Ny fahatratrarana ity Tanjona faha-8 ity dia midika ho fandraisana anjara amin’ny famoronana asa mendrika ho an’ny tsirairay, fanomezana ny tanora ireo fahaiza-manao ho ilainy rehefa hiditra amin’ny tontolon’ny asa, ary fiarovana amin’ny fampiasana ankizy.

Tanjona 8 : Mampiroborobo ny fitomboan’ny harikarena, ifampizarana sy lovainjafy sy ny fisian’ny asa mamokatra ho an’ny rehetra sy ny asa mendrika ho an’ny rehetra

Zava-kendrena :

8.1 Mitazona ny tahan’ny fitomboan’ny harinkarena isambatanolona hifanaraka amin’ny zava-misy isam-pirenena, ka ho 7% raha kely ny tahan’ny fitomboan’ny harinkarena faobe isantaona any amin’ny firenena tsy dia mandroso.

8.2 Atao izay hahatonga amin’ny sehatra avo ny famokarana ara-toekarena amin’ny alalan’ny seha-pihariana isan-karazany, ny fanavaozana ny haitao, ny haivao, indrindra amin’ny fametrahana sehatra ambony sanda sy maro ny olona afaka miasa ao.

8.3 Mampiroborobo politika mifantoka amin’ny fampandrosoana izay manome toerana ny asa famokarana, ny famoronana asa mendrika, ny fandraharaharana, ny famoronana, ny haivao, ka manosika ny fivoaran’ireo orinasa bitika sy madinika sy manamora ny fidirana amin’ny sehatra manaraka fenitra, tafiditra anatin’izany ny fisitrahana tolotra ara-bola.

8.4 Manatsara tsikelikely mandrapahatongan’ny 2030, ny fahaizana mampiasa ny loharanonkarena manerantany na amin’ny fanjifana na amin’ny famokarana ary miezaka mba tsy hitarika fahasimban’ny tontolo iainana ny fitomboan’ny harinkarena, araka ny voasoritra ao amin’ny drafitra folotaona mametra ny fandaharanasa mikasika ny fanjifana sy ny famokarana lovainjafy, ka ny firenena mandroso no manome ohatra amin’izany.

8.5 Mandrapahatongan’ny 2030, atao izay hahatongavana amin’ny asa feno mamokatra sy miantoka asa mendrika sy karama mitovy ho an’ny vehivavy sy ny lehilahy raha asa mitovy no ataony, voakasik’izany ny tanora sy ny olona manana fahasembanana.

8.6 Mandrapahatongan’ny 2030, mampihena betsaka ny ampahan’ny tanora tsy mandeha mianatra, tsy an’asa sy tsy manana fiofanana.

8.7 Maka fepetra haingana sy mahomby hanafoanana ny asa anterivozona, manafoana ny fanandevozana vaovao sy ny famarotana olona, mandrara sy mamongotra ny endrika ratsy rehetra isehoan’ny asan’ny ankizy, anisan’izany ny fandraisana sy fampiasana ny ankizy ho miaramila. Mandrapahatongan’ny 2025, manafoana ny asan’ny ankizy amin’ny endriny rehetra.

8.8 Miaro ny zon’ny mpiasa, mampiroborobo ny fiarovana amin’ny toeram-piasana ary miantoka ny fiarovana ny mpiasa anisan’izany ireo mpifindra monina, indrindra ny vehivavy sy ireo izay manana asa tsizarizary.

8.9 Mandrapahatongan’ny 2030, mandrafitra sy manatanteraka politika mikendry ny fampiroboroboana ny fizahantany lovainjafy izay mamorona asa sy manome lanja ny kolontsaina sy ny vokatra ifotony.

8.10 Manamafy ny fahaizamanaon’ireo vondrona ara-bola isam-pirenena hanome lanja sy hanokatra ny tolotra banky sy arabola ary ny fiantohana ho an’ny rehetra.

8.a Mampitombo ny tohana omena araka ny lasitry ny hetsika tantsoroka ho an’ny varotra amin’ny firenena an-dalampandrosoana sy ireo firenena tsy dia mandroso, amin’ny alalan’ny « lasitra mifaningotra» (cadre intégré) namafisina ho an’ny tantsoroka ara-teknika, mifandray amin’ny varotra manome vahana ny firenena an-dalam-pandrosoana.

8.b Mandrapahatongan’ny 2020, mandrafitra sy manantanteraka ny paikady iraisam-pirenena mikasika ny asan’ny tanora sy
mampihatra ny fifanarahana iraisam-pirenena ho an’ny asa napetraky ny vondrona iraisam-pirenena ho an’ny asa.

Hitrandraka misimisy kokoa :

Fitiliana filàn’ny beazina (Menafify)
10 février 2024

Alohan’ny handrafetana fandaharam-panabeazana sy hetsika entinamampiaina ny skotisma eo amin’ireo Mpitarika dia zava-dehibe ny ahalalànany filàna andrasany. Teknika iray entina mitily ny filàna efa mahazatra antsikaloatra ny Pyramide de Maslow. « Quand vous avez des doutes quant à la meilleure approche dans l’éducation du garçon (des jeunes), vous économiserez du temps, vous vous éviterez des […]

Talenta Menafify
27 janvier 2024

Ato amin’ny Menafify dia omena lanja avokoa na ny talenta voajanahary (izay fahaiza-manao ananana tsy mila nianarana), na ny talenta novolena (izay vokatry ny fianarana na ny fampiharana fandaharam-panabeazana).Amin’ny ankapobeny dia mandritra ny fanatanterahana tetikasa no anaporofoan’ny Menafify ny fananany Talenta iray amin’ny alalan’ny andraikitra raisiny sy ny fanehoany ny anjara asa manavanana azy. Koa […]

Dingana fananganana tetikasa

KETRIKA (idée, rêve, attente) KETRIKA no anarana iantsoana fivorian’ny Mpitarika ao amin’ny Sampana Menafify (Fokonolona– Fileovana). Ao amin’ity dingana ity no sehatra ifanakalozan-kevitra, ipoiran’ny hevitra iraisana ka ifanekena ho iaraha-manatanteraka. Zokiolona : Manoro ny mpitarika ny fomba fiadian-kevitra mahomby, mikaroka lalao manodidina ny fifanakalozankevitra, mandrinda ny ady hevitra, Manampy ny Mpitarika hahay haneho hevitra, misarika […]

Fandaharam-panabeazana menafify
1 octobre 2020

« Tena ilaina sady azo itokisana ary maharaka ny fivoaran’ny teknolojia misy ny Menafify ». Manaraka ny Politika Nasionaly fanabeazana Tily eto Madagasikara ny Fandaharam-panabeazana Menafify. Fandaharana atolotra Tontolo iainana andavan’andro mihitsy no atrehan’ny Menafify ka ahitana Fihariana sy fitadiavana, Fiainam-piaraha-monina samihafa ary tontolo ivelaran’ny fanatontoloana. Noho izany, ny fandaharam-panabeazana atolotra dia : Manomana ny […]

Talenta 10 afaka trandrahina ao an-trano
4 juillet 2020

Mandalo vaninandro miavaka izao tontolo izao ka niteraka fiovana goavana maro teo amin’ny fomba fiainantsika toy ny fihibohana nandritra ny fotoana maharitra, ny fitafiana arotava lasa fitafy andavanandro, ny tsy fahafahana mivory sy mifampitakosona. Isan’ny tena iharan’izany indrindra ny skotisma, izay tena miaina ny fiainana ankalamanjana sy ny fiainam-bondrona. Tsy sakana amin’ny fivelaran-tenan’ny tsirairay nefa […]

Savaranonando fandalinana ny Efesiana
10 juillet 2019

Ny tanàna Efesosy. Renivohitra tany Asia (tapak’i Asie Mineure andrefana) Efesosy. Tanàna maro mponina sy be varotra izy, sady malaza indrindra noho ny tempoly mahafinaritra. Foiben’ny fivavahana amin’ny sampy izy, indrindra fa ny fivavahana tamin’i Diana andriamanibavin’ny fahavokarana sy ny fiterahana. Be zava-betaveta ny fanompoana azy. Olona haingam-pandray hevitra diso (superstitieux) ny Efesiana, ka nanjaka […]

Tsara ho fantatra momba ny fandraharahana

Raha miresaka fandraharahana matetika dia ny « assurance » na ny saran-dasy no tonga voalohany an-tsaina. Misy zavatra maromaro no fonosin’ny teny hoe fandraharahana, ka ny lehibe indrindra dia ireto telo ireto : latsak’emboka, fiantohana (assurance), antontan-taratasy mikasika lasy. Latsak’emboka Ny latsak’emboka dia fandraisana anjara ara-bola entin’ny Tily tsirairay isaky ny fiandohan’ny taom-panabeazana iray, izany hoe ny […]

Tetik’asa Menafify
1 octobre 2018

Ny tetik’asa no fampiharana ny fomba fanabeazana skoto ao amin’ny Menafify ary mampiavaka azy amin’ireo sampana telo hafa. Fibeazana amin’ny alalan’ny fiatrehana tetik’asa. Io fiatrehana tetik’asa io dia natokan’ny Menafify hampisehoana ny talenta izay ananany. Inona no atao hoe tetik’asa (projet) ? Nofinofy anaty (intention) : tetik’asa nofinofy avadika tena izy (rêver en couleur, réalisation […]

Ireo tsara ho fantatra momba ny Menafify Faritany (MEFAR)

Fivondronana maromaro manana Tily Menafify no mivondrona ao anaty Menafiy Faritany na MEFAR. Mivory indray isam-bolana farafaharatsiny ny MEFAR na arakaraka ny fandaminana ao anaty faritany mba hsian’ny fihaonana iraisana. Zava-kendren’ny Menafify Faritany (MEFAR) Famelomana ireo fivondronana manana Tily Menafify vitsy (1 na 2 na 3 fotsiny) Fifankazarana sy fifaneraserana eo amin’ny samy Menafify ao […]