Sokajy
Sampana Menafify

Talenta Menafify

Ato amin’ny Menafify dia omena lanja avokoa na ny talenta voajanahary (izay fahaiza-manao ananana tsy mila nianarana), na ny talenta novolena (izay vokatry ny fianarana na ny fampiharana fandaharam-panabeazana).
Amin’ny ankapobeny dia mandritra ny fanatanterahana tetikasa no anaporofoan’ny Menafify ny fananany Talenta iray amin’ny alalan’ny andraikitra raisiny sy ny fanehoany ny anjara asa manavanana azy. Koa satria manomana ny tanora ho amin’ny asa fivelomana ny Menafify dia ny filàn’ny tontolon’ny asa andavanandro no iantsoana ny Talenta ao aminy (ohatra: Rafitra, Fanentanana, Fakana sary, sns.).

Fitiliana talenta

Vokatry ny hetsika sy ny tetikasa iainan’ilay Mpitarika dia tokony hohita miavaka anatin’izany ny talenta hananany
Eo koa ny Fisin’ny Mpitarika ao anaty boky firaketana izay entin’nyzokiolona manara-maso ny fivoaran’ilay mpitarika
Ireo singa roa (2) ireo no ilaina hitiliana sy hanomezana talenta ilay Mpitarika

Tena zava-dehibe ny fananan’ny Zokiolona fisin’ny Mpitarika hatrany amin’ny sampana mavo izay manampy bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara ilay mpitarika.

Fandrafetana boky

Rehefa voatilin’ilay Zokiolona ny Talentan’ilay Mpitarika dia ampiany izy amin’ny fandrafetana boky ahafahana manombana ny fifehezan’ilay mpitarika ara-teorika sy ara-teknika ilay talentany;
Ireto avy no tokony ho hita anatin’ny boky : famaritana ilay talenta sy tetikasa, ny tantarany sy ireo fiantraikany eo amin’ny fiarahamonina.

Tsy mifanalavitra amin’ny firafitry ny boky tetikasa ny boky fanolorana talenta; Tsy voatery hitovy daholo anefa izany noho ny tsy fitovian’ny sehatra sy ny toerana misy ilay Mpitarika fa anjaran’ny filoha sy zokiolona no mijery ny firafitra mifanaraka amin’ny zava-misy.

Fanolorana ampahibemaso

Rehefa vonona ilay boky dia atolotry ny Zokiolona amin’ny Filoha eo anivon’ny faritany ahafahany manombana sy mikarakara ny fanolorana ampahibemaso miaraka amin’ny
olona mahafehy na ivon-toeram-piofanana ilay talenta sy fahaiza-manaon’ilay Mpitarika
Tombanana amin’izany ny fifehezana ara teknika sy teorika ary nykalitaon’ilay vokatra ananan’ilay mpitarika.

Ny antsoina hoe Olona mahafehy dia olona nianatra sy/na manam-pahaizana sy traik’efa manokana momba ilay sehatra ary voamarina ara-piarahamonina izany;
Miankina amin’ilay talenta ny vokatra resahana eto

Fanolorana ny talenta

Rehefa neken’ny filoha sy ireo olona mahafehy tsara ilay talenta ny fanolorana ampahibemaso dia afaka miroso amin’ny fanolorana talenta ny Ekipa Foibe Menafify na ireo olona omeny alalana amin’izany;
Lanonana amin’ny fomba skoto no hanolorana ny talenta ary miendrika “certificat” izany talenta izany.

Ny certificat izay atolotra dia manamarika favoafehin’ilay mpitarika ilay talenta ary afaka entinyeny anivon’ny sehatry ny asa sy ny fiarahamonina hivelarany sy hamelomany tena avy amin’ny alalan’izany fahaiza-manaony izany.

Firahalahiana

Faranana amin’ny firahalahiana ny fanolorana talenta ahafahan’ilay mpitarika mizara ny hafaliany amin’ny rehetra.