Inona ny Tily ? ℹ

Skoto + Zazalahy + Unionistes

Ny Tily dia fanabeazana tanora  zazalahy unionistes (FJKM, FLM, EEM, METM, FMTA), araka ny fomba fanabeazana skoto efa nanorenan’i Baden Powell azy, sady mamolavola azy handray anjara amin’ny fanorenana tontolo tsara kokoa.

Natao hanabe sy hikolokolo ireo zazalahy, amin’ny maha-olona feno hahatonga azy ireo ho Tanora :

  • Vavolombelon’i Jesoa Kristy
  • Olom-pirenena vanona
  • Andrin’ny Fianakaviana.

Ny atao hoe skotisma

Hetsika fanabeazana ho an’ny tanora, an-tsitrapo, tsy manao politika ary misokatra ho an’ny rehetra tsy misy ankanavaka, na ara-pihaviana, na ara-pirazanana na ara-pinoana, mifanaraka amin’ny tanjona sy zava-kendrena, ny adidy sy ny fomba fanabeazana arak’izay efa nanorenan’i Baden Powell azy : miorina amin’ny lalàna sy fanekena skoto.

scout emblem

Anarana voaaro amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fiantso hoe « scout » iantsoana ireo rafitra ao anatin’ny Organisation Mondiale du Mouvement Scout (OMMS).
Ao amin’ity rohy ity ny lisitr’ireo fikambanana skoto ofisialy manerana izao tontolo izao.

Misy firehana 3 no mandrafitra ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara – manabe Zazalahy (FSM-ZL) :

  • Antilin’i Madagasikara : Skoto zazalahy, katolika
  • Kiadin’i Madagasikara : Skoto zazalahy sy zazavavy, tsy miankina amin’ny finoana
  • Tily eto Madagasikara : Skoto zazalahy, unioniste

Ary mpikambana ao amin’ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara, izay ahitana koa :

  • Fanilon’i Madagasikara : skoto zazavavy, katolika
  • Kiadin’i Madagasikara : Skoto zazalahy sy zazavavy, tsy miankina amin’ny finoana
  • Mpanazava eto Madagasikara : skoto zazavavy, unioniste

FSM-ZL = Antilin’i Madagasikara + Kiadin’i Madagasikara + Tily eto Madagasikara
SZM = Fanilon’i Madagasikara + Kiadin’i Madagasikara + Mpanazava eto Madagasikara
FSM = FSM-ZL + SZM

Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny skoto zazalahy (Antily, Kiady, Tily) dia miankina amin’ny Organisation Mondiale du Mouvement Scout (OMMS) ary ny rafitra zazavavy (Fanilo, Kiady, Mpanazava) dia miankina amin’ny Association Mondiale des Guides et Eclaireuses (AMGE).

Fifampiankinan’ireo firehana skoto eto Madagasikara sy rafitra amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Tsindrio eto hamantarana misimisy kokoa momba ny firafitry ny skotisma amin’ny sehatra iraisam-pirenena