Tsy hisy fandrosoana maharitra raha tsy ao anaty fandriampahalemana, sy fiaraha-monina tsy misy fifandonana, tsy misy tsy rariny, ary tsy misy tsindrihazolena. Manomboka amin’ny ezaka sy asa ataon’ny tsirairay toa an’ise no ahafahana manorina fiaraha-monina milamina, mijoro ho an’ny zon’olombelona, ary manana olom-pirenena mandray anjara mavitrika anaty fitantanana mahomby.

Tanjona 16 : Mipetraka ny fiarahamonina mandry fahalemana, hamoraina ny fisitrahan’ny rehetra ny fitsarana ary apetraka ny andrimpanjakana mahomby, mandray andraikitra sy misokatra ho an’ny rehetra.

Zava-kendrena :

16.1 Ahena betsaka, na aiza na aiza manerantany , ny endrika isehoan’ny herisetra sy ny tahan’ny fahafatesana vokatr’izany.

16.2 Ajanona ny faniratsirana, ny fanararaotana, ny varotrolona sy ny endrika isehoan’ny herisetra sy fampijaliana izay sedrain’ny ankizy.

16.3 Mampiroborobo ny tany tan-dalana eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena sy mamela ny rehetra hisitraka mitovy ny asam-pitsarana.

16.4 Mandrapahatongan’ ny 2030, ahena be ny fivezivezem-bola tsy ara-dalana sy ny varotra fitaovam-piadiana antsokosoko, manamafy ny asa famerenana sy fanagiazana ireo harena nangalarina ary miady amin’ny endrika rehetra isehoan’ny helokabevava mirindra.

16.5 Ahena be ny kolikoly sy ny fanaovana tsolotra amin’ny endriny rehetra.

16.6 Mametraka andrimpanjakana mahomby, tomponandraikitra, mangarahara amin’ny asa, amin’ny ambaratonga rehetra.

16.7 Atao izay hahatonga ny fahavitrihana, ny fisokafana, ny fandraisananjara sy ny fisolontenan’isan’ambaratonga hamaritra ny fomba fanapahankevitra.

16.8 Manitatra sy manamafy ny fandraisananjaran’ny firenena an-dalam-pandrosoana amin’ny rafitra miandraikitra ny fandraharaharana ny fitantanana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

16.9 Mandrapahatongan’ny 2030 , miantoka ny fananana ny fizahoana ara-panjakana, indrindra amin’ny alalan’ny fanoratana ny fahaterahana.

16.10 Miantoka ny fahazoan’ny sarambabe fizarambaovao sy miaro ny fahalalahana fototra araka ny lalana eo amin’ny firenena sy ny fifanarahana iraisam-pirenena.

16.a Manohana ireo rafipanjakana misahana ny fisorohana ny herisetra sy ny ady amin’ny fampihorohorona ary ny helokabevava, isan’ambaratonga, indrindra any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, amin’ny alalan’ny fiarahamiasa iraisampirenena.

16.b Mampiroborobo sy mampihatra ny lalana sy ny politika tsy manavaka ho fandrosoana lovainjafy.

Hitrandraka misimisy kokoa :

Politika iraisam-pirenena « Aro amin’ny herisetra »
8 mars 2022

Hodidina  Nanomboka teo amin’ny nandraisan’ny Fivoriamben’ny skotisma manerantany ny Fanapahan-kevitra 2002-07 « Arovy amin’ny herisetra sy ny loza ny skoto », ny taona 2002, dia fivoarana maro no efa hita teo anivon’ireo fikambanana Skoto isaky ny firenena (A/OSN) sy teo amin’ny sehatra manerantany izay nahafahana nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fiarovana ny ankizy sy ny […]

Politika nasionaly ODK
11 septembre 2020

Ity no politika mitarika ny fomba fitantanana olon-dehibe ato amin’ny Tily eto Madagasikara mandritra ny fe-potoana. Mirakitra ireo tondrozotra ahafahan’ny Tily eto Madagasikara hametraka fitantanana mahomby ireo olon-dehibe miasa an-tsitrapo. Mba ho tohana azo antoka izy ireo ahazoana manome toky ireo Beazina, Ray aman-dreny, ny Fiangonana ary ny Fiaraha-monina; Ary koa hisian’ny arofenitra mba ho […]