Ny Sampana Maitso Tily no anabeazana ireo zazalahy 12 ka hatramin’ny 16 taona. Ny fandaharana sy fihetsiketsehana rehetra atao dia tanterahina mba hahatonga ny Tily zazalahy ho olom-banona ilain’ny ankohonany, ny Fiangonany ary ny Fireneny tokoa. Mifanaraka amin’ny zava-kendren’ny Skotisma izany.

Fiainana mifototra amin’ny Lalàna sy Fanekena

Miankina amin’ny Lalàna sy Fanekena Tily avokoa ny zavatra atao rehetra.

Ny fanaovana Fanekena Tily no porofo fa Tily tokoa izy. Eo no anekeny fa hiezaka araka izay azo atao hanana fiainana mendrika ny maha-skoto azy dia ny :

Asa avy hatrany eo anivon’ny tontolo iainana

Tanterahina amin’ny alalan’ny asa avy hatrany ny fanabeazana atao ao amin’ny skotisma, indrindra fa ny Sampana Maitso Tily. Ny fahazotoana mandray anjara amin’ny hetsika rehetra no hahatonga ny Tily ho vonona hatrany sy hanana anjara amin’ny fampandrosoana ny tenany sy ny manodidina azy.

Ny Fihetsiketsehana atao rehetra dia tanterahina eny anivon’ny zavaboahary.

Fiainan-tsokajy

Omena sehatra kely hahafahany mandray anjara sy mampiseho ny maha-izy azy ny Tily Sampana Maitso. Ny “Sokajy” no iantsoana izany, izay ivondronan’ny Tily 4 ka hatramin’ny 8 ary tarihin’ny iray amin’izy ireo ihany, antsoina hoe Lohan-tsokajy (LS). Sokajy 2 hatramin’ny 4 no lasa Antoko, tarihin’ny Mpiandraikitra.

Tari-dalana fanofanana loha-tsokajy
27 janvier 2024

« lreo fahalalana notadiavintsika dia mitoetra fa very kosa ireo izay tsy notadiavina » Baden Powell lzany tenin’i Bipi izany no entina hanamafisana hatrany amintsika fa manana anjara toerana lehibe eo amin’ny asa Fanabeazana ny famolavolanatetiandrom-panofanana ho an’ireo olona manana andraikitra ato amin’ny skotisma; anisan’izany ireo Loham-bondrona tsirairay isan’Antoko. Andeha homena lanja ny SOKAJY sy […]

Lasin-tsokajy

Inona ny lasin-tsokajy ? Lasy natao ho an’ny sokajy tsirairay izay tsy itambarany amin’ny sokajy hafa ny lasin-tsokajy. Mandritra ny 02 na 03 andro no anatanterahana azy ary in-dray na indroa isan-taona no tokony hanaovana azy. Ny lasin-tsokajy dia fanomezan-danja ny fiainan-tsokajy, taratry ny fahaleovantenan’ny sokajy. Tena mahomby eo amin’ny fanabeazana sampana maitso ny lasin-tsokajy […]