Sokajy
Sampana Menafify

Ambaratonga menafify

Ambaratonga

Ny sampana menafify dia namaritra fa ny AMBARATONGA hiainana ao aminy dia miisatelo miavaka tsara :

  1. Ny «MPIKETRIKA MAMENO» ahafahana mampivelatra ny HAIRAHA anatyvondrona na fokonolona iray ka hahafahana mamoaka tetik’asa iray fara-fahakelinyho entina mampandroso ny fiainam-bondrona na ny tontolo manodidina azy.
  2. Ny «MPIALOHA LALANA» ho an’ny mitarika ny tetik’asa. Ary rehefa mahomby izanyka afaka manangana asa fivelomana ho an’ny tenany sy ny manodidina azy.
  3. Ny «MAHATSANGY NO ARY» izay dingana farany ao amin’ny menafify. Io no vokatra entina hanabe voa.

Mpiketrika mameno

Fandraisana anjara amin’nyfanatanterahana ireo tetikasa misy eo amin’ny Fokonolona sy/na Fileovana;
Ahitany ireo fomba fitarihana tetikasa; Hahafantarany ireo dingana arahinaamin’ny fanatanterahana tetikasa iray;
Fe-potoana hanolorana: 3 volana
Fe-potoana iainana azy: 6 volana

Hevitry ny marika « Mpiketrika Mameno »

Ny mariky ny Mpiketrika Mameno dia maneho ny ezaka sy ny firosoana amin’ny dingana Farany. Ny tondrozotra omena ny mpikambana izany dia ny firosoana amin’ny tsaratsara hatrany ka hatsaraina sy hamafisina araka izany ny fiofanana sy ny fanabeazana noraisina tany amin’ny sampana telo teo aloha

Fepetra

Fahalalana: mahalala karazana asa sy tetikasa ary sehatr’asa misyeo amin’ny faritra misy azy sy eto amin’ny firenena; mahalala ireofomba sy dingana fananganana tetikasa, mahalala ny tanjaka syireo otrik’harena misy eo anivon’ny faritra misy azy.
Fahaiza-manao: mahay manavaka ireo fitsinjarana asa misyanatinà tetikasa iray; mahay teknika fananganana tetikasa irayfara-fahakeliny;
Fitondran-tena: mihaino ny hafa, tia karokaroka sy mamoron-javatra, tsara fifandraisana amin’ny mpiray tetikasa, mety atoro syvonona ny hianatra zava-baovao.

Mpialoha lalana

Fahavitrihana nandray anjara tamin’ny tetikasa taoanaty Fokonolona sy ny fisian’ny bokin’ny tetik’asavonona ary miandry ny fanatanterahana azy;
Fitarihana sy fitantanana tetikasa iray namaromaro (gestion de projet)
Fe-potoana hanolorana: 6 volana aorian’ny “Mpiketrika mameno”;
Fe-potoana iainana azy : 1 taona

Hevitry ny marika « Mpialoha lalana »

Ny mariky ny ambaratonga Mpialoha Làlana dia mampiseho ny kintana tondro avaratra. Ny kintana dia fitarikandro izay notarafina tamin’ny tantaran’i Jesoa Kristy ary mariky ny firosoan-dia hatrany.

Fepetra

Fahalalana: mahalala amin’ny ankapobeny ny filàn’ny vondronamisy azy (fokonolona, fiarahamonina) ara-piharina ; mahalala ireosoa fanararaotra izay afaka avadika ho asa sy tetikasa eo anivon’nyfiarahamonina.
Fahaiza-manao: mahay ireo antsipirihany amin’ny teknikafitantanana tetikasa;
mahafehy teknika iray fara fahekeliny amin’nyfitarihana tetikasa; mahavita mandrafitra boky tetikasa.
Fitondran-tena: mavitrika tsara teo anivon’ny vondrona, matokytena, sahy mandray fanapahan-kevitra, manana toe-tsain’nyfiombonana, vonona ny hitarika sy hisedra ny sarotra.

Mahatsangy no Àry

Fahavitrihana nandray anjara tamin’ny tetikasa taoanaty Fokonolona sy ny fisian’ny bokin’ny tetik’asavonona ary miandry ny fanatanterahana azy;
Fitarihana sy fitantanana tetikasa iray namaromaro
(gestion de projet)
Fe-potoana hanolorana: 6 volana aorian’ny“Mpialoha lalana”;
Fe-potoana iainana azy : 1 taona

Hevitry ny marika « Mahatsangy no àry »

Ny mariky ny ambaratonga Mahatsangy No Àry dia maneho ny masoandro Menafify takon’ny ampingan’ny Mahatsangy No Àry. Ny ampinga kosa dia mariky ny maha-miaramila tsaran’i Kristy.

Fepetra

Fahalalana: mahalala ny maha zava-dehibe ny fananana asa eoanivon’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina, mahalala ireokarazana fepetra takiana ara-piarahamonina eo anivon’nytontolon’ny asa na rehefa hanangana orinasa;
Fahaiza-manao: mahay teknika mampahomby tetikasa; mahavitamandrafitra boky tatitra tetikasa; mahafehy ireo teknika ilainaamin’ny fitantanana sy fitarihana tetikasa ;
Fitondran-tena: mahaleo tena, azo itokiana, mahavaha olana, sahymametraka fanamby eo amin’ny fiainana maha olon-dehibe.