Maherin’ny 75%-n’ny mponina eto Madagasikara no miaina anatin’ny fahatrana (latsaky ny 1,90$ isan’andro) araka ny antontanisan’ny Banky iraisam-pirenena (2019). Mbola tena maro ny olona sahirana amin’ny fahazoana sakafo sahaza sy rano fisotro madio. Ny famongorana ny fahantrana dia ny fikarohana vahaolana ahafahan’ny olona tsirairay, na aiza na aiza, hanana anjara fiainana mendrika.

Tanjona 1 : Fongorina ny fahantrana amin’ny endriny rehetra sy manerana
izao tontolo izao.

Zava-kendrena:

1.1 Ho foana tanteraka ny fahantrana lalina manerana izao tontolo izao mandrapahatongan’ny taona 2030 (Tsy hisy intsony ireo miaina amin’ny vola latsaky ny 1,25USD isanandro)

1.2 Mandrapahatongan’ny 2030, mihena amin’ny antsasany farafaharatsiny ny ampahan’isan’ny lehilahy, ny vehivavy, ary ny ankizy tsy anavahana taona, miaina anaty ny fahantrana na inona na inona endriny, araka ny namaritan’ny firenena tsirairay ny atao hoe fahantrana sy ny fisehony.

1.3 Mametraka rafitra sy fepetra iahiana ara-tsosialy ny rehetra,  mifanaraka amin’ny zava-misy isaky ny firenena. Tafiditra anatin’izany ny fiahiana ara-tsosialy fototra mba hisitrahan’ny olona mahantra sy marefo maro izany mandrapahatongan’ny 2030.

1.4 Mandrapahatongan’ny 2030, atao izay hitovian’ny lehilahy sy ny vehivavy, zo amin’ny entimanana ara-toekarena, indrindra fa ireo mahantra sy olona marefo, hisitrahan’izy ireo fikarakarana fototra, ny fananantany sy ny fitantanana ny raharahan-taniny, ny fandovana, ny harenjavaboahary, ny haitao, ny tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny tadiaviny, tafiditra anatin’izay ny fampindramambola madinika

1.5 Mandrapahatongan’ny 2030, ampiana ireo mahantra sy olona marefo mba ho afaka hiatrika ny sedra mahazo azy ary atao izay ampihena ny mety hisedrainy trangana toetry ny andro mahery vaika.

1.a Miantoka fitadiavana entimanana avy amina loharano maro, tafiditra anatin’izany ny fanamafisana ny fiarahamiasa ho an’ny fampandrosoana. Tanjona ny ahafahan’ny firenena an-dalam-pandrosoana, indrindra ireo firenena tsy dia mandroso, manana fomba mety sy azo ampiasaina hanatanterahana fandaharanasa sy politika miady amin’ny fahantrana amin’ny endriny rehetra.

1.b Mametraka fotokevitra politika ankapobeny mateza, mifototra amina paikadim-pampandrosoana manasoa ny olona mahantra sy mitsinjo ny zavatra iainan’ny lehilahy sy ny vehivavy eo anivon’ny firenena, faritra ary iraisam-pirenena.

Hitrandraka misimisy kokoa :

Tantaran’ny totemisation ho an’ny Tily
18 septembre 1965

Ny totémisation dia fomba fanomezana anarana ho an’olona iray ao amin’ny fiaraha-monina iray. Mampiaina io lalao io entina hanabeazana ny Tily araka ny fototra ara-tSoratra Masina amin’ny fanomezana anarana sy ny tantaran’ny lalao fanomezana totem teo amin’ny skotisma. Omena solon’anarana (totem) ny Tily iray raha heverina fa hampivoatra azy amin’ny fiainany manokana sy amin’ny skotisma […]