Sokajy
Soatoavina Tily

Fanekena : Hiasa ho an’ny Tanindrazana sy ny namana

Eto anatrehan’Andriamanitra sy ny olona, ary noho ny fahasoavan’i Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana

Tsy tokony hisy olona monina eto Madagasikara na teraka teto Madagasikara ka hilaza ho tsy tia an’i Madagasikara : kanto loatra i Madagasikara, misy ireo haren-tsarobidy rehetra. Izay mety ho olana fototra dia satria tsy miasa ho an’i Madagasikara isika ary tsy manasoa azy. Tokony hahalala tsara ny tanindrazan’ise ise amin’ny alalan’ny fianarana azy sy ny fitetezana azy ise (vaky boky, firesahana amin’ny olon-dehibe, …)

Ny fiezahana amin’ny fianarana sy asa tsara ary fihariana mahasoa, fananana toetra modely eo amin’ny fanarahana fandaminana eo amin’ny fiarahamonina « fanabeazana maha olom-pirenena vanona « etika, moraly » dia isan’ny asa atao amin’ny tanindrazana ary tsy maintsy manao Asa Soa isan’andro ny Tily.

Izay rehetra monina eo amin’ity Madagasikarantsika ity dia namantsika avokoa, mety ho samihafa ny endriny sy ny fombany fa naman’ise izy. Ny Tily na Skoto rehetra eran’izao tontolo izao dia manao io fanekena hiasa ho an’ny namana io avokoa, ary izay no maha-mpirahalahy antsika. Manaiky hifanampy sy hifamonjy amin’ny olona rehetra ny Tily.

Ny Tily izay tia ny tanindrazany dia manaja ny skoto samy hafa firenena aminy satria mba tia ny tanindrazany koa izy ireny. Izany no ahitana any amin’ny Jamboree (lasy iarahan’ny skoto eran’ izao tontolo izao), ankizy miara-milalao nefa avy amina firenena miady,

Mifanampy amin’ny hafa, na iza na iza, ny tily

Tantara mahavariana no fomba hanazavan’i Baden Powell ity dia ny tantaran’ ilay zaza hindou kely izay nantsoin’ny olona hoe: sakaizan’ny olon-drehetra. Mora amin’ ny ankizy ny manakatra izany fa sady filamatra ho azy no kilalao. Vonona hanampy na iza na iza ny Tily, azo itokiana tanteraka izy. Tsy manantena karama izy ho valin’ ny soa ataony. Ampiany manokana ny ray aman-dreniny, ny antitra sy ny mahantra.

Lahatsoratra fanazavana ny hevitry ny Fanekena Tily, araka izay voasoratra ao anatin'ny Antsaha, 1955 (Isan'ny Torolalana Fanabeazana Tily voalohany taorian'ny fanagasiana), sy ampahany avy amin'ny Torohevitra sy Fitsipika, 1948 (Torolalana Fanabeazana voalohany indrindra nosorotana tamin'ny teny malagasy ho an'ny Eclaireurs Unionistes de France eto Madagascar), ary nohatevenin'ny Departemanta Aim-panahy sy Fitoriana ny Filazantsara.
Fisaorana : Filoha TEKY Mandroso nitahiry sy nizara ireo tahirin-kevitra vakoka ireo.

Fitsipika anatiny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara. (Version 2018. Andininy faha-12, tapany B)

Adidy amin’ny hafa

  • Mitia sy miasa ho an’ny Tanindrazany.
  • Mampanjaka ny fahamarinana, ny fandriampahalemana ary ny fifankatiavana ao amin’ny fiaraha-monina, ny firenena ary ny iraisam- pirenena.
  • Mitandro ny maha-olona sy mikajy ny iainana.
  • Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny mpiara- belona.