Sokajy
Soatoavina Tily

Fanekena : Hanoa ny lalàna tily

Eto anatrehan’Andriamanitra sy ny olona, ary noho ny fahasoavan’i Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana

Folo no isan’ny andininy ao amin’ny Lalàna ary manaiky hanaraka azy rehetra ise, raha tena te ho Tily tsy azo avilivily.

Raha mahatanteraka azy tsara ise dia vita ho azy ireo fanekena roa voalohany (Hanompo an’Andriamanitra, Hiasa ho an’ny Tanindrazana sy ny namana). Tsy mahasolo ny didy folo akory ny lalàna folo, fa fanataterahana ny sitrapon’Andriamanitra, hahatonga ho olona vanona sy vonona ho an’ny Fiangonana sy ny firenena.

Tsy mora velively anefa ireo fa tena sarotra, nefa tsarovy fa tsy ise irery no miezaka hanantanteraka azy fa zazalahy an-tapitrisany tahaka an’ise koa izay manerana izao tontolo izao.

Manolotra « toetran-jatovo filamatra » halain-tahaka ny lalànantsika, filamatra mety ho tanteraka ary tratran’ny Tily maro. Ny tily tranainy rehetra, ny chefs, ny sarabamben’olona izay mitondra ny « insigne » eo amin’ny tratran’akanjony dia mbola mijery mibaribary izany filamatra izany ka manamboatra ny toetrany hifanaraka amin’izany.

Anjarantsika mpanabe ny mitandro ity tarigetra ity ao amin’ny antoko, sy andiany ary fileovana misy antsika. Tsy kabary fa ny toetrantsika ho azo raisina ho modely no tena hampanjaka an’io.

Lahatsoratra fanazavana ny hevitry ny Fanekena Tily, araka izay voasoratra ao anatin'ny Antsaha, 1955 (Isan'ny Torolalana Fanabeazana Tily voalohany taorian'ny fanagasiana), sy ampahany avy amin'ny Torohevitra sy Fitsipika, 1948 (Torolalana Fanabeazana voalohany indrindra nosorotana tamin'ny teny malagasy ho an'ny Eclaireurs Unionistes de France eto Madagascar), ary nohatevenin'ny Departemanta Aim-panahy sy Fitoriana ny Filazantsara.
Fisaorana : Filoha TEKY Mandroso nitahiry sy nizara ireo tahirin-kevitra vakoka ireo.

Fitsipika anatiny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara. (Version 2018. Andininy faha-12, tapany D)

Adidy amin’ny tena

  • Mandray andraikitra amin’ny fampivoarana ny tena sy amin’ny fiatrehana ny fiainana ankehitriny ary ny ho avy.
  • Manao izay ahatonga ho olon-dehibe mahavelon-tena ary azo anankinana andraikitra.