Sokajy
Fanabeazana

Politika Nasionaly Fanabeazana Tily

Iaraha-mahalala ny zava-misy amin’izao fotoana izao, indrindra eo amin’ny lafiny Fanabeazana, fa tena mila manao ezaka isika zoky, Ray aman-dReny, olon-dehibe amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny Fiaraha-monina misy antsika, ny amin’ny hanohanana ireo tanora eo amin’ny lafiny Fanabeazana. Iraka napetraky ny Tompo amintsika rahateo izany.

Manana iraka manokana ny Departemanta Fanabeazana na ny DFB ny amin’ny fanampiana ireo mpiandraikitra manerana an’i Madagasikara, mba hananan’izy ireo « Fandaharana mamaly ny filàn’ny tanora, hahaliana azy ireo ka hahasintona sy hahatamana azy, Fandaharana tsy mahafinaritra fotsiny fa manabe, tsy mankaleo azy ireo fa mivoatra, ary mizotra mankany amin’ny vina skotisma maneran-tany hampitombo ny ambaindahin’ny fikambanana : « mampitombo isa »

Tsy hitombo isa fotsiny koa anefa, fa hitombo ara-kalitao eo amin’ny lafiny fanabeazana, ka hitondra fanovana miabo eo amin’ny fiaraha-monina misy azy, hamorona tontolo tsaratsara kokoa, ary ho tonga VOA amin’izay rehetra alehany sy tanterahany : ho Vavolombelon’i Jesoa Kristy, ho Olom-pirenena vanona, ho andrin’ny Fianakaviana. Ho tonga olom-pirenena tompon’andraikitra, mahaleo tena, olon’ny fiaraha-monina ary miroso amin’ny asa firotsahana.

Mba hahafahantsika miroso ho amin’izay tohana fananganana Fandaharana izay, dia atolotra antsika ao anatin’ity boky ity ny mombamomba ny Politika maneran-tany momba ny Fandaharam-panabeazan’ny tanora eto anivon’ny skotisma, ny Fanovana sy Fanatsarana ny Fandaharam-panabeazana ny tanora, ary ny Politika nasionaly momba ny Fandaharam-panabeazana ny tanora, miaraka amin’ny sori-dalam-panabeazana entintsika ho tanterahana eto Madagasikara.