Ny Sampana Menafify no zokiny indrindra amin’ny salan-taonam-panabeazana Tily (aorian’ny faha-19 taona hatramin’ny fahafenoan’ny faha-25 taona ). Sampana fahaefatra amin’ny fanabeazana Tily eto Madagasikara araka ny tapaka tamin’ny fihaon’ny Filoha tany Ankadikely Ilafy Aogositra 2002 ary nohamafisin’ny Fitsipika Fototra sy Fitsipika Anatiny nivoaka 2007.

Pow wow 1988 tao Sadabe Antananarivo no nitsirian’ny hevitra hananganana ny Sampana Menafify. Fivondronana vitsivitsy no nisantatra nanorina azy io taona io ihany, toy ny tany amin’ny tapany avaratry ny nosy sy teto Antananarivo. Manaja sy manaraka ny lamina iraisan’ny sampana rehetra eo anivon’ny Fivondronana ny Menafify ka eo ambany fiahian’ny Komitim-pivondronana sy ny Tonia.

Antom-pisan’ny Sampana Menafify

Fandaharana handraisan’ireo tanora anjara tanteraka » no iainana ao amin’ny Menafify.

Rafitra ao amin’ny Sampana Menafify

Zatovolahy aorian’ny faha-19 taona hatramin’ny fahafenoan’ny faha-25 taonany no miara-mifanabe ao amin’ny Sampana Menafify. Tsy voatery ho nandalo fanabeazana skoto ny menafify iray, fa kosa manaiky hanaraka ny fomba fanabeazana skoto eo anivon’ny Sampana Menafify.

Fokonolona Menafify

Zatovolahy miisa 4 hatramin’ny 8 no miara-miaina sy mifanabe ao anaty Fokonolona Menafify iray.

Anaram-pokonolona : Misafidy anarana « Olomanga » na « Olo-malaza » efa
nodimandry teo amin’ny tanàna iorenany ( na vohitra na Fiangonana) ny Fokonolona ka ny toetra tsara nampiavaka ilay olona no atao tarigetra.

Fileovana Menafify

Fokonolona 2 hatramin’ny 4 mitambatra no manome Fileovana Menafify iray.

Anaram-pileovana : Anaran’ilay tanana na vohitra misy ny Fileovana. Ampiana
mpamari-toetra ao aoriana mba hiavahany amin’ny Sampana Mena.

Zokiolona Menafify

Mpiandraikitra 1 na 2 nofidian’ny Fileovana ka atolotry ny Komitim-pivondronana no mitàna ny andraikitry ny Zokiolona Menafify.

Tovolahy mihoatra ny 21 taona ary mpandray ny fanasan’ny Tompo na mpiomana no afaka fidiana ho Zokiolona.

Ny Zokiolona no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampandehanana ny Fileovana

Loholona Menafify

Mpitarika tetik’asa ny Loholona ao amin’ny Sampana Menafify.

Ny loholona no tompon’andraikitra voalohany ao anaty Fokonolona

Mety hiovaova araka ny fanatanterahana tetik’asa ny Loholona Menafify.

Marika faha-35 taona Menafify
18 novembre 2022

Ho fanamarihana ny faha-35 taona nijoroan’ny Sampana Menafify dia misy ny sary famantarana manokana ampiasaina mandritra ny taona 2023. Lalao nandraisan’ny rehetra nisafidianana ny marika ho ampiasaina ka asa tanan’i TSITSIHY Mandamy no voafidy hanamarihana ny taom-ankalazana faha-35 taonan’ny Menafify. Niainga tamin’ny teny fanevan’ny fankalazana no nanamboarana ny marika sy ny heviny. « Ary, indro, ato […]

Vontadin’ny Mpitarika
2 mars 2021

Teny roa natambatra ny « VONTADY » dia VONA (fatotra) sy TADY (karazana kofehy vita avy amin‟ny taretra, natao randran-telo, antsoina koa hoe TADY MAHAZAKA). Ny atao hoe « VONTADY » dia « DINA » natao hifampifehezan’ny FOKONOLONA mpiara-belona sy mpiray Faritra mitovy fomba amam-panao ka « VONTADIM-POKONOLONA » no niantsoana azy tamin’izany. N ny […]

Fandaharam-panabeazana menafify
1 octobre 2020

« Tena ilaina sady azo itokisana ary maharaka ny fivoaran’ny teknolojia misy ny Menafify ». Manaraka ny Politika Nasionaly fanabeazana Tily eto Madagasikara ny Fandaharam-panabeazana Menafify. Fandaharana atolotra Tontolo iainana andavan’andro mihitsy no atrehan’ny Menafify ka ahitana Fihariana sy fitadiavana, Fiainam-piaraha-monina samihafa ary tontolo ivelaran’ny fanatontoloana. Noho izany, ny fandaharam-panabeazana atolotra dia : Manomana ny […]

Dingana arahina amin’ny fanokanana Sampana Menafify
2 octobre 2018

Toy izao no dingana mila arahina ho an’ny Fivondronana manam-pikasana hanaofanokanana sampana Menafify. Fepetra takiana Ireto foto-kevitra 5 ireto no tsy maintsy fenoina vao afaka miroso amin’ny fanokanana sampana Menafify ny Fivondronana iray Efa nahafeno herintaona nijoroana Nahatanteraka fandaharam-panabeazana herintaona Rafitra tafatsangana : manana Zokiolona 2, Loholona 2, Fokonolona 2, Mpitarika 4 Taratasy « fanolorana […]

Tetik’asa Menafify
1 octobre 2018

Ny tetik’asa no fampiharana ny fomba fanabeazana skoto ao amin’ny Menafify ary mampiavaka azy amin’ireo sampana telo hafa. Fibeazana amin’ny alalan’ny fiatrehana tetik’asa. Io fiatrehana tetik’asa io dia natokan’ny Menafify hampisehoana ny talenta izay ananany. Inona no atao hoe tetik’asa (projet) ? Nofinofy anaty (intention) : tetik’asa nofinofy avadika tena izy (rêver en couleur, réalisation […]

Hairaha Menafify

Ny Hairaha Menafify no foto-java-makadiry iorenan‟ny Sampana Menafify. Toy izao no firafitry ny HAIRAHA MENAFIFY izay aseho amin‟ny dingana telo mazava tsara : Fanatanterahana ketrika Menafify Ketrika no anarana iantsoana fivorian’ny Mpitarika ao amin’ny Sampana Menafify (Fokonolona – Fileovana). Ao amin’ity dingana ity no sehatra ifanakalozan-kevitra, ipoiran’ny hevitra iraisana ka ifanekena ho iaraha-manatanteraka. Ny Loholona […]

Ny toe-tsaina menafify

Tovolahy, Tily, 21 taona hatramin’ny 25 mifanabe ka antsoina hoe: « Mpitarika » no antsoina hoe Menafify. Misy lafiny roa mampiavaka ny « Mpitarika » : Manana « FANIRIANA » izy. Io Faniriana io no apetrany ho tanjona dia ny haha-mpitarika azy rahatrizay, Manana « TOETSAINA » mpitarika. Tokony hananan’ny Menafify rehetra ny faharesen-dahatra hoe « MPITARIKA AHO ». Sahy. Mahery fo. Maharitra […]

Ireo tsara ho fantatra momba ny Menafify Faritany (MEFAR)

Fivondronana maromaro manana Tily Menafify no mivondrona ao anaty Menafiy Faritany na MEFAR. Mivory indray isam-bolana farafaharatsiny ny MEFAR na arakaraka ny fandaminana ao anaty faritany mba hsian’ny fihaonana iraisana. Zava-kendren’ny Menafify Faritany (MEFAR) Famelomana ireo fivondronana manana Tily Menafify vitsy (1 na 2 na 3 fotsiny) Fifankazarana sy fifaneraserana eo amin’ny samy Menafify ao […]