Tanjona 2 : Manafoana ny hanoanana, miantoka ny fanjariantsakafo, manatsara ny fanjariantsakafo, mampiroborobo ny fambolena lovainjafy.

2.1 Mandrapahatongan’ny 2030, foanana ny hanoanana ary atao izay hahatonga ny tsirairay hanana sakafo ampy, arapahasalamana ary mahavoky mandritry ny taona, indrindra ny mahantra sy ny olona marefo, tafiditra anatin’izany ny zazamenavava,

2.2 Mandrapahatongan’ny 2030, manatsahatra ny endrika rehetra isehoan’ny tsifanjariantsakafo. Ao anatin’izany ny fanantanterahana ny tanjona napetraka eo amin’ny sehatra iraisampirenena mikasika ny fahataran’ny fitombon’ny zaza

2.3 Mandrapahatongan’ny 2030, mampitombo avo roa heny ny voka-pambolena sy ny fidiram-bolan’ireo tantsaha madinika, indrindra ireo vehivavy, ireo tompontany, ireo fianakaviana tantsaha, ny mpiompy, ny mpanjono. Jerena amin’izany ny hahafahan’izy ireo misitraka mitovy ny fahazoan-tany , ny fampitaovana enti-mamokatra, ny fahalalana, ny tolotra arabola, ny tsena, ny fahafahana manampy sanda ny asany sy ny vokany ankoatra ny asam-pambolena.

2.4 Mandrapahatongan’ny 2030, manome antoka ny faharetan’ny rafitra mamokatra sakafo sy mampihatra ireo fombampambolena mahatanty voina ka hahafahana mampitombo ny famokarana sy ny vokatra, manome tosika ny fiarovana ny rohivoahary, manamafy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro sy ny trangana toetry ny andro mahery vaika: ny haitany, ny tondradrano sy ireo karazana loza hafa, ary manatsara tsikelikely ny hatsaran’ny tany sy ny nofontany.

2.5 Mandrapahatongan’ny 2020, miaro ireo karazana doria voajanahary misy, ny voly, ny biby fiompy sy ireo karazany dia. Ao anatin’izany ny fametrahana ny tahirin-doria sy zavamaniry tsara tantana sy isan-karazany isaky ny firenena, isamparitra ary iraisam-pirenena. Mampiriborobo ny fahazoana tombotsoa avy amin’ny fampiasana ireo loharanonkarena nanahary sy ny fahalalana nenti-paharazana mifandraika aminy ary ny fizarana araka ny rariny sy ny tokony ho izy izany tombotsoa izany araka ny fanapahan-kevitra noraisina teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

2.a Mampitombo ny renivola hanamboarana ny fotodrafitrasa ambanivohitra, ho an’ny asa fikarohana, ho fanaparitahana teknikam-pambolena sy fiompiana, sy ho fametrahana matipaika ny teknolojia sy ny tahirina fototarazon- javamaniry sy biby fiompy, hanamafisana ny fahafahan’ireo firenena an-dalam-pandrosoana mamokatra, indrindra ireo firenena tsy dia mandroso, indrindra amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fiarahamiasa iraisam-pirenena.

2.b Manitsy sy misoroka ireo tery sy handra ara-barotra eo amin’ny tsenam-pambolena sy fiompiana manerantany. Tafiditra anatin’izany ny fanalana ireo endrika rehetra isehoan’ireo tohana manokana amin’ny fanondranana vokatra arapambolena sy fiompiana sy ireo fepetra rehetra mitovy vokatra amin’izany amin’ny fanondrananentana, araka ny « Cycle de développement de Doha »

2.c Mandray sy mampihatra fepetra mampiodina araka ny tokony ho izy ny tsenam-bokatra ara-tsakafo sy ny tsenambokatra sampana, ary manamora ny hahazoana haingana vaovao mikasika ny tsena, ny tahirintsakafo mba hahafahana mametra ny fiovan’ny vidin’entana

Hitrandraka misimisy kokoa :

Tantaran’ny totemisation ho an’ny Tily
18 septembre 1965

Ny totémisation dia fomba fanomezana anarana ho an’olona iray ao amin’ny fiaraha-monina iray. Mampiaina io lalao io entina hanabeazana ny Tily araka ny fototra ara-tSoratra Masina amin’ny fanomezana anarana sy ny tantaran’ny lalao fanomezana totem teo amin’ny skotisma. Omena solon’anarana (totem) ny Tily iray raha heverina fa hampivoatra azy amin’ny fiainany manokana sy amin’ny skotisma […]