Filoha DO Santatra, Filoha Nasionaly Departemanta Fanabeazana Mibe tena aloha ny mpiandraikitra skoto vao afaka manabe. Nalainy tao anatin’ny Lalàna Folon’ny Tily ny hoe “tokan-teny ny Tily”, “mahatoky ny Tily” “madio tena, fihetsika […]

Mpiandraikitra Tily aho, Mino aho
25 juillet 2020

Ny hoe mino dia azo adika ihany koa hoe mahatoky, olona azo itokisana, tsy mivadibadika ary azo ametrahana andraikitra. Amin’ny voambolana Kristiana kosa dia olona efa nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy ka mampiditra sy mampitoetra an’i Jesoa Kristy ho fiainany feno. « Tano ny finoana ho ampinga » Efesiana 6 : 16b Ity […]

Ny mpiandraikitra Tily sy ny kalitao
24 octobre 2017

Tato anatin’ny taona vitsivitsy izay dia novoizina teto anivon’ny skotisma ny teny hoe « kalitao ». Tsy teto Madagasikara ihany fa nanomboka tany amin’ny fitantanana manerantany (OMMS) no nanaparitaka sy nivoy izany, ho fenitra iaraha-manatratra manoloana ny fanabeazana ny tanora sy ny fitantanana madio sy mangarahara amin’ny endriny rehetra. Ho antsika Tily amin’ny maha-kristiana dia toe-tsaina tahafintsika […]