Manan-jo hahazo fanabeazana tsara avokoa ny rehetra, satria zava-dehibe indrindra hiatrehana ny ho avy rahatrizay ny fahazoana fanabeazana tsara kalitao, na any an-tsekoly na ivelan’ny sekoly, isan’izany ny skotisma.

Tanjona 4 : Miantoka ny fahazoan’ny rehetra fanabeazana tsara kalitao, amin’ny fomba sahala sy mampiroborobo ny fahafahana mianatra mandritry ny fiainana.

Zava-kendrena :

4.1 Mandrapahatongan’ny 2030, manaraka ny zotram-pibeazana feno sy maimaim-poana ary tsara kalitao amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa ny ankizilahy sy ankizivavy, atao izay hisitrahany izy ireo an’ izany amin’ny fomba sahala hahatonga azy handrato fahalalalana sy fahaizana tena ilaina .

4.2 Mandrapahatongan’ny 2030, atao izay hisitrahan’ny ankizivavy sy ny ankizilahy sahanasa famohazan-tsaina, sy fandraisana an-tanana ny vanimpotoanan’ny fahazazana ary indrindra fanomezana azy fanabeazana tsara kalitao mialoha mba hahafahany miatrika ny fianarana any amin’ny ambaratonga fototra.

4.3 Mandrapahatongan’ny 2030, atao izay hisitrahan’ny vehivavy sy ny lehilahy amin’ny fomba sahala, fampianarana teknika, arak’asa, izay tsara kalitao sy taka-bidy , tafiditra amin’izany ny fandratoam-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo/oniversite.

4.4 Mandrapahatongan’ny 2030, ampitomboina marobe ny isan’ny tanora sy olondehibe manana fahaizana, indrindra fahaizana ara-teknika sy arak’asa, ilaina amin’ny tsenan’ny asa sy amin’ny fahazoana asa mendrika ary amin’ny fandraharahana.

4.5 Mandrapahatongan’ny 2030, manafoana ireo tsy fitoviana eo amin’ny vehivavy sy ny lehilahy amin’ny sehatry ny fanabeazana ary miantoka ny fahazoan’ny olona marefo, indrindra ny olona manana fahasembanana, ny teratany, ny ankizy anaty fahasahiranana misitraka ireo ambaratongam-pampianarana sy fampiofanana arak’asa.

4.6 Mandrapahatongan’ny 2030, atao izay hahaizan’ny tanora rehetra sy olondehibe maro, lahy sy vavy, mahay mamaky teny sy manoratra ary mikajy.

4.7 Mandrapahatongan’ny 2030, atao izay hananan’ny mpianatra rehetra fahalalana sy fahaizana ilaina hampiroboroboana ny fandrosoana lovainjafy: indrindra ny fanabeazana manome lanja ny fandrosoana sy fomba fiaina lovainjafy, ny zon’ny olombelona, ny fitovian’ny vavy sy ny lahy, ny fampiroboroboana ny kolontsain’ny fandriampahalemana sy ny fanalavirana ny herisetra, ny maha olon’izao tontolo izao, ny fahitana ny lafin’ny tsara amin’ny fahasamihafana ara-kolontsaina, ary ny anjarabiriky ny kolontsaina amin’ny fandrosoana lovainjafy.

4.a Manorina toeram-pianarana mifanaraka amin’ny ankizy, ny olona manana fahasembanana, mety amin’ny lahy sy ny vavy na atao izay hanajariana ireo toeram-pianarana misy ho tahaka izany, manome seha-pampianarana mahefa sy azo antoka, lavitry ny herisetra ary ho an’ny rehetra.

4.b Mandrapahatongan’ny 2020, manerantany, ampitomboina betsaka ny isan’ny vatsimpianarana omena ny firenena andalam-pandrosoana, indrindra ireo firenena tsy dia mandroso sy ireo fanjakana nosy an-dalam-pandrosoana, ireo firenena aty Afrika, hanohanana ara-bola ny fanarahana ny fianarana ambony, tafiditra anatin’izany ny fiofanana informatika, teknika, siantifika, ny fandalinam-pahaizana ho injeniera any amin’ny firenena mandroso sy ireo firenena hafa an-dalam-pandrosoana

4.c Mandrapahatongan’ny 2020, atao izay hahamaro an’isa ny mpampianatra matihanina, amin’ny alalan’ny fiarahamiasa
iraisam-pirenena mikasika ny fanofanana mpampianatra amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, indrindra ho an’ny
firenena tsy dia mandroso, sy ny firenena nosy kely an-dalam-pandrosoana.

Hitrandraka misimisy kokoa :

Vontadin’ny Mpitarika
2 mars 2021

Teny roa natambatra ny « VONTADY » dia VONA (fatotra) sy TADY (karazana kofehy vita avy amin‟ny taretra, natao randran-telo, antsoina koa hoe TADY MAHAZAKA). Ny atao hoe « VONTADY » dia « DINA » natao hifampifehezan’ny FOKONOLONA mpiara-belona sy mpiray Faritra mitovy fomba amam-panao ka « VONTADIM-POKONOLONA » no niantsoana azy tamin’izany. N ny […]

Fandaharam-panabeazana menafify
1 octobre 2020

« Tena ilaina sady azo itokisana ary maharaka ny fivoaran’ny teknolojia misy ny Menafify ». Manaraka ny Politika Nasionaly fanabeazana Tily eto Madagasikara ny Fandaharam-panabeazana Menafify. Fandaharana atolotra Tontolo iainana andavan’andro mihitsy no atrehan’ny Menafify ka ahitana Fihariana sy fitadiavana, Fiainam-piaraha-monina samihafa ary tontolo ivelaran’ny fanatontoloana. Noho izany, ny fandaharam-panabeazana atolotra dia : Manomana ny […]

Politika nasionaly ODK
11 septembre 2020

Ity no politika mitarika ny fomba fitantanana olon-dehibe ato amin’ny Tily eto Madagasikara mandritra ny fe-potoana. Mirakitra ireo tondrozotra ahafahan’ny Tily eto Madagasikara hametraka fitantanana mahomby ireo olon-dehibe miasa an-tsitrapo. Mba ho tohana azo antoka izy ireo ahazoana manome toky ireo Beazina, Ray aman-dreny, ny Fiangonana ary ny Fiaraha-monina; Ary koa hisian’ny arofenitra mba ho […]

Toe-tsain’ny mpiandraikitra Tily : mibe tena aloha
22 août 2020

Mpiandraikitra mibe , manabe Nalaina tao amin’ny boky “Guide du Chef Eclaireur”, boky nosoratan’i BiPi ho an’ny mpiandraikitra skoto ity, ary zarain’i Filoha DO Santatra, Filoha Nasionaly Departemanta Fanabeazana Mibe tena aloha ny mpiandraikitra skoto vao afaka manabe. Nalainy tao anatin’ny Lalàna Folon’ny Tily ny hoe “tokan-teny ny Tily”, “mahatoky ny Tily” “madio tena, fihetsika […]

Talenta 10 afaka trandrahina ao an-trano
4 juillet 2020

Mandalo vaninandro miavaka izao tontolo izao ka niteraka fiovana goavana maro teo amin’ny fomba fiainantsika toy ny fihibohana nandritra ny fotoana maharitra, ny fitafiana arotava lasa fitafy andavanandro, ny tsy fahafahana mivory sy mifampitakosona. Isan’ny tena iharan’izany indrindra ny skotisma, izay tena miaina ny fiainana ankalamanjana sy ny fiainam-bondrona. Tsy sakana amin’ny fivelaran-tenan’ny tsirairay nefa […]

Hira Fanekena lovitao
23 avril 2020

Manaiky aho, tsy anio ihanyFa hiezaka hatranyHitia Anao ry RayAndriamanitro hatrizay Manaiky aho, tokoa tokoaFa hiasa an-kerim-poHo an’ny tany mamikoMadagasikara taniko Isan’andro aho hazotoHanampy olona hilofoKa ho toaviko ao am-poIreo lalàna an-kiroa

Ireo tsara ho fantatra momba ny Menafify Faritany (MEFAR)
1 octobre 2018

Fivondronana maromaro manana Tily Menafify no mivondrona ao anaty Menafiy Faritany na MEFAR. Mivory indray isam-bolana farafaharatsiny ny MEFAR na arakaraka ny fandaminana ao anaty faritany mba hsian’ny fihaonana iraisana. Zava-kendren’ny Menafify Faritany (MEFAR) Famelomana ireo fivondronana manana Tily Menafify vitsy (1 na 2 na 3 fotsiny) Fifankazarana sy fifaneraserana eo amin’ny samy Menafify ao […]

Fanekena Tily
5 avril 1955

Lahatsoratra fanazavana ny hevitry ny Fanekena Tily, araka izay voasoratra ao anatin'ny Antsaha, 1955 (Isan'ny Torolalana Fanabeazana Tily voalohany taorian'ny fanagasiana) Ireto telo ireto no eken’ise raha miditra ho Tily ise: Hanompo an’Andriamanitra Io no voalohany indrindra: mihaino ny feon’Andria- manitra, matoky Azy, manoa Azy. Io no mampiray an’ise amin’ny Fiangonana. Tsy any ivelan’ny Fiangonana […]