Ahoana no hahatonga ny tanànantsika ho mitsinjo ny ho avy. misokatra ho an’ny rehetra ary azo antoka kokoa, indrindra ho an’ny zaza amam-behivavy sy ny olona manana fahasembanana. Manana andraikitra avokoa ny tsirairay hikolokolo sy hanatsara ny tanàna misy azy.

Tanjona 11 : Atao izay hisian’ny tanandehibe sy ny trano ivoaran’ny mahaolona, ho an’ny rehetra, ho azo antoka, hatanty voina, ary mateza.

Zava-kendrena :

11.1 Mandrapahatongan’ny 2030, miantoka ny fahafahan’ny rehetra mahazo trano fonenana sy fikarakarana fototra mifanaraka amin’ny ilainy sy azo antoka, taka-bidy sy manadio ireo tanana feno trano tsy manara-penitra.

11.2 Mandrapahatongan’ny 2030, miantoka ny fisitrahan’ny rehetra ny rafi-pitaterana azo antoka, azo ampiasaina, mateza, taka-bidy amin’ny alalan’ny fanatsarana ny arolozan’ny fifamoivoizana, indrindra amin’ny fampivoarana ny fitaterambahoaka. Jerena manokana ny momba ny olona anaty faharefoana, ny vehivavy, ny ankizy, ny olona manana fahasembanana, ny beantitra

11.3 Mandrapahatongan’ ny 2030, manamafy ny fampivoarana ny tanandehibe ho an’ny rehetra sy ny fahaizamanao handamina sy hitantana miaraka sy mifaningotra ary mateza ny toerana ivelaran’ny mahaolona amin’ny firenena rehetra.

11.4 Manamafy ny ezaka fiahina sy fiarovana ny harembakoka ara-kolontsaina sy ara-boajanahary iraisam-pirenena.

11.5 Mandrapahatongan’ ny 2030, mampihena betsaka ny isan’ny olona maty sy ny isan’ny olona iharan’ny loza, indrindra ny vokatry ny rano. Mampihena betsaka ny sanda ara-toekarena ny fahasimbana vokatry ny loza mivantana, izay refesina amin’ny fampitahana amin’ny harinkarena faobe manerantany. Tsindriana manokana ny momba ny fiahiana ny olona mahantra sy ny olona anaty ny faharefoana.

11.6 Mandrapahatongan’ny 2030, mampihena ny vokadratsin’ny tanandehibe eo amin’ny tontolo iainana isam-batanolona, anatin’izany ny fijerena manokana ny kalitaon’ny rivotra, ny fitantanana ny fako indrindra ny fitantanan’ny kaomina izany.

11.7 Mandrapahatongan’ny 2030, miantoka ny fisitrahan’ny rehetra, indrindra ny vehivavy, ny ankizy, ny beantitra sy ny olona manana fahasembanana, kianja maitso sy toerana ho an’ny daholobe azo antoka.

11.a Manome vahana ny fametrahana rohy miabo ara-toekarena, ara-tsosialy, mikasika ny tontolo iainana eo amin’ny samy toerana an-tanandehibe, manodidina ny tanandehibe sy ambanivohitra amin’ny alalan’ny fanamafisana ny tetipivoaran’ny fampandrosoana eo amin’ny ambaratonga nasionaly sy isam-paritra.

11.b Mandrapahatongan’ ny 2020, mampitombo betsaka ny isan’ny tanandehibe sy ny toerana ivoaran’ny mahaolona izay manana sy mampihatra politika sy drafitrasa mifaningotra ho fampiatina ny rehetra, ho fampiasana voalanjalanja ny loharanonkarena, ho fiatrehana sy ho fanalefahana ny fiovan’ny toetrandro, ary ny fahafahana miatrika loza.
Mamolavola sy manatanteraka ny fitantanana faobe ny tandidon-doza amin’ny ambaratonga rehetra, araka ny lasitra napetraka tany Sendai mikasika ny fanalefahana ny tandindon-doza.

11.c Manampy ny firenena tsy dia mandroso amin’ny alalan’ny tantsoroka ara-bola sy ara-teknika, hanambotra trano mateza sy mahatanty voina amin’ny fampiasana akora eo an-toerana.

Hitrandraka misimisy kokoa :

Tondrozotra fananganana Tranombitsika rezionaly
5 mai 2022

Mizara roa tanteraka ny paikady sy tetika hananganana Tranombitsika rezionaly. Ny voalohany dia manaraka ny fepetra voalazan’ny fifanarahana teny Antsahamarofoza (TEM/MEDD) tamin’ny 30 jolay 2021. Ny faharoa dia dingana fohifohy kokoa tsy miankina amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa. Avy hatrany dia jerena eny am-potony ny tany. Iarahana amin’ny Kaomina sy ny sampandraharahan’ny Domaine na Service topographique any amin’ny […]

Tantaran’ny Faritany Tily Matsiatra Ambony
22 septembre 2021

1938: Dokotera teny Tambohobe i DENIS RAKOTOARIMANANA. Izy no namory tanora maromaro tao Ivory Avaratra fa manam-pikasana hitondra ny skotisma tao Fianarantsoa. Teny amin’ny Sekoly Rabaut Saint Etienne Ivohidahy no nisoratra anarana, ary teny no nivory ireo nanolo-tena hanao Skoto tao Fianarantsoa. 12 mirahalahy no niara-nivory, nianatra teknika sy ny momba ny Tily. Tafatsangana soa […]

Ireo dingana arahina ho eny amin’ny Tranombitsika
16 mars 2021

Miha-mahazo endrika tsikelikely ny Tranombitsika, tananantsika Tily rehetra, eny Antsahamarofoza. Taorian’ny fijoroan’ny trano Ivotoerana Fanofanana Tily Eto Madagasikara (IFTEM) ao anatin’ny tanàna dia efa ho vita koa ny Espace Vitsika. Fananana iombonan’ny Tily eto Madagasikara io tanàna io ka sady niara-nifanome tanana nanangana ny Tily rehetra, no ho afaka hisitraka hampiasa azy koa.  Ireto manaraka […]

Vontadin’ny Mpitarika
2 mars 2021

Teny roa natambatra ny « VONTADY » dia VONA (fatotra) sy TADY (karazana kofehy vita avy amin‟ny taretra, natao randran-telo, antsoina koa hoe TADY MAHAZAKA). Ny atao hoe « VONTADY » dia « DINA » natao hifampifehezan’ny FOKONOLONA mpiara-belona sy mpiray Faritra mitovy fomba amam-panao ka « VONTADIM-POKONOLONA » no niantsoana azy tamin’izany. N ny […]

Tantaran’ny Tranombitsika
3 décembre 2019

Ao amin’ny Akanin-jazalahy ao Antsahamanitra no misy ny Foibe-toeran’ny Tily eto Madagasikara ankehitriny, toerana izay mbola hikambanana amin’ireo Fikambanana Kristiana naorin’ny Misionera teto Madagasikara raha nampiditra ny Fivavahana Kristiana teto amintsika izy ireo, Taona vitsivitsy taorian’ny namoronan’i Baden Powell (Bipi) ny Skotisma dia nanangana ivotoerana antsoina hoe “Gilwell Park” izy ao Angletera, toerana  nanofanana ireo […]

Savaranonando fandalinana ny Efesiana
10 juillet 2019

Ny tanàna Efesosy. Renivohitra tany Asia (tapak’i Asie Mineure andrefana) Efesosy. Tanàna maro mponina sy be varotra izy, sady malaza indrindra noho ny tempoly mahafinaritra. Foiben’ny fivavahana amin’ny sampy izy, indrindra fa ny fivavahana tamin’i Diana andriamanibavin’ny fahavokarana sy ny fiterahana. Be zava-betaveta ny fanompoana azy. Olona haingam-pandray hevitra diso (superstitieux) ny Efesiana, ka nanjaka […]