Mendrika hanana anjara mitovy ny olon-drehetra, ho afaka hiaina am-pifaliana, hanana fahasalamana ary hanana ho avy mamiratra. Mbola misy foana nefa ny tsy fitoviana na amin’ny saranga, na amin’ny mponina an-drenivohitra sy ambanivohitra, na amin’ny lahy sy vavy, na amin’ny fananana fahasembanana.

Manana andraikitra isika mba hanana haja sy zo mitovy avokoa ny rehetra amin’ny manodidina antsika.

Tanjona 10 : Mampihena ny elanelana ao anaty firenena sy amin’ny samy firenena.

Zava-kendrena:

10.1 Mandrapahatongan’ny 2030, atao izay hahatonga ny vola miditra amin’ireo 40% amin’ny mponina tena mahantra hiakatra haingana kokoa noho ny harinkarem-pirenena salantsalany amin’ny fomba maharitra, amin’ny alalan’ireo fanatsarana atao tsikelikely.

10.2 Mandrapahatongan’ ny 2030, atao izay hahavitantenan’ny olona rehetra sy manome vahana ny fampiatiana azy arapiarahamonina,
ara-toekarena ary ara-politika, tsy ankijery ny taonany, ny maha-lehilahy sy maha-vehivavy azy, ny fahasembanany, ny karazany, ny fokony, ny fiaviany, ny finoany na ny sata ara-toekareny, na izay hafa koa.

10.3 Miantoka ny fitovian’ny vintana sy mampihena ny tsy fitovian’ny vokatra, amin’ny alalan’ny famongorana lalàna, politika, fomba manavakavaka sy ny fampiroboroboana ny fandaniana lalana, politika sy fepetra mifanaraka amin’izany.

10.4 Mandany politikam-panjakana, indrindra ireo mikasika ny fandrafetana ny teti-bola , ny tambinkarama sy amin’ny sehatry ny fiahiana ara – tsosialy, sy manao izay azo atao mba hahatongavana tsikelikely amina fitoviana bebe kokoa.

10.5 Manatsara ny fehezandalana sy ny fanarahamaso ny andrimpanjakana ary ny tsenam-bola iraisam-pirenena sy manamafy ny fampiarana ny fitsipika fifampifehezana.

10.6 Atao izay hahatongan’ny firenena an-dalam-pandrosoana ho voasolontena bebe kokoa sy heno kokoa rehefa misy fanapahankevitra eny amin’ny rafitra ara-toekarena sy ara-bola iraisam-pirenena, mba hahomby kokoa, eken’ny rehetra, mangarahara amin’ny asa ary mahazo ny rariny izy ireo.

10.7 Manamora ny fivezivezena sy ny fifindramonina mirindra, tsy iaran-doza, isam-banimpotoana, voalanjalanja, indrindra amin’ny fanatanterahana politikan’ny fifindramonina voalamina sy tsara tantana.

10.a Mampiatra fitsipika mikasika ny fikarakarana manokana sy samy hafa ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana, indrindra ny firenena tsy dia mandroso, mifanaraka amin’ny fifanarahana napetraky ny Vondrona iraisam-pirenena mikasika ny varotra.

10.b Manetsika ny fanampiana ny firenena an-dalam-pandrosoana, ny fampiroborobona ny ara-bola anisan’izany ny fampiasambola vahiny mivantana, mba ho an’ny firenena izay tena mila izany, indrindra ny firenena tsy dia mandroso, ny firenena aty Afrika, ny firenena nosy kely an-dalam-pandrosoana sy ny firenena an-dalam-pandrosoana tsy misy sisintany, mifanaraka amin’ny lamina sy fandaharanasam-pirenena.

10.c Mandrapahatongan’ ny 2030, mampihena ho latsaky ny 3% ny sandan’ny takalo fandefasana vola ataon’ny mpifindramonina ary manafoana ireo fomba fandefasana vola mihoatra ny 5% ny sandany.

Hitrandraka misimisy kokoa :

Zon’ny ankizy
2 mars 2022

Amin’ny maha-hetsi-panabeazana tanora ny skotisma dia saika voakasiky ny zon’ny ankizy avokoa ny maro amin’ireo beazina ao (06 hatramin’ny 25 taona). Ny volana janoary 2022 dia nanomboka niara-niasa tamin’ny UNICEF sy ny Médiature de la République ny Tily eto Madagasikara, izay samy misehatra amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy. Inona no atao hoe zon’ny ankizy ? […]

Politika nasionaly ODK
11 septembre 2020

Ity no politika mitarika ny fomba fitantanana olon-dehibe ato amin’ny Tily eto Madagasikara mandritra ny fe-potoana. Mirakitra ireo tondrozotra ahafahan’ny Tily eto Madagasikara hametraka fitantanana mahomby ireo olon-dehibe miasa an-tsitrapo. Mba ho tohana azo antoka izy ireo ahazoana manome toky ireo Beazina, Ray aman-dreny, ny Fiangonana ary ny Fiaraha-monina; Ary koa hisian’ny arofenitra mba ho […]