Sokajy
Sampana Maitso Tily

Lasin-tsokajy

Talenta azo trandrahana :

Inona ny lasin-tsokajy ?

Lasy natao ho an’ny sokajy tsirairay izay tsy itambarany amin’ny sokajy hafa ny lasin-tsokajy. Mandritra ny 02 na 03 andro no anatanterahana azy ary in-dray na indroa isan-taona no tokony hanaovana azy. Ny lasin-tsokajy dia fanomezan-danja ny fiainan-
tsokajy, taratry ny fahaleovantenan’ny sokajy. Tena mahomby eo amin’ny fanabeazana sampana maitso ny lasin-tsokajy raha toa ka omen’ny Mpiandraikitra fatokisana
tanteraka ny LS.

Ny Lasin-tsokajy dia lasy ahafahana mandrefy ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon’ny tsirairay ao amin’ny sokajy ahafahana ihany koa mijery ny lesoka sy izay tokony harenina. Ny fotokevitra dia ny fifampitana traikefa eo amin’ny samy beazina eo ambany fitarihan’ny Lohan-tsokajy.

Iza no mitarika ny lasin-tsokajy ?

Ny LS manana lenta menavazana ary efa nahazo fanofanana maha-lohan-tsokajy no mitarika ny sokajiny mandritra ny lasin-tsokajy, manampy azy mandritra izany ny ny SLS.
Ny LS no manao ny fandaharan-dasy sy mitarika ny fanomanana rehetra atao mialohan’ny lasy ary manao izay hanatontosana ny lasy miaraka amin’ny mpiray sokajy aminy.
Ny LS no mizara ny andraikitra arakaraky ny fahaiza-manaon’ny tsirairay. Tsy hoe lasa manao toy ny fanaon’ny mpiandraikitra ny LS any an-dasy ka hozarazarainy ny sokajy fa
miara-manatanteraka ireo sahan’asa sy ny tarazon-tsokajy amin’ny mpiray sokajy
aminy izy. Azon’ny mpiandraikitra atao ny mitsidika ny lasy ao anatin’ny fotoana fohy fa kosa tsy mitsabaka amin’ny fiainan-tsokajy.

Inona no atao rehefa manao lasin-tsokajy ?

Ny lasin-tsokajy dia natao hanamafisana ny fiainan-tsokajy, natao hampitan’ny LS ny traikefa sy ny fahaizamanao ananany amin’ny mpiray sokajy aminy amin’ny alalan’ny fampiharana.
Any an-dasy no anatanterahan’ny sokajy ny fampiharana ireo sahan’asa voafaritra tao anaty fandaharam-panabeazana notanterahana tany ampivoriana.
Rehefa manao lasin-tsokajy dia tsy azo hadinoina ny fanaovana asa soa misy fiatraikany eo anivon ‘ny fiaraha-monina, sady miasa ho an’ny fiarahamonina no mampivelatra ny fibeazan-tena ho an’ny tsirairay (azo tao tsara ny manao hetsika kely mivoy ny ODD).
Tanjona ny ahafan’ny mpiray sokajy mifankahalala, miara-miaina ary mifampizara fahalalana mba hampitoviana ny lenta sy ho fibeazantenan’ny tsirairay. Tompon’ny fandaharam-potoanany tanteraka ny Sokajy, araka izay fandaharana natolony ny mpidraikitra sy efa nahazo fankatoavana avy amin’ny mpiandraikitra sy ny
ambaratongan-drafitra eo anivon’ny faritany.

Inona avy no tarazo azo atao any anaty lasin-tsokajy ?

Azo atao ny manatanteraka ny ireo tarazon-tsokajy mandritra ny lasy. Tsy manao ny fanokafana toa ilay mahazatra (indreto vonona …. eo ambodisaina).

Azo atao ny manao lalao sy hetsika sahaza (petite activité faisable) ny sokajy eo amin’ny toerana aleha. Azo atao mandritra ny lasin-tsokajy avokoa ireo tazaron-tsokajy rehetra ka tsy misy fandraisana anjaran’ olona hafa ivelan’ny mpiray sokajy.