Sokajy
Sampana Maitso Tily

Tari-dalana fanofanana loha-tsokajy

Talenta azo trandrahana :

« lreo fahalalana notadiavintsika dia mitoetra fa very kosa ireo izay tsy notadiavina »

Baden Powell

lzany tenin’i Bipi izany no entina hanamafisana hatrany amintsika fa manana anjara toerana lehibe eo amin’ny asa Fanabeazana ny famolavolana
tetiandrom-panofanana ho an’ireo olona manana andraikitra ato amin’ny skotisma; anisan’izany ireo Loham-bondrona tsirairay isan’Antoko.

Andeha homena lanja ny SOKAJY sy ny fanofanana ireo Mpitarika vondrona eto anivon’ny Tily Sampana Maitso. Mila ofanina hanana lenta mifanaraka amin’ny maha-mpitarika azy ireo Loha-tsokajy tsirairay
satria izy no hiantoka ny:

  • Fitarihana sy fanetsiketsehana ny Sokajiny;
  • Fampitàna ireo fahalalana sy fahaiza-manao Skoto iainana anaty fiainan-tsokajy na fiainan’antoko;
  • Fitsirihana miaraka amin’ny Mpiandraikitra ireo fivoaran-tenan’ny tsirairay tarafina amin’ny alalan’ny hetsika sy sahan’asa samihafa;
  • Fampiainana ireo mpiray vondrona aminy ny tarigetra sy ireo soatoavina skoto izay mampiavaka ny Sokajiny …

Hoy mantsy i BiPi mahakasika ireo loham-bondrona: « Tsarovy fa tsy maintsy mitarika ny hetsika ianareo fa tsy sanatria atosika avy any aoriana akory ».

Mba hahafahatsika Mpanabe mampitovy fomba fijery eo amin’ny famolavolana sy fanomanana fanofanana Loha-tsokajy dia nandrafitra ity tari-dàlana ity ny Ekipa Nasionaly Sampana Maitso ho fanamafisana ireo izay efa natao sy nalefa teo aloha.

A- Mialoha ny fiofanana loha-tsokajy

lreto karazam-panontaniana miisa enina no andeha hovaliantsika mialoha ny famolavolana ilay fanofanana Loha-tsokajy :

A.1 Nahoana (Pourquoi) ?

Nahoana isika no manofana Loham-bondrona?
Singa iray amin’ny fomba fanabeazana skoto ny fiainam-bondrona. Manana andraikitra lehibe ao anatin’izany ny loha-tsokajy. Mila miofana izy ireo noho izany satria misy Fahalalana sy fahaiza-manao ary fitondran-tena takian’ny andraikitra maha loha-tsokajy.

Ho antsika mpamolavola fanofanana izany dia mila faritantsika tsara hoe fahalalana mahakasika ny inona ? Fahaiza-manao toy ny ahoana ? Ary toetra tahaka ny ahoana ? no hanofanana ireo loham-bondrona sy
dilirina ao amin’izy ireo mba hahatanterahany ny andraikiny araka ny tokony ho izy.

A.2 Ahoana (Comment) ?

Toy ny ahoana ny endrika entina hanatanterahana ilay fiofanana? Omena lenta toy ny ahoana ilay fiofanana mba hifanaraka amin’ny filàn’ny mpiofana sy ny andraikiny? lreo rehetra ireo dia miankina tanteraka amin’ilay sehatra (Faritany na Antoko) hanatanterahana ny fanofanana.

Antoko: Fiofanana tarihin’ny Mpiandraikitra tanterahina aorian’ny fivoriana Asabotsy iray; izany hoe ao anaty FKA.

Faritany: Lasy fiofanana 2 na 3 andro eny anivon’ny natiora; sady fampiainana ny tarazo skoto sy ny fiainana an-dasy. Ahitana hira sy lalao, teknika skoto, fiainam-bondrona, takalo sy fifampizarana eo
amin’ny samy mpiofana na mpanofana.

A.3 lnona (Quoi)?

lnona avy ireo lohahevitra entina hanofanana ka hampitombo indray ny fahalalan’ireo loham-bondrona ?
lnona avy ireo paika sy tetika manamafy ny fahaiza-manaony? lnona avy ireo fahalalana skoto manefy ny fitondrantena sy mitarika azy ho amin’ny fiovam-pihetsika miabo?

Ohatra:

  • Tantaran’ny skotisma (ny niandohan’ny sokajy voalohany)
  • Ny andraikitry ny loha-tsokajy
  • Etika maha loha-tsokajy
  • Ny Maha-Sampana Maitso (Rafitra; Fomba sy tarazo … )
  • Fifandraisana : Lohan-tsokajy mifandray amin’ny hafa
  • Fitantanana sy Fitarihana Sokajy
  • Fitaovam-panabeazana : « Antsaha »
  • ODD (Tanjon’ny fandrosoana lovainjafy)
  • Zon’ny ankizy
  • Talenta iraisam-pirenena (Plastic Tide Turner, Scout go Solar, Panda Badge)
  • Sns
A.4 lza (Qui)?

lza avy ireo mpandray anjara?
Faritana tsara dieny ety am-piandohana hoe iza avy ireo mpandray anjara ? lza no manao inona ety am-panomanana; mandritra sy aorian’ny fiofanana? lzany hoe misy fizaran’andraikitra atao sy fampahafantarana mazava ny asa miandry ny tsirairay.

Mpiofana: LS sy SLS (inona no andrasana amin’izy ireo ?)

Mpitarika : Mpiandraikitra sy Filoha (Fifandrimbonan’ireo Mpiandraikitra Antoko izay eo ambany fanaraha-mason’ny Filoha).

A.5 Rahoviana (Quand) ?

Atao anatin’ny volana Novambra sy/na Desambra.
Raha toa ka fampivondronana ireo LS sy SLS dia ny faritany na ny faritra no mikarakara ny lasy na koa tanterahina isam-pivondronana ho an’ireo tsy afaka manao izany, fa kosa maka fahazoan-dalana na torolalana avy amin’ny filoha tompon’andraikitra ahafahana manatanteraka ny lasy.

A.6 Aiza (Où)

Malalaka ny safidy amin’ny toerana rehefa mampifantoka ny rehetra sy hahafahana manatanteraka tsara ireo fandaharam-panofanana sy ny fepetra takian’izany.

B- Mandritra ny fiofanana loha-tsokajy

Ny fizaran’andraikitra efa vita mialoha no mamaritra ny asa ho tanterahin’ny mpandray anjara tsirairay.
Rehefa voarafitra tsara sy nandalo fankatoavana isan’ambaratongany ny fandaharam-panofanana dia anjaran’ny mpiandraikitra no:

Mampita mivantana ny ofana amin’ny lohan-tsokajy rehefa nahazo ny toromarika avy amin’ireo filoha sy mpanofana.

Mitady fomba hampifanarahana ny fiofanana amin’ny fari-pahalalana sy fari-pahaizan’ny beazina.
Tsara raha ny 75%n’ny ofana dia ampitaina amin’ny alalan’ny lalao ary ny 25% kosa no ampitaina

D- Aorian’ny fiofanana loha-tsokajy

Fitaovana iray entina manao jery todika sy handrefesana ny vita sy ny tsy vita ny Tomban’ezaka ka tsy azo atao antsirambina ny fanatanterahana azy.

Toy izany ihany koa ny Tatitra, mariky ny fahamatoran’ny tompon’andraikitra nitarika ilay hetsika ny fanaovana tatitry ny zava-bita
amin’ireo sehatra isan-ambaratongany avy (Faritany, Foibe). Koa entanina ise hiomana amin’ny fandavorariana ireo asa miandry ireo aorian’ny fahavitan’ny fiofanana.

D. 1- Tomban’ezaka

Mizara roa mazava tsara ny tomban’ezaka atao

Tomban’ezaky ny lasy: fiainana an-dasy, fitantanana, toerana …

Tomban’ezaky ny fiofanana: fahitan’ny tsirairay ny ofana (Fizotrany, lohahevitra, mpanofana … )

D.2- Tatitra

15 andro aorian’ny fahavitan’ilay fanofanana LS dia sitraka sy telina raha mandefa tatitra any amin’ireo tompon’andraikitry ny Sampana Maitso isan’ambaratongany (Faritany; Foibe alefa mailaka amin’ny « fanabeazana @scout.mg ») ireo ekipa nitarika ny lasy fanofanana.

Tatitra ara-moraly milaza amin’ny ankapobeny ny zavatra nisongadina, ireo lesoka mila hatsaraina, ny fizotran’ny fiofanana.

Tatitra arak’isa manome ny antontanisan’ireo mpandray anjara rehetra. Tatitra ara- pitantanana (vola, fitaovana … )
Mirary an’ise isam-paritany ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra ka hahavita soa ny Fanofanana Loha-tsokajy ho voninahitr’ilay Andriamanitra Tompon’ny fiantsoana.