Tsy ho tratra ireo Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy (ODD) ireo raha tsy miara-miasa isika rehetra. Efa mifaningotra avokoa izao tontolo izao ankehitriny, fotoana izao hananganana fiaraha-miasa sy hifanohanana.

Tanjona 17 : Manamafy sy mamelona ny fomba hanatanterahana ny fiarahamiasa iraisam-pirenena ho an’ny fandrosoana lovainjafy.

17.1 Manatsara ny famoriana entimanana ao amin’ny firenena, indrindra amin’ny alalan’ny fanampiana iraisam-pirenena ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana, mba hanamafisana ny fahafahamanaon’ny firenena hanangona ny hetra sy ny vola miditra hafa.

17.2 Atao izay hanajan’ny firenena mandroso ny teny nomeny mikasika ny fanampiana ny firenena an-dalam-pandrosoana, indrindra ny mikasika ny fanekena nataon’ny maro amin’izy ireo, hanokana ny 0,7% amin’ny harinkarena faobeny ho amin’izay, ary hanokana ny 0,15% ka hatramin’ny 0,20% hanampiana ireo firenena taraiky fandrosoana. Hampirisihana ireo mpanome fanampiana mba hametraka tanjona ho 0,20% amin’ny harinkareny no omena ny firenena taraiky fandrosoana.

17.3 Mitady entimanana ara-bola fanampiny avy amin’ny loharano samihafa ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana.

17.4 Manampy ny firenena an-dalam-pandrosoana hahavita mizaka ny trosany mandritry ny fotoana maharitra amin’ny alalan’ny politika ifampiresahana mikasika ny famatsiambolan’ny trosa, ny fanalefahana na ny fanovandrafitra azy , araka ny zavamisy, mampihena ny fitrosana tafahoatra amin’ny famahana ny olana momba ny trosa ivelany ny firenena boka trosa.

17.5 Mandany sy manatanteraka rafitra mampiroborobo ny fampiasambola ho an’ny firenena tsy dia mandroso.

17.6 Manamafy ny fisitrahana ny siansa, ny haitao, ny haivao, ny fiarahamiasa eo amin’ny Tavaratra sy ny Tatsimo sy ny samy Tatsimo sy ny fiarahamiasa telozoro isam-paritra sy iraisam-pirenena amin’ireo sehatra ireo. Manatsara ny fizarana fahalalana araka ny nifanarahana, indrindra amin’ny fandrindrana tsara kokoa ny rafitra misy, eo anivon’ ny Vondron’ny Firenena Mikambana sy ao anatin’ny rafitra iraisam-pirenena manamora ny haitao.

17.7 Mampiroborobo ny fanajariana, ny fampitana, ny fanaparitahana haitao manaja ny tontolo iainana ho an’ny firenena andalam-
pandrosoana, mifanaraka amina fepetra tsara, anisan’izany ny tombotsoa manokana sy isafidiana izay ifanarahana.

17.8 Atao izay hahatongan’ny tahirina haitao sy ny rafitra manamafy ny fahaizamanao siantifika sy teknolojika sy ny fahaizamanavao an’ireo firenena tsy dia mandroso, hiasa feno mandrapahatongan’ny 2017. Manamafy ny fampiasana teknolojia ilaina, indrindra amin’ny sehatry ny informatika sy ny serasera.

17.9 Mitondra tantsoroka bebe kokoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay miantoka ny fanamafisana fahafahamanao ombam-pahombiazana sy mikendry fahaizamanao voafaritra amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, manampy ny lamina nasionaly manatratra ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy, indrindra anatin’ny fiarahamiasa Tavaratra sy Tsatsimo sy samy Tatsimo sy ny fiarahamiasa telozoro.

17.10 Mampiroborobo rafi-barotra marolafy ho an’ny rehetra, izay manaraka fitsipika, misokatra, tsy manavaka, tsy mitanila, eo ambany fiahian’ny Vondrona iraisam-pirenena ho an’ny varotra, indrindra amin’ny alalan’ny Fandaharanasan’i Doha ho an’ny fampandrosoana.

Hitrandraka misimisy kokoa :

Jamboree 2023 : Tandremo voalohany!
17 avril 2021

Tapaky ny Fivoriambe faha-41 notanterahin’ny Organisation Mondiale du Mouvement Scout (OMMS) tany Baku (Azebaidjan) ny taona 2017, fa ny Repoblikan’i Korea Atsimo no hampiantrano ny Jamboree faha-25, ny 1 hatramin’ny 12 Aogositra 2023. ao amin’ny tanàna antsoina hoe SaeManGeum, Jeollabuk-do.  Inona no atao hoe Jamboree ? Ny Jamboree dia hetsi-panabeazana iraisam-pirenena karakarain’ny OMMS isaky ny […]

Mifamatotra tanteraka ny maha-Tily sy ny fiainam-Piangonana
4 avril 2021

Ny asa ivelany no fanehoana ny fahaveloman’ny Fiangonana ary anisan’ny tomponandraikitra amin’izany ny Tily. Ho hitan’ise ato : Inona no atao hoe Fiangonana? Ankohonan’Andriamanitra. An’Andriamanitra irery. Vavolombelon’I Jesoa Kristy Ny iraka na antom-pisiany Tomponandraikitra eo anivon’ny Fiangonana ny Tily Kristianina ny Tily Mpanompon’Andriamanitra ny Tily Tsy mihataka amin’ny Fiangonana ny Tily Tsy hihidy anaty rindrina […]

Maniry handray anjara amin’ny hetsika iraisam-pirenena aho
24 janvier 2021

Ny Skotisma dia iray amin’ireo fikambanana lehibe indrindra maneran-tany mampivondrona ny tanora avy amin’ny firenena miisa 171 mpikambana ao amin’ny OMMS.54 tapitr’isa no isan’ny mpikambana maneran-tany ankehitriny, ary isan’izany isika eto Madagasikara. Ankoatra ireo hetsika nasionaly dia afaka mandray anjara amin’ ireo hetsika iraisam-pirenena ihany koa ise. Hitan’ise ato ny lisitr’ireo hetsika iraisam-pirenena rehetra voalahatra […]

Firafitry ny skotisma amin’ny sehatra iraisam-pirenena
15 juillet 2020

Raha miresaka ny Skotisma eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia ny Organisation Mondiale du Mouvement Scout (OMMS) no resahana amin’izany. Manana ny rafitra ijoroany izy. Ao ny Conférence Mondiale ivondronan’ireo firenena 171 mpikambana maneran-tany mivory isaky ny telo taona. Io no rafitra fara-tampony manapaka ny vina sy politika ankapobeny hirosoan’ny skotisma. Misy koa ny Comité Mondiale […]

Politika Nasionaly Fanabeazana Tily
25 février 2018

Iaraha-mahalala ny zava-misy amin’izao fotoana izao, indrindra eo amin’ny lafiny Fanabeazana, fa tena mila manao ezaka isika zoky, Ray aman-dReny, olon-dehibe amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny Fiaraha-monina misy antsika, ny amin’ny hanohanana ireo tanora eo amin’ny lafiny Fanabeazana. Iraka napetraky ny Tompo amintsika rahateo izany. Manana iraka manokana ny Departemanta Fanabeazana na ny DFB ny […]

Fankasitrahana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy
30 mai 1959

📜 Notsongaina tao amin’ny Journal Officiel de la République Malgache N°47. 30 Mai 1959 Nandritra ny tondra-drano mahery vaika tamin’ny Martsa 1959, ny skotisma malagasy izay hivondronan’ny Fanilo, Mpanazava , Antily, Tily ary Kiady, dia nampiseho fanoloran-tena tsy hay tohaina tamin’ny alalan’ny fanatanterahana ny adidiny amin’ny maha-skoto azy. Nahay nandray ny andraikiny tamin’ny fahafoizan-tena feno […]