Sokajy
Skotisma Iraisam-pirenena

Firafitry ny skotisma amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Raha miresaka ny Skotisma eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia ny Organisation Mondiale du Mouvement Scout (OMMS) no resahana amin’izany. Manana ny rafitra ijoroany izy. Ao ny Conférence Mondiale ivondronan’ireo firenena 171 mpikambana maneran-tany mivory isaky ny telo taona. Io no rafitra fara-tampony manapaka ny vina sy politika ankapobeny hirosoan’ny skotisma. Misy koa ny Comité Mondiale du Scoutisme, mpanara-maso izay tapaky ny Conférence Mondiale. Ny Bureau Mondial du Scoutisme (BMS) kosa no mpampihatra sy mpanara-maso ankapobeny eo ambany fandaminan’ny Sekretera Jeneraly.

Conférence Mondiale du scoutismeComité Mondiale du ScoutismeBureau Mondial du Scoutisme (BMS)
Manapa-kevitraManara-masoMampihatra
Ireo rafitra telo eo anivon’ny OMMS

Ny BMS dia miasa amin’ny faritra dimy (régions) maneran-tany iasan’ny OMMS (Asie-Pacifique, Europe, Arabie, Afrique ary Inter-America).

 Ao amin’ny Faritra Afrika no misy an’i Madagasikara. Mizara ho zones : Afrika Atsinanana, Andrefana, Atsimo ary Ranomasim-be Indiana io Faritra Afrika io, ary ao amin’ny Faritra Ranomasim-be Indiana no misy antsika malagasy.

Sary hanamora ny fitadidiana ireo rafitra isan’Ambaratonga misy ny Tily eto Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fiantso azy ireo.

Araka ny fomba fiasa hoe « Penser globalement, agir localement », ny politika ankapobeny no tapahan’ ny Conférence Mondiale, miaraka amin’ ny paikady ankapobeny fa anjaran’ny faritra sy ny firenena tsirairay kosa no manapa-kevitra amin’ny fomba fampiharana izany.

Afaka misitraka ny fanapahan-kevitra aroso sy omen’ny OMMS isika Malagasy rehefa mahaloa ny latsakemboka fandoa isan-taona. Ao anatin’izany ny fahafahana mandray fanapahan-kevitra ho an’ny OMMS, ary koa ny fahafahana mirotsaka ho fidiana sy handray anjara amin’ny rafitra misy, raha aty Afrika dia ny Conférence Régionale, Comité Africain, Comité Jeune ary ny Comité Zonal.

Eo amin’ny sehatra nasionaly dia misy ny OSN (Organisation Scoute Nationale) sy ny ASN (Association Scoute Nationale). Ny OSN, iray isaky ny firenena ihany, dia mampivondrona ireo fikambanana skoto ara-dalàna rehetra ao anatin’ny firenena iray ary ny ASN kosa dia fikambanana skoto iray ao anatin’ny firenena iray. 

Ho antsika eto Madagasikara dia ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara no OSN, ary ASN telo no fikambanana skoto ara-dalàna mivondrona ao : Tily eto Madagasikara, Antilin’i Madagasikara ary Kiadin’i Madagasikara.

Tsindrio eto hamantatra misimisy kokoa momba ny Tily eto Madagasikara

Farany, ho fampiharana ny Plan Triennal dia misy ny fandaharana Messenger of Peace manohana ara-pitaovana ireo asa rehetra ataon’ny fikambanana, miainga amin’ny ODD (Objectif du Développement Durable na Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy), sehatra ivelaran’ny OMMS hahatrarana ny vina « Hanorina Tontolo Tsara kokoa ».