Mpiandalana Sampana Mena no iantsoana ny sampana fahatelo izay hibeazana ireo tanora 17 taona hatramin’ny 19 taona. Sokajin-taona iainana ny fahatanorana io sokajin-taona io. Efa misongadina eo ihany koa ny fahamatorana, ary amin’izay indrindra no hanompanana ny fanabeazana ato amin’ity sampana ity ho amin’ny fahatsapana sy ny fandraisana andraikitra.

Ny Fanabeazana Sampana Mena

Miainga hatrany amin’ny fototra sy ny zava-kendren’ny Skotisma, izay voafaritra ihany koa amin’ny Fitsipika sy Fepetra mifehy ny Tily eto Madagasikara (Toko II, And.12, And.13), no fanabeazana atolotra ny Tily ao amin’ny Sampana Mena.

Fampiainana ary indrindra fampahatsiarovana azy ireo fa tokony ary tena hatao ireto adidy ireto :
– Adidy amin’Andriamanitra,
– Adidy amin’ny hafa,
– Adidy amin’ny tena.

Ny Fomba hampitana ny fanabeazana ao amin’ny Sampana Mena

Ny fanabeazana entina ao amin’ny Sampana Mena Tily eto Madagasikara dia mifototra amin’ny fanarahana sy fiainana ny soatoavina Skoto : ny Lalàna sy Fanekena.

Ireto no fomba entina hampiharana izany:

Ny Rafitra ao amin’ny Sampana Mena

Mpiandalana : no iantsoana ny zatovolahy beazina ao amin’ny Sampana Mena.

Fokonolona: Mpiandalana miisa 3 ka hatramin’ny 6 no miara-miaina sy mitambatra ho Fokonolona iray.

Loholona : no iantsoana ny Mpitarika ny Fokonolona iray.

Fileovana : Fokonolona 2 ka hatramin’ny 4 fara-fahabetsany no mivondrona ho Fileovana iray.

Zokiolona : no iantsoana ny Mpiandraikitra ao amin’ny Fileovana.

Taridalana fanofanana Loholona
9 février 2024

Fepetra ifidianana Loholona Mpiandalana 17 taona no ho miakatra no fidiana ho Loholona. Mpandray ny Fanasan’ny Tompo na mpanatona ary efa nahavita donak’afo. Efa mahafantatra ny zava-kendren’ny Tily Eto Madagasikara ny Loholona. Maharitra 2 taona ny asan’ny Loholona, nefa ny mpiray Fokonolona ihany no mandinika na tokony ho soloina izy na tsia. Raha tsy voafidy […]