Sokajy
Fanabeazana Marika sy endrika fampiainana

Tendro

REMBY – LOMAY – DIÑIERY – AMPAMOLOANA

Inona ny TENDRO?

Hetsim-panabeazana nasionaly (tarihan’ny ekipa  nasionaly), ny TENDRO, izay hiombonan’ny sampana efatra eo anivon’ny Tily eto Madagasikara, tontosaina amin’ny toerana iray, mandritra ny fotoana voafaritra. 

Fitaovana iray entina handrefesana ny zava-bita nandritra ny taom-piasana ny TENDRO. Lasy miendrika LALAO RANORAY  izay hihaonan’ny vondrona voafantina isam-paritany manerana ny nosy mba hisian’ny fifanankalozana, fitoviana ary indrindra ny firaisan-kina sy fitiavana; ary hanamafisana hatrany ilay fiainam-bondrona.  Ireo hetsika FANABEAZANA isan-tsampana no tanterahina amin’izany.  Amin’ny maha TENDRO azy izay dia izay tena lohany eo anivon’ny faritany no miatrika azy. Ny taona 1993 no nisian’ny TENDRO voalohany.

Amin’ny maha-sehatra nasionaly azy dia nomena anarana manokana izy ireo mba hanavahana azy amin’ireo atao isam-paritany tily. Natokana hiantsoana ny lalao nasionaly irery ihany ny fiantsoana hoe TENDRO, REMBY, LOMAY, DIÑIERY, AMPAMOLOANA.

SampanaSehatra FARITANYSehatra NASIONALY
MavoHAZA LEHIBEREMBY
MaitsoLFTT (Lalao Fifaninanana Teknika Tily)LOMAY
MenaRODORODODIÑIERY
MenafifyFOTASAAMPAMOLOANA
Fitambaran’ny lalao rehetraTENDRO

Hevitry ny anaran’ireo lalao

Remby

Ny heviteny voalohany dia midika hoe fihazana, fitadiavana haza. Sady io teny io koa no entina ilazana ireo vokatry ny haza.
Source : Rakotosaona, Voambolana Tanindrana sy Tantsiraka (1975) sy Rajemisa-Raolison Régis, Rakibolana malagasy (1985)

Lomay

Matoanteny, fiteny Bara sy Tanosy midika hoe « hazakazaka ».
Source : Rakotosaona, Voambolana Tanindrana sy Tantsiraka (1975) sy Rajemisa-Raolison Régis, Rakibolana malagasy (1985)

Vakio ato ny momba ny LOMAY

Diñiery

Matoanteny, fiteny Bara midika hoe « tsemboka ».
Source : Rakotosaona, Voambolana Tanindrana sy Tantsiraka (1975)

Ampamoloana

« Ny famoloana dia toerana iray manana ny lanjany, tsy afaka misaraka amin’ny fararano. (…) Mitahiry ny soatoavina ny famoloana satria dia toerana iray isehoan’ny fifankatiavana sy ny fihavanana izay mbola voatahiry any ambanivotra izy. Amin’ny fararano dia tena toy irony toerana fanaovam-pety irony ny famoloana : hifamezivezena, hitafatafana, hiasana. » Source : https://ambohibary.skyrock.com/3271572874-Ny-famoloana.html

Hevitry ny marika TENDRO 2023

Papangohazo : mitrandraka ny ho avo sy ny hiakatra hatrany araka ny rivotra mitsoka. Matoa izy midina dia tsy ampy ny tosiky ny rivotra izany. Taratry ny fanabeazana skoto (tily) ho amin’ny tsara kokoa hatrany. 

ROSO TSY MIVERINA, miabo hatrany mba tsy hidoboka.

Soratra TILY eny amin’ny tendron’ny papango, ravinala mitohy hatraty ambany miendrika lakile : maneho fa fanalahidin’ny fanabeazana ny tily ary ireo mpiatrika ny Tendro dia ireo sangany indrindra amin’ny samy tily isam-paritany. Fahiny dia niendrika antanan-tohatra mandrafitra ny nifin’ilay lakile ireo sampana tsirairay, fa aseho kosa eto fa fanabeazana IRAY misy fitohizany ireo sampana 04 ireo fa tsy misy ambony sy ambany. 

Soratra 30 : manamarika ny faha-30 taonan’ny TENDRO

Peratra maroloko mariky ny ODD : Hanehoana fa fanabeazana mipaka sy misy fiantraikany tsara amin’ny fiaraha-monina ny fanabeazana Tily.