Mivoatra foana ny teknolojia, ary miha-manan-danja foana ny koa ny fampiasana ny angovo azo avaozina. Teo am-pamoronana ny skotisma i BiPi dia efa nanome lanja ny saina tia karokaroka sy ny tokony hahafehezan’ny skoto ny teknolojia amin’ny androny ka nahatonga antsika nifehy sahady ny morse (teknolojia hiaka farany tamin’izany).

Izany rehetra izany no tokony haha-lohalaharana an’ise amin’ny fikarohana zava-baovao foana hahatonga ny fiaraha-monina ho tsara kokoa sy sahaza ny rehetra hatrany, indrindra ho an’ny zaza amam-behivavy sy ny olona manana fahasembanana.

Tanjona 9 : Mipetraka ny fotodrafitrasa mafy orina, miroborobo ny indostria/asavaventy lovainjafy, ampirisihana ny haivao ahazoan’ny rehetra tombony

Zava-kendrena :

9.1 Mametraka fotodrafitrasa tsara, azo itokiana, maharitra, mahatanty voina, anisan’izany ireo fotodrafitrasa isam-paritra sy mivoaka ny sisintany mba hampiroboroboana ny fandrosoana ara-toekarena, ny fahatsarampiainan’ny olombelona, amin’ny fijerena ny fahafahan’ny rehetra misitraka izany, taka-bidy amin’ny fepetra tsy mitanila.

9.2 Mampiroborobo ny fametrahana asavaventy manome tombony ho an’ny rehetra, mandrapahatongan’ny 2030. Ampitomboina mazava ny anjarabirikin’ny asavaventy amin’ny fampanananasa sy ny harinkarena faobe, arakaraka ny zava-misy isaky ny firenena, ary ampitomboina avo roa heny izany ho an’ny firenena tsy dia mandroso.

9.3 Mampitombo ny fisitrahan’ny orinasa amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, indrindra ny orinasa madinika manao asavaventy tolotra ara-bola, anisan’izany ny fahazoana fampindramambola amina fepetra mety aminy, ny fidirana anaty rojompihariana sy tsena.

9.4 Mandrapahatongan’ny 2030, manavao fotodrafitrasa, mampifanaraka ny asavaventy mba ho lovainjafy amin’ny alalan’ny fampiasana voalanjalanja ny loharanonkarena , ny fampiasana bebe kokoa ny teknolojia, sy ny fomba indostrialy madio sy manaja ny tontolo iainana. Manao araka izay vitany ny firenena tsirairay.

9.5 Manamafy ny fikarohana siantifika, manatsara ny fahafahana ara-teknolojika amin’ny sehatra indostrialy amin’ny firenena rehetra, indrindra fa ny firenena an-dalam-pandrosoana amin’ny alalan’ny fampirisihana ny haivao sy ny fampitomboana betsaka ny isan’ny olona miasa amin’ny sehatry ny fikarohana sy fandrosoana ho an’ny mponina 1 tapitrisa ary ny fampitomboana ny volam-panjakana sy volan’ny sehatra tsy miankina atokana ho an’ny fikarohana sy fandrosoana mandrapahatongan’ny 2030.

9.a Manamora ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra sy tsara orina any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana amin’ny fanamafisana ny tohana ara-bola, ara-teknolojia, ara-teknika omena ny firenena afrikanina, ny firenena tsy dia mandroso, ny firenena an-dalam-pandrosoana tsy misy sisintany ary ny firenena nosy kely an-dalam-pandrosoana.

9.b Manohana ny fikarohana-fandrosoana, ny haivao teknolojika nasionaly amin’ny firenena an-dalampandrosoana, indrindra amin’ny fametrahana fepetra mety amin’ny fampisamihafana ara-indostrialy ny ny fanampiana sanda ny entambarotra.

9.c Mampitombo ny fisitrahana ny teknolojian’ny filazambaovao sy ny serasera ary atao izay hahafahan’ny mponina any amin’ny firenena tsy dia mandrosoa mampiasa internet taka-bidy mandrapahatongan’ ny 2020.

Hitrandraka misimisy kokoa :

Dingana fananganana tetikasa
27 janvier 2024

KETRIKA (idée, rêve, attente) KETRIKA no anarana iantsoana fivorian’ny Mpitarika ao amin’ny Sampana Menafify (Fokonolona– Fileovana). Ao amin’ity dingana ity no sehatra ifanakalozan-kevitra, ipoiran’ny hevitra iraisana ka ifanekena ho iaraha-manatanteraka. Zokiolona : Manoro ny mpitarika ny fomba fiadian-kevitra mahomby, mikaroka lalao manodidina ny fifanakalozankevitra, mandrinda ny ady hevitra, Manampy ny Mpitarika hahay haneho hevitra, misarika […]

Ny tsara ho fantatra momba ny code morse: teknolojian’ny taonjato faha-XIX
7 mai 2021

Raha vao miresaka teknika fampitan-kafatra dia « morse » no tonga  voalohany ao an-tsaina. Teknika nanana ny maha-izy azy mihitsy ny morse nandritra ny taonjato faha-XIX sy ny fiandohan’ny taonjato faha-XX rehefa niroborobo ny fifandraisana tamin’ny alalan’ny telegraphe. Ny skoto no anisan’ny tena nampiasa io teknolojia io ary nalaza tamin’ny fifehezana azy, ankoatra ireo nampiasa […]

Tetik’asa Menafify
1 octobre 2018

Ny tetik’asa no fampiharana ny fomba fanabeazana skoto ao amin’ny Menafify ary mampiavaka azy amin’ireo sampana telo hafa. Fibeazana amin’ny alalan’ny fiatrehana tetik’asa. Io fiatrehana tetik’asa io dia natokan’ny Menafify hampisehoana ny talenta izay ananany. Inona no atao hoe tetik’asa (projet) ? Nofinofy anaty (intention) : tetik’asa nofinofy avadika tena izy (rêver en couleur, réalisation […]

Hairaha Menafify

Ny Hairaha Menafify no foto-java-makadiry iorenan‟ny Sampana Menafify. Toy izao no firafitry ny HAIRAHA MENAFIFY izay aseho amin‟ny dingana telo mazava tsara : Fanatanterahana ketrika Menafify Ketrika no anarana iantsoana fivorian’ny Mpitarika ao amin’ny Sampana Menafify (Fokonolona – Fileovana). Ao amin’ity dingana ity no sehatra ifanakalozan-kevitra, ipoiran’ny hevitra iraisana ka ifanekena ho iaraha-manatanteraka. Ny Loholona […]

Ireo tsara ho fantatra momba ny Menafify Faritany (MEFAR)

Fivondronana maromaro manana Tily Menafify no mivondrona ao anaty Menafiy Faritany na MEFAR. Mivory indray isam-bolana farafaharatsiny ny MEFAR na arakaraka ny fandaminana ao anaty faritany mba hsian’ny fihaonana iraisana. Zava-kendren’ny Menafify Faritany (MEFAR) Famelomana ireo fivondronana manana Tily Menafify vitsy (1 na 2 na 3 fotsiny) Fifankazarana sy fifaneraserana eo amin’ny samy Menafify ao […]