Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara – manabe Zazalahy

Statut adopté par l’Assemblée Générale de la FSM en date du 22 Mai 2022 au FOFIKRI Ilafy, récépissé numéro 627/20-MID/SG/PREF.POL.ANT/ASS du 11 mai 2023

TOKO I – FEPETRA ANKAPOBENY: FIORENANA, FIANTSOANA SY FAMARITANA, FAHARETANY, FOIBEN –TOERANA, FIORENANA IRAISAM-PIRENENA SY ADIDY ARY NY FIFANDRAISANA

Andininy voalohany: FIORENANA

Miorina eto Madagasikara ny « Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara – manabe ZazaLahy » izay fehezin’ny hitsivolana laharana 60-133 tamin’ny 3 Oktobra 1960 izay nahitsiny ny hitsivolana 75-017 tamin’ny 13 Aogositra 1975 ary izay voalazan’ny Sata fototrin’ny Organisation Mondiale du Mouvement du Scoutisme (OMMS). Miombona amin’ny Sata mifehy ny  Fédération de Scoutisme de Madagascar (FSM) tamin’ny 31 Mey 1997.

Andininy 2 : FIANTSOANA

Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara manabe ZazaLahy (FSM-ZL) no anarana iantsoana ity fikambanana ity.

Andininy 3 : FAMARITANA

Ny FSM-ZL dia mampiasa ny skotisma ho fitaovam-panabeazana ny ankizy sy ny tanora zazalahy eto Madagasikara, mifanaraka amin’ny fijery sy ny famaritana fototra ijoroany ary ny zava-kendreny maneran-tany. Ny FSM-ZL dia mikambana amin’ny hetsika iraisan’ny skotisma maneran-tany ao anatin’ny Organisation Mondiale du Mouvement du Scoutisme (OMMS).

Andininy 4 : FAHARETANA

Tsy voafetra ny faharetany ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara – manabe ZazaLahy.

Andininy 5 : FOIBE – TOERANA

Ao amin’ny Foibem-pikambanana misy ny Filohan’ny Birao Nasionaly no ahitana ny Foibeny. Azon’ny Fivoriambe Nasionaly ovaina araka izay ilàna azy io foiben-toerana io rehefa ato anatin’ny faritry ny Firenena Malagasy.

Andininy 6: FIORENANA IRAISAM-PIRENENA

Ny FSM-ZL no fikambanana ankatoavin’ny Birao iraisam-pirenena, izay manana ny foibeny any Kuala Lumpur Malaysie, afaka miresaka sy mifandray aminy. Ny FSM-ZL no misolo tena ny « Organisation Mondiale du Mouvement du Scoutisme » (OMMS) sy ny « Bureau Mondial du Scoutisme » (BSM) eto Madagasikara.

Andininy 7 : ADIDY AMIN’NY MPIHAHY SY MPIARA MIOMBONANTOKA

Ny adidy mahakasika ny fifandraisana iraisam-pirenenana ny FSM-ZL dia ny Birao Nasionaly no miantoka izany. Ny fikambanana ao anatin’ny FSM-ZL dia samy manatanteraka ny adidiny sy andraikitrany  amin’ny fifandraisana ivelany sy amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy.

Andininy 8 : FIFANDRAISANA AMIN’NY FANJAKANA

Afaka miara-miasa amin’ny Fanjakana ny FSM-ZL raha toa ka tsy mifanohitra amin’ny fomba fanabeazana skoto, amin’ny alalan’ny Birao Nasionaly ankoatry ny fifandraisana mivantana ataon’ireo fikambanana mpiaramiombon’antoka.

TOKO II : MPIKAMBANA

Andininy 9 : MPIKAMBANA

Ireto avy ireo Mpikambana Mpanorina ny FSM-ZL izay samy manana sy manaja ny firononany sy antom-pisiany araka ny sata sy ny fitsipika iorenany teo amin’ny sehatra misy azy hatrizay : Antilin’i Madagasikara (AIM) sy Kiadin’i Madagasikara (KIM) ary Tily eto Madagasikara (TEM).  

Andininy 10: FIDIRANA HO MPIKAMBANA

Azon’ny fikambanana manabe ankizy sy tanora  mampiasa fomba skoto atao ny mangataka hiditra anatin’ity FSM-ZL ity amin’ny alalan’ny mpikambana mpanorina araka ny voafaritrin’ny andininy faha sivy. Tsy maintsy hampafantarina ny Biraon’ny FSM-ZL ny fidiran’ny mpikambana vaovao ao amin’ny Association Scoute Nationale tsirairay.

Andininy 11: FITONDRANA NY ANARANA MAHA FSM-ZL

Fitondrana ny anarana sy marika maha FSM-ZL dia natokana ho an’ny mpikambanana feno voalaza ao amin’ny andininy faha sivy.

Andininy 12: FAHAVEREZAN-JO MAHA MPIKAMBANA FSM-ZL SY FAMPIHATOANA

Endriky ny fahaverezan-jo tsy ho mpikambana: 

  • Mpikambana manala tena;
  • Mpikambana nesorina. 

Arak’izany tsy misy famerenana fananana.

Azo atao ny mampiato mandritra ny fotoana voafetra ny zo maha mpikambana noho ny antony lehibe manokana, izay voafaritry ny fitsipika anatiny.

TOKO III: NY FAMPANDEHANAN-DRAHARAHA SY NY RAFI-PANDAMINANA ARY FITANTANANA

Andininy 13: FANDAMINANA SY FITANTANANA MISY

Ambaratongam-pandaminana sy fitantanana roa no misy anivon’ny FSM-ZL: faritra sy Nasionaly. Ny eo  anivon’ny Nasionaly no antsoina hoe FSM-ZL ary ny Faritra kosa antsoina hoe FSP-ZL. 

Toy izao ny ambaratongan-drafitra nasionaly sy Faritra: 

  • Ny Fivoriambe izay sehatra fanapahan-kevitra; 
  • Komity Nasionaly izay rafitra mpamolavola sy mpandrindra;
  •  Biraon’ny FSM-ZL izay tompon’andraikitra mpanatanteraka;
  • Biraon’ny FSP-ZL dia rafitra mpanatanteraka eo anivon’ny faritra.

Andininy 14: NY FIVORIAMBE

Ny Fivoriambe  no rafitra fanapahan-kevitra faran-tampony anivon’ny FSM-ZL. Isaky ny telo taona no hanaovana ny Fivoriambe ka ny Komity Nasionaly FSM-ZL no manao ny fandaminana ka anjarany  no miantso sy mitantana ny fotoam-pivoriana. Azon’ny Komity Nasionaly atao ny mampiantso fivoriambe tsy ara-potoana raha misy ilàna izany rehefa eken’ny roa am-pahatelon’ny mpikambana mpanorina. Ireto avy no mandrafitra ny Fivoriambe ny FSM-ZL: Filohan’ny Komity Lehibe  an’ireo fikambanana ato amin’ny FSM-ZL, Filoha Iombonan’ireo fikambanana ato amin’ny FSM-ZL, olona 10 isakin’ny Fikambanana ato amin’ny FSM-ZL,  Olona 03 ao amin’ny Komitin’ny Tanora, ny Filohan’ny fifandraisana iraisam-pirenena ary Biraon’ny Komity Mpanatanteraka. Ny Filohan’ny Komity Lehibe no mitarika ny Fivoriambe nefa azon’ny hampita amin’ny mpikambana hafa izany.                                                                                         

Raha misy hambana manohintohina ny fiandrianam-pikambanana amin’ny fanampahan-kevitra noraisina dia mandray andraikitra avy hatrany ny Filoha Iombonana telo am-perinasa.

Andininy 15: KOMITY NASIONALY

Ny komity Nasionaly no miantoka ny lentan’ny fampiharana ny foto-kevitra ijoroan’ny FSM-ZL, andraikiny arak’izany mampihatra ny voalazan’ity Sata ity sy ny mandrafitra ireo fitsipika anatin’ny FSM-ZL. 

Ireto avy no mandrafitra ny Komity Nasionaly: 

  • Ny Filoha Iombonan’ireo fikambanana ato amin’ny FSM-ZL;
  • Ireo Filoha misahana ny aim-panahy avy amin’ny fikambanana ato amin’ny FSM-ZL;
  • Filohan’ny Komitin’ny Tanora;
  • Tonia FSM-ZL
  •  ary filohan’ny fifandraisana iraisam-pirenena. 

Ny Filohan’ny Komity Nasionaly dia hifandimbiasan’ireo Filoha Iombonana ny fikambanana ato amin’ny FSM-ZL. Isakin’ny fanokafana ny taom-pikatrohana isan-taona no fandimbiasam-pahefana. Mihatrika ny fivorian’ny Komity Nasionaly ny Tonian’ny FSM-ZL, mihandraikitra ny fitanana an-tsoratra  ary tsy  mpandatsa-bato mandritra io fivoriana io. 

Telo taona ny faharetan’ny fiasan’ny Komity Nasionaly. Azon’ny fikambanana nanolotra azy atao anefa ny manolo azy ireo raha misy antony manokana tsy maintsy andraisany izany fepetra izany. 

Ny tanora latsakin’ny 25 taona dia manana Komitin’ny Tanora (K.T) izay hanana Filoha iray ho mpikambana ao amin’ny Komity Nasionaly. Ny Filohan’ny fifandraisana iraisam-pirenena dia mampifandray ny FSM-ZL amin’ny iraisam-pirenena araka ny torimarikin’ny Komity Nasionaly. Izy dia tendreny Filoha Iombonana telo izay miainga avy tolo-kevitrin’ny Filohan’ny fifandraisana iraisam-pirenenan’ny fikambanana eto anivon’ny FSM-ZL.  Hifandimbiasana amin’ny fikambanana eto anivon’ny FSM-ZL isan-telo taona izany andraikitra izany.  

Andininy 16: BIRAOM-PANATANTERAKA

Manana Mpitarika iray voafidin’ny Filoha Iombonana telo antsoina hoe Tonian’ny FSM-ZL. Manana voamiera izay ankatoavin’ny Komity Nasionaly araka ny tolo-kevitry ny Tonian’ny FSM-ZL. 

Ireto avy no mandrafitra ny Biraon’ny FSM-ZL:

  • Tonia FSM-ZL;
  •  Voamiera misana ny fanabeazana sy ny fihatiana;
  • Voamiera ny fitantanana olon-dehibe;
  • Vaomiera Iombonan’ny fanofanana;
  • Voamieran’ny serasera sy ny haivarotra;
  • Voamieran’ny fitantanana;
  • Voamieran’ny lavitrin’ny herisetra .

 Ny fikambanana tsirairay amin’ny alalan’ny Filoha Iombonany dia manolotra tompon’andraikitra iray handrafitra ny voamiera ary ny filohan’ny voamiera kosa dia hatolotrin’ny Tonia FSM-ZL ho ankatoavin’ny Komity Nasionaly.  

Telo (03) taona no faharetan’ny Birao amin’ny asany. Mbola azo havaozina amin’ny andraikitra efa notanany anefa ny tompon’andraikitra tsirairay amin’izany. 

Ny Tonian’ny FSM-ZL no mamaritra sy mizara ny andraikitry ny olon’ny Birao tsirairay izay ankatoavin’ny Komity Nasionaly.

Andininy 17: VAOMIERAN’ASA

Azon’ny Komity Nasionaly atao ny manangana vaomieran’asa maharitra na vonjimaika mba handinika hevitra ilaina fanomanana na fandinihana manokana, miainga amin’ny tolo-kevitry ny biraon’ny FSM-ZL.

Manana solontena amin’izany ny isam-pikambanana mivondrona ato amin’ny FSM-ZL.

TOKO IV: MOMBAN’NY VOLA

Andininy 18: FIDIRAM-BOLA

Ireto avy ny fidiram-bola: 

  • Latsakembokin’ny fikambanana; 
  •  Fanampiana avy foibe iraisam-pirenena sy ny mpiaramiombinantoka; 
  • Fanomezana avy amin’ny tsara sitrapo; 
  • Hetsika fitadiavam-bola; 
  • Fanampiana avy amin’ny Fanjakana.

Andininy 19: FANDANIANA ANKAPOBENY

Ireto avy ny famoham-bola: 

  • Fampiasam-bola ataon’ny fikambanana; 
  • Fandaniana amin’ny fanodinana ny raharaha ankapobeny; 
  • Fanatanterahana tetikasa; 
  • latsakembokan’ny mankany amin’ny iraisam-pirenena.

Izany rehetra izany dia atao mifanaraka amin’ny lalana manankery sy manaja ny Sata fototry ny fikambanana.

Atao mifanaraka amin’ny Tondro mpitantanana nankatoavin’ny Komity Nasionaly izany. Hanaovana tatitra amin’ny Fivoriambe Nasionaly ny momban’ny fitantanam-bola sy ny nampiasana izany.

TOKO V: FANANANA SY MARIKA

Andininy 20: MIKASIKA NY FANANANA

 Ireto avy no voafaritra ho fananan’ny fikambanana : Trano na tany, fitaovana samihafa ary ireo fitaovana amin’ny fitantanana samihafa, izay novidin’ny FSM-ZL tamin’ny volany manokana, na nomen’ny malala tanana azy mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery, ka nosoratana madiodio amin’ny anaran’ny fikambanana sy voaraikitra anatin’ny tahiry natokana ho amin’izany (bokin’ny fitaovana).

Andininy 21 : MARIKY NY FSM-ZL

 Manana marika sy fisehoana manokana ny FSM-ZL. Ny Komity Nasionaly no mandinika sy mankato ary mametraka ny fepetra fiarovana izany. Ny Mpikambana ao amin’ny FSM-ZL ihany no hany afaka mamokatra sy mivarotra ary mampiasa ny mariky ny « Bureau Mondial du Scoutisme » (BMS) sy ireo mariky hafa ahafantarana ny « Organisation Mondiale du Mouvement du Scoutisme » (OMMS).

TOKO VI: MOMBA NY SATA SY NY FITSIPIKA ANATINY

Andininy 22: FANDAMINANA MIKASIKA NY SATA SY FITSIPIKA ANATINY

Ny Fivoriam-be Nasionalin’ny FSM-ZL nantsoina manokana ho amin’izany no afaka manova na manao fanitsiana ampahany na manontolo ity Sta ity sy ny Fitsipika anatiny miainga amin’ny tolo-kevitry ny Komity Nasionaly.

Andininy 23: FANDRAVANA NY FIKAMBANANA

Afaka mangataka fandravana ny fikambanana ny roa ampahatelon’ny (2/3) mpikambana anatin’ny FSM-ZL.

Ny fivoriana tsy ara-potoana antsoina manokana ho amin’izany no afaka mandray izany fanapahan-kevitra izany.

Tsy maintsy tonga ny antsasa-manilan’ny mpikambana vao azo irosoana ny fanapahan-kevitra. Raha tsy feno anefa io isa io amin’ny fivoriana voalohany dia antsoina fanindroany indray ny Fivoriambe tsy ara-potoana, ka na firy na firy no tonga dia azo irosoana ny fandraisana fanapahan-kevitra.

Tsy maintsy tratra ny roa ampahatelon’ny (2/3) vato manan-kery vao azo ekena ny fanapahan-kevitra fandravana izany.

Raha misy faharavan’ny FSM-ZL, ny vola sy ny fananany rehetra dia atolotra ny fikambanana mitovy zavatra kendrena sy foto-kevitra aminy. Ny fivoriambe nanapaka ny fandravana no manendry izay ho tompon’andraikitra hanatanteraka izany.

Andininy 24: FITSIPIKA ANATINY

Izao Sata izao dia hatevenin’ny fitsipika anatiny ankatoavin’ny Fivoriambe Nasionaly.

TOKO VII: FEPETRA MANOKANA

Andininy 25: FAMPIJOROANA RAFITRA VONJIMAIKA

Mandra-pijoroan’ny rafitra rehetra dia mandray ny andraikiny avy hatrany ny Komity Nasionaly sy ny Tonia FSM-ZL.

Antananarivo faha 22 May 2022


Jereo koa :