Mamokatra foana isika olombelona : na rano, na sakafo, na angovo. Ary rehefa manjifa dia mamokatra fako ihany koa. Mba hahatratrarantsika ny ODD 12 dia mila miezaka isika tsirairay hampihena ny fampiasana plastika, indrindra mifady ireny fitaovana plastika fanary ireny, miezaka manodina fako sy mamerina mampiasa izay fitaovana mbola azo trandrahina.

Tanjona 12 : Mametraka fomba fanjifana sy famokarana mitsinjo ny ampitso.

Zava-kendrena:

12.1 Manatanteraka ny lasitra folo taona handaharanasa mikasika ny fomba fanjifana sy famokarana mateza andraisan’ny firenena rehetra anjara, ka ireo firenena mandroso no ohatra, noho ny dingam-pandrosoany sy ny fahaizamanaon’ny firenena an-dalam-pandrosoana.

12.2 Mandrapahatongan’ ny 2030, manatratra ny fitantanana mitsinjo ny ampitso sy ny fampiasana voalanjalanja ny loharanonkarena voajanahary.

12.3 Mandrapahatongan’ny 2030, mampihena amin’ny antsasany ny hadirin’ny fakon-tsakafo isam-batanolona manerantany eo amin’ny famokarana tahaka ny eo amin’ny fanjifana. Mampihena ny fahaverezan’ny vokatra ara-tsakafo mandritry ny rojom-pamokarana, fanangonam-bokatra, anatin’izany ny vokatra very aorian’ny fijinjana.

12.4 Mandrapahatongan’ ny 2020, mamerina ny fitantanana ny vokatra simika sy ny fako rehetra mandritry ny fiainana hitsinjo ny tontolo iainana sy ho voalanjalanja, araka ny fitsipika mitarika izay tapaka teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Mampihena betsaka ny fanariana vokatra simika sy fako amin’ny rivotra, ny rano sy amin’ny tany mba hahakely ny vokadratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.

12.5 Mandrapahatongan’ ny 2030, ahena betsaka ny famokarana fako amin’ny alalan’ny fisorohana, fampihenana, fanodinana vokatra ho vaovao sy famerenana mampiasa ny vokatra.

12.6 Mampirisika ny orinasa, indrindra ireo orinasa lehibe sy misehaka firenena maro, hampihatra fomba maharitra sy hampiditra anatin’ny tatitra ataony ny mikasika ny fampaharetan’ny asa ataony.

12.7 Mampiroborobo ny fomba mitsinjo ny ampitso ao anatin’ny fanomezana tsenambaro-panjakana, araka ny politika sy ny laharam-pahamehan’ny firenena.

12.8 Mandrapahatongan’ ny 2030, atao izay hahatonga ny olona manerantany hanana vaovao sy fahalalana ilainy ho fandrosoana lovainjafy sy ilainy amin’ny fomba fiaina mirindra amin’ny zavaboahary. (fanajana ny zavaboahary amin’ny fiainany)

12.a Manampy ny firenena an-dalam-pandrosoana amin’ny fampitaovana siantifika sy teknolojika hahafahan’ny manitsy ny fomba fanjifany sy famokarany hitsinjo ny ampitso.

12.b Mandavorary sy mampiasa fitaovana entina hanarahamaso ny vokatra eo amin’ny fandrosoana lovainjafy, mba ho fizahantany lovainjafy mamorona asa sy manome hasina ny kolontsaina sy ny vokatra eo an-toerany.

12.c Tsinjaraina ny fanampiana manokana ho an’ny Fandrehitra sisan-karingarina izay mahatonga fanimbana, amin’ny fanalana ny tsinin’ny tsena, araka ny zava-misy eo amin’ny Firenena. Noho izany, mandavorary ny rafitry ny hetra sy manafoana tsikelikely ny fanampiana manokana izay manimba, ka hahafahana mampiseho ny vokadratsiny eo amin’ny tontolo iainana, sady mijery ny filana sy ny zava-misy manokana eo amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, no
mampihena farafahakeliny ny mety ho vokadratsiny eo amin’ny fandrosoan’ireo firenena ireo, no miaro ihany koa ireo mahanta sy ireo vondrombahoaka voakasika.

Hitrandraka misimisy kokoa :