Mbola marobe ny olona no tsy mahazo herinaratra ary maro koa no mbola voatery mampiasa angovo mampidi-doza ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana, toy ny arina, ka mahamaro ireo tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana. Inona no afaka ataon’ise  mba hanampy ny eo amin’ny fiaraha-monina an’ise hahazo sy hampiasa angovo mora sy madio ?

Tanjona 7 : Miantoka ny fisitrahan’ny rehetra tolotra fampiasana angovo azo itokiana, maharitra, vao sy taka-bidy.

Zava-kendrena :

7.1 Mandrapahatongan’ny 2030, miantoka ny fahazoan’ny rehetra tolotra fampiasana angovo azo antoka, vaovao, sy takabidy.

7.2 Mandrapahatongan’ny 2030, ampitomboina mazava ny ampahan’ny angovo azo havaozina amin’ny tolotra angovo manerantany.

7.3 Mandrapahatongan’ny 2030, ampitomboina avo roa heny ny tahan’ny fanatsarana ny fahombiazan’ny fitantanana ny angovo manerantany.

7.a Mandrapahatongan’ny 2030, manamafy ny fiarahamiasa iraisam-pirenena mba hanamorana ny fahazoana ireo fikarohana sy haitao mikasika ny angovo madio, indrindra ny angovo azo havaozina, ny fahombiazan’ny fitantanana ny angovo, ny haitao vaovao mikasika ny fandrehitra sisan-karingarina madio. Mampiroborobo ny fampiasambola ho an’ny fotodrafitra mamokatra angovo sy ny haitao mikasika ny angovo madio.

7.b Mandrapahatongan’ny 2030, mamorona fotodrafitrasa sy manatsara ny haitao mba hamatsiana tolotra angovo vaovao sy maharitra ho an’ny mponina amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, indrindra ireo firenena tsy dia mandroso, ny firenena nosy kely an-dalam-pandrosoana sy ny firenena an-dalam-pandrosoana tsy manana sisintany, am-panajana ny fandaharanasa tantsoroka mikasika azy.

Hitrandraka misimisy kokoa :