Mbola tsy mahazo rano fisotro madio ny antsasamanilan’ny mponina ary mbola olona roa amin’ny dimy no mangery ankalamanjana eto Madagasikara. Mety hanavotra ain’olona an-tapitrisany isan-taona ny asa firotsahana ataon’ise manampy ahazoana rano fisotro madio sy fidiovana (lava-piringa, fanasana tanana, …). Satria mandray anjara miaro amin’ny aretim-pivalanana sy fiparitahan’ny otrikaretina maro izany.

Tanjona 6 : Miantoka ny fahazoan’ny rehetra rano, fanadiovana sy miantoka ny fitantanana maharitra ny loharanonkarena mikasika ny rano.

Zava-kendrena :

6.1 Mandrapahatongan’ny 2030, miantoka ny fahazoan’ny rehetra tsy ankanavaka rano fisotro madio taka-bidy.

6.2 Mandrapahatongan’ny 2030, miantoka ny fahazoan’ny rehetra amin’ny fomba tsy mitanila asa fanadiovana sy fidiovana mifanaraka amin’ny tokony ho izy, manafoana ny fangerena ankalamanjana ary mijery manokana ny filan’ny vehivavy sy ny ankizivavy ary ny olona marefo mifanaraka amin’izany.

6.3 Mandrapahatongan’ny 2030, manatsara ny kalitaon’ny rano amin’ny alalan’ny fampihenana ny loto, ny fanafoanana ny fandevenana ny fako, ny fampihenana ho kely indrindra ny fanelezana vokatra simika sy singa mampididoza, ny fampihenana amin’ny antsasany ny ampahan-drano maloto tsy voadio, ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fampiakarana bebe kokoa ny famadihana ny fako sy ny fampiasana azy indray tsy misy poizina ho an’ny rano.

6.4 Mandrapahatongan’ny 2030, ampitomboina bebe kokoa ny fampiasana voalanjalanja ny loharanonkarena mikasika ny rano amin’ny sehatra rehetra ary ny fampaharetan’ny fisintonana sy ny famatsiana ranomamy mba hisorohana ny fahalanian’ny rano sy hampihenana ny isan’ny olona mijaly vokatry ny tsy fisian-drano.

6.5 Mandrapahatongan’ny 2030, manatanteraka ny fitantanana ny loharanonkarena momba ny rano iarahan’ny rehetra miombonantoka, amin’ny sehatra rehetra, ao anatin’izany ny fiarahamiasa amin’ny sisintany araka izay mahamety azy.

6.6 Mandrapahatongan’ny 2030, miaro sy mamerina amin’ny laoniny ny rohivoahary mifandraika amin’ny rano, anisan’izany ny tendrombohitra, ny ala, ny faritra mando, ny renirano, ny toerana manangon-drano sy ny farihy.

6.a Mandrapahatongan’ny 2030, mametraka fiarahamiasa iraisam-pirenena sy fanohanana amin’ny fanamafisana fahaizamanaon’ny firenena an-dalam-pandrosoana mikasika ny sahanasa sy fandaharanasa mifandraika amin’ny rano, ny fanadiovana, ao anatin’izany ny fanangonan-drano, ny fanalana ny sira amin’ny rano, ny fampiasana voalanjalanja ny rano, ny fikarakarana ny rano maloto, ny fanodinana fako sy ireo paika hampiasaina azy indray.

6.b Manohana sy manamafy ny fandraisananjaran’ny mponina ifotony amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny rano sy ny
fanadiovana.

Hitrandraka misimisy kokoa :