Sokajy
Sampana Mena (Mpiandalana)

Taridalana fanofanana Loholona

Talenta azo trandrahana :

Fepetra ifidianana Loholona

  • Mpiandalana 17 taona no ho miakatra no fidiana ho Loholona.
  • Mpandray ny Fanasan’ny Tompo na mpanatona ary efa nahavita donak’afo. Efa mahafantatra ny zava-kendren’ny Tily Eto Madagasikara ny Loholona.
  • Maharitra 2 taona ny asan’ny Loholona, nefa ny mpiray Fokonolona ihany no mandinika na tokony ho soloina izy na tsia.
  • Raha tsy voafidy intsony ny Loholona dia miverina mandray ny toeran’ny Mpiandalana tsotra.

Tanjon’ny fanofanana Loholona

Fanatsarana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo @ Zokiolona sy ny Loholona
Fampandraisana anjara mivantana ny Loholona amin’ny fitantanana ny Fokonolona sy ny fandrindrana ny fandaharana napetraka
Fanomezana fahalalàna bebe kokoa ny Loholona mba :

  • hametrahan’ny Fokonolona tarihany fanajana sy fankatoavana azy bebe kokoa,
  • tsy ho mpampihika Fokonolona fotsiny izy,
  • hahafahany mampiaina ny Fokonolona tarihany araky ny tokony ho izy.

Andraikitry ny Loholona

  • Mpanetsiketsika sy mpitarika ny Fokonolona. 
  • Mpanetsiketsika sy mpitarika ny Fokonolona amin’ny fivoriana sy ny fanatanterahana asa.
  • Mpandrindra ny fanatanterahan’asa ataon’ny Fokonolona, ary tompon’andraikitra eo anatrehan’ny Zokiolona sy mampandroso ny Fokonolona.
  • Mpitondra feo sy tatitra mankany amin’ny fivorian’ny Loholona sy ny Zokiolona.
  • Mpitarika ny Tokolavan’ny Fokonolona. Ny Tokolava dia dinidinika na fivoriana hifanaovan’ny mpiray Fokonolona. Ka ny hevitra tapaka eo no atao hoe lanieram-pokonolona.
  • Araka izany andraikiny izany dia mitondra ribà mena 2 (andaniny sy ankilany amin’ny marika ravinala) mitsangana eo amin’ny paosiny havanana ny Loholona mba hamantarana azy.

Taranja tokony anofanana ny loholona

Mba ho mpanetsiketsika :

  • Fiainam-bondrona
  • Fanentanana
  • Fizahan-tany
  • Tontolon’ny lalana
  • Ny maha-mpiandalana
  • Fomba sy tarazo
  • Lalàna sy fanekena
  • Ambaratonga sy talenta sampana mena
  • Tetikasa
  • Teknika skoto

Mba ho Mpitarika

  • Haitarika
  • Antso maha-mpitarika
  • Rafi-piangonana sy synodam-piangonana misy azy
  • Rafitry ny Tily eto Madagasikara
  • Rafitra Sampana Mena

Mba ho Mpandrindra

  • Rafi-pitantanana ara-panjakana
  • Fomba amam-panao eo amin’ny fiaraha-monina misy azy
  • Psykolojia 17-20 taona
  • Fahaiza-mamorona
  • Fakàna filàn’ny mpiandalana

Mba ho Mpitondra feo

  • Fifandraisana
  • Teknolojia fifandraisana
  • Ohabolana sy hain-teny
  • Soratra Masina