Ny Sampana Mavo Tily na Lovitao no anabeazana ireo ankiilahy 6 ka hatramin’ny 11 taona eto amin’ny Tily Eto Madagasikara. Zava-baovao maro no ho hitan’izy ireo mandritra ny fotoana ijanonany ao amin’ny sampana mavo. Amin’ny ankapobeny dia tanterahina amin’ny alalan’ny lalao ny hetsika rehetra izay atao.

Soatoavina skoto eo amin’ny Lovitao

Na dia mbola kely aza ny Sampana Mavo (Lovitao) dia miaina sahady ny soatoavina skoto. Manamarika izany ny fanatanterahany ny Fanekena Lovitao. Mandritra io Fanekena io no anambarany fa hiezaka hatrany izy ho tia an’Andriamanitra, hiasa ho an’ny Tanindrazana, hanoa ny Lalànan’ny Lovitao ary hazoto hanampy olona isan’andro.

Roa ny Lalàna arahin’ny Lovitao

Fiainana ankalamanjana

Omena lanja ao amin’ny sampana mavo ny fiainana eo anivon’ny natiora. Mianatra sahady mikajy sy mandinika ny tontolo iainana izy ireo amin’ny alalan’ireo hetsika sy fandaharana mivoatra sy manintona tanterahiny.

Firahalahiana

Tsy mandeha irery ny Lovitao fa manana namana maro. Omena sehatra hiaina am-pirahalahiana izy ireo amin’ny fampivondronana azy ireo ao anaty “Enina”. Omena andraikitra ihany koa ny tsirairay ao anatin’ny enina.

Ny “Enina” dia vondrona kely iray misy Lovitao miisa 6 eo ho eo. Manana ny “Zokin’ny Enina” ho mpitarika azy izy. Izay zoky indrindra sy matotra kokoa no apetraka ho mpitarika. Ny “Enina” maromaro ao anatin’ny Fivondronana na Fiangonana iray no mitambatra ho “Andiany” ary Mpiandraikitra no mitantana azy.

Fivoaran’ny tsirairay

Ny ahafahan’ny tsirairay mivoatra eo amin’ny fiainany no zava-kendren’ny skotisma. Noho izany dia misy dingana maromaro tratrarina sy fepetra arahina mba ahafantarana izany fivoaran’ny tsirairay izany.

Mianatra zavatra maro ny Lovitao ary amporisihina hatrany hanao izay tsara indrindra vitany. Izay manao ezaka tsara sy mitrandraka ny Talenta ananany dia omena ny marika mifanaraka amin’izany ezaka nataoizayny izany.

Ny fanamiana Lovitao

Mampiavaka ny Lovitao ny fanamiana anaovany :

Lobaka fohy tanana miloko manga tanora ary manao “V” ny vozony, eo amin’ny lobaka no ametrahana ireo marika mampiavaka azy eo amboniny,
Kilaoty fohy miloko manga antitra ny ambany.

Ary fehitenda miloko mifanaraka amin’ny lokon’ny fivondronana misy azy no anaovan’ireo izay efa nahavita Fanekena Lovitao.

Ny fototry ny fanabeazana Lovitao

“Fiainana nofinofy ao anaty tontolo nofinofy”

Ny boky “Le livre de la jungle” nosoratan’i Rudyard Kipling no fototra iaingan’ny fanabeazana Lovitao. Avy amin’io boky io rahateo no nangalana ny hoe « Lovitao », izay anarana iantsoana ireo « loups » kely ao anaty tantara. Ny fiaimpiainan’ireo ao anaty boky no entina itondrana ny fanabeazana Lovitao ka anisan’izany i Mowgli, izay manana anjara asa fototra ao amin’ny tantara.

Rehefa ho feno 12 taona ny Lovitao dia miomana indray amin’ny fiatrehana ny fiainana vaovao ao amin’ny Sampana Maitso Tily.

Hira Fanekena lovitao
23 avril 2020

Manaiky aho, tsy anio ihanyFa hiezaka hatranyHitia Anao ry RayAndriamanitro hatrizay Manaiky aho, tokoa tokoaFa hiasa an-kerim-poHo an’ny tany mamikoMadagasikara taniko Isan’andro aho hazotoHanampy olona hilofoKa ho toaviko ao am-poIreo lalàna an-kiroa