Mety ho toy ny tsy misy dikany ny fianjaika sy ny maha-ara-dalàna ny pitsopitsony kely rehetra amin’ny fanamiana, nefa tena misy lanjany be amin’ny fivelarana amin’ny maha-ise an’ise ireny ; sady tena misy dikany be dia be amin’ny fijerin’ny olona ivelany ny fikambanantsika satria izay hitan’ny masony no hitsarany antsika.

Baden Powell, Aids to Scoutmastership (1920) p.26

Raiso ato ny torolalana momba ny aromarika sy ny fanehoana maha-tily

Télécharger

Ny vonam-pehitenda
14 août 2023

Ireo skoto amerikanina no fantatra fa nanomboka nampiasa vonam-pehitenda (bague) voalohany tamin’ny fanamiany tany amin’ny taona 1917 tany ho any rehefa nanomboka nampiasa fehitenda koa izy ireo (tsy mba nanao fehitenda ny skoto amerikanina talohan’io). Mpiasa raikitra tao amin’ny Gilwell Park, antsoina hoe William « Bill » Shankley, no naheno io fanaon’ny amerikanina io ka namolavola ilay […]

Ireo marika andraikitra (barety)
5 février 2023

Ny fampiasana ny “barety” eo an-tsoroka ho marika andraikitra dia isan’ny marika nolovaintsika tamin’ny fampiasan’ny skotisma frantsay tany amin’ny taona 1956 ka mbola notanana hatramin’izao (Sur les traces, 1956). Mirefy 5 x 1,5 cm ny marika andraikitra ary mipetraka eo amin’ny soroka. Ny mpanabe efa nahavita ny fanekena maha-mpiandraikitra no miambozona barety. Marika andraikitra fanabeazana […]

Marika faha-35 taona Menafify
18 novembre 2022

Ho fanamarihana ny faha-35 taona nijoroan’ny Sampana Menafify dia misy ny sary famantarana manokana ampiasaina mandritra ny taona 2023. Lalao nandraisan’ny rehetra nisafidianana ny marika ho ampiasaina ka asa tanan’i TSITSIHY Mandamy no voafidy hanamarihana ny taom-ankalazana faha-35 taonan’ny Menafify. Niainga tamin’ny teny fanevan’ny fankalazana no nanamboarana ny marika sy ny heviny. « Ary, indro, ato […]

Ireo karazana fehitenda fampiasan’ny Tily
31 juillet 2022

Isan’ny endrika fampiainana iombonan’ny skoto eran’izao tontolo izao ny fehitenda, ary marika voalohany ahafantaran’ny olona ny skoto. Mariky ny fiombonana ny fehitenda, fiombonana eo amin’ny sehatra irotsahana (mitovy lokom-pehitenda) no sady fiombonana amin’ny skoto rehetra eran’izao tontolo izao mihitsy. Tsy haingokaingo fotsiny ny fehitenda fa sady fitaovana afaka ampiasaina amin’ny toe-javatra maro : rehefa sendra […]

Ny marika « Ravinala » sy « SCOUTS » (logo)
21 février 2022

Mampiasa marika roa samy sarobidy aminy ny skoto Tily eto Madagasikara : ny marika (logo « SCOUTS ») sy faneva (Fleur de lys) an’ny skotisma iraisam-pirenena, mariky ny fiombonana amin’ireo skoto rehetra manerana an’izao tontolo izao. ny marika Ravinala, mariky ny fiombonan’ny skoto Tily rehetra eran’i Madagasikara sy any ampitan-dranomasina. Mariky ny fiombonana ny marika ampiasaintsika, ary […]