I Madagasikara no firenena hahazo fahasahiranana indrindra vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana, raha ny tatitra navoakan’ny WWF. Noho ny ala no ahazoantsika rivotra sy rano madio, ankoatra ireo harena maro azo avy aminy.

Maro no azon’ise handraisana anjara mba hiarovana ireo harena an’ala maro ananantsika, ny fambolen-kazo sy ny fikolokoloana ny ala ary ny fiarovana ireo biby tsy manan-tsahala fahita eto Madagasikara.

Tanjona 15 : Mipetraka ny fiarovana sy ny paika fitrandrahana maharitra ny ala, ny ady amin’ny haitany, ny fitantanana ny tany, ny ady amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana ary foanana izay manimba ny tontolo iainana.

Zava-kendrena :

15.1 Mandrapahatongan’ny 2020, miantoka ny fiarovana, ny famerenana amin’ny laoniny, ny fitrandrahana maharitra ny rohivoahary an-tanety sy ny rohivoahary an-dranomamy sy ireo izay mikasika izany, jerena manokana ny ala, ny faritra mando, ny tendrombohitra, ny faritra karakaina, araka ny adidy avy amin’ireo fifanarahana iraisam-pirenena.

15.2 Mandrapahatongan’ny 2020, mampiroborobo ny fitantanana maharitra ireo karazana ala rehetra, manafoana ny fandrimpahana ny ala, ny famerenana ny ala simba, mamboly hazo betsaka kokoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

15.3 Mandrapahatongan’ny 2020, miady amin’ny tany ngazana, mamerina ny tany sy ny nofontany simba, indrindra fa ireo tany karakaina, maina, tondraka, ary miezaka mba tsy hisy intsony ny fahasimban’ny nofontany manerana izao tontolo izao.

15.4 Mandrapahatongan’ny 2020, miantoka ny fiarovana ny rohivoahary an-tendrombohitra, indrindra ny harenjavaboahariny, mba hahazoana tombony ilaina amin’ny fandrosoana lovainjafy.

15.5 Maka fepetra hentitra haingana hampihenana ny fahasimban’ny tontolo voajanahary , manafoana ny fihenan’ny harenjavaboahary; ary mandrapahatongan’ny 2020, miaro ireo karazam-bivy sy zavamaniry atahorana mba tsy ho lany tamingana.

15.6 Manome vahana ny fizarana marina sy tsy mitanila ny tombotsoa azo avy amin’ny fampiasana ny loharanonkarena nanahary sy mampiroborobo ny fahazoana misitraka izany araka ny tokony ho izy, araka ny tapaka teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

15.7 Mandray haingana fepetra hampiatoana ny fihazana tsy ara-dalana sy ny fanodikodinana biby sy zavamaniry arovana. Miady amin’ny fototry ny olana eo amin’ny tolotra sy ny tinady.

15.8 Mandrapahatongan’ny 2020, maka fepetra tsy hamelana ny fampidirana karazana biby sy zavamaniry mameno toerana, manalefaka ny vokany eo amin’ny rohivoahary an-tanety sy an-drano, manaramaso sy mamongotra ireo karazany mila jerena akaiky.

15.9 Mandrapahatongan’ny 2020, mampiditra ny fiarovana ny rohivoahary sy ny harenjavaboahary anatin’ny tetipivoaran’ny firenena, anatin’ny rafi-pampandrosoana, anatin’ ny paikady fampihenana ny fahantrana sy ny kaontimbola.

15.a Mitady loharanombola samy hafa, mampitombo betsaka ny fiarovana ny harenjavaboahary sy ny rohivoahary sy ny fitrandrahana izany maharitra.

15.b Mitady entimanana avy amin’ny loharano rehetra, sy ny ambaratonga rehetra hamatsiambola ny fitantanana maharitra ny ala sy hampirisihana ny firenena an-dalam-pandrosoana hanome lanja io karazam-pitantanana io ho fiarovana ny ala sy ho fambolenkazo.

15.c Mitondra fanampiana betsaka ho an’ny ady amin’ny fihazana tsy ara-dalana sy fanodikodinana an-tsokosoko zavaboahary arovana amin’ny alalan’ny fampitaovana miantoka velontena lovainjafy ho an’ny mponina eny ifotony.

Hitrandraka isimisy kokoa :

Tondrozotra fananganana Tranombitsika rezionaly
5 mai 2022

Mizara roa tanteraka ny paikady sy tetika hananganana Tranombitsika rezionaly. Ny voalohany dia manaraka ny fepetra voalazan’ny fifanarahana teny Antsahamarofoza (TEM/MEDD) tamin’ny 30 jolay 2021. Ny faharoa dia dingana fohifohy kokoa tsy miankina amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa. Avy hatrany dia jerena eny am-potony ny tany. Iarahana amin’ny Kaomina sy ny sampandraharahan’ny Domaine na Service topographique any amin’ny […]