Sokajy
Asa firotsahana

Mirotsaka mavitrika ho amin’ny fandrosoana lovainjafy ny Tily

Hiara-hiasa mandritra ny folo taona ny skoto Tily Eto Madagasikara sy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy.

Manohy ny asa firotsahany eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena hatrany ny fikambanana Tily Eto Madagasikara na dia mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika.
Ao anatin’izany asa firotsahana izany indrindra dia notanterahina anio 30 jolay 2021 teny amin’ny Tranombitsika Antsahamarofoza ny fanaovana sonia ny fifanarahana fiaraha-miasan’ny Fikambanana Tily Eto Madagasikara sy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy.

Miompana bebe kokoa amin’ny lafiny tontolo iainana ny fiaraha-miasa. Ny fikajiana ny Tontolo iainana izay tafiditra ao anatin’ny politika iraisam-pirenena skoto sy ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy (ODD), indrindra fa ny ODD 13 : « Maka fepetra haingana hiadiana amin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny vokany.» sy ny ODD 15 : « Mipetraka ny fiarovana sy ny paika fitrandrahana maharitra ny ala, ny ady amin’ny haitany, ny fitantanana ny tany, ny ady amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana ary foanana izay manimba ny tontolo iainana. », izay ifotoran’izy ireo.

Tohana ara-materialy amin’ny alalan’ny fanomezana toerana sy zana-kazo eny anivon’ny isam-paritany, sy ara-teknika amin’ny alalan’ny manofanana mikasika ny teknikam-pambolena no anjara andraikitry ny Ministera ao anatin’ny fifanarahana. Tetik’asa fambolen-kazo sy fametrahana « pépinière de reboisement » ary fanabeazana sy fanentanana ny fiaraha-monina ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-boahary kosa no an’ny fikambanana Tily Eto Madagasikara. Maharitra 10 taona be izao ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ary mahasahana an’ireo faritany 22 ara-panjakana misy ny fikambanana Tily Eto Madagasikara.

Azo everina fa hivaingana sy ho azo tsapain-tanana ny vokatr’ity fiaraha-miasa ity araka izany satria ireo mpikambana tsy an-kanavaka, eny ifotony manomboka amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny zokiny indrindra no hirotsaka an-tsehatra amin’ny fanatanterahana izany.

Ny voka-tsoa dia iarahan’ny vahoaka malagasy rehetra misitraka, izay tarigetran’ny fikambanana Tily Eto Madagasikara rahateo : Hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny namana !