Sokajy
Fanabeazana Skotisma Iraisam-pirenena

Mpitondra Hafatry ny Fandriampahalemana (Messagers de la paix)

Tsy ny tsy fisian’ny ady ihany no atao hoe fandriampahalemana, fa tafiditra ao manontolo ny firindra sy fifandanjana tsara eo amin’ny tsirairay, eo amin’ny fiaraha-monina ary eo amin’ny olombelona sy ny tontolo iainana.

Talenta azo trandrahana :

Manana adidy amin’ny fiaraha-monina misy azy ny Tily ary tsy nobeazina hitazam-potsiny fa handray andraikitra feno amin’ny fisiana fandriam-pahalemana eo amin’ny fiarahamonina misy azy.

Ny Fandaharana iraisampirenena Messagers de la Paix (adika teny malagasy hoe Mpitondra hafatry ny fandriampahalemana), na « MoP » dia lalana iray hamporisihana ny skoto hanohy ny asa fanompoana be be kokoa eo amin’ny fiaraha-monina sy hiara-hiasa amin’ny skoto hafa, manodidina azy sy/na manerana izao tontolo izao.

Ny skoto rehetra amperinasa na beazina na mpanabe (Filoha na mpiandraikitra) resy lahatra fa hampanjaka ny fandriampahalemana eo amin’ny fiarahamonina misy azy dia afaka miroso ho isan’ny Mpitondra Hafatry ny Fandriampahalemana ary afaka mitondra ny marika mifanaraka amin’izany (MoP). 

N.B : Tsy talenta ny Messagers de la paix fa seha-pibeazan-tena sy famporisihana hanao asa firotsahana.

Ny marika maha-Mpitondra Hafatry ny Fandriampahalemana

Insigne Messagers de la Paix

Endriny: “Fleur de lys” voadidina ilay voromailala fotsy mitondra ravin’oliva (Vakio Genesisy 8:11), sy ny soratra hoe “Messengers of Peace”. 

Iza no manao azy: Ny skoto rehetra, beazina na mpanabe, nahavita hatramin’ny farany ny dingana 04 mila lalovana ka voatolotra fa isan’ireo Mpitondra hafatry ny Fandriampahalemana.
Ny mpanabe rehetra dia efa afaka manolotra ny beaziny izay nahavita ireo dingana 04.
Ireo Ambassadeur MoP no afaka manolotra ny mpanabe izay nahavita ireo dingana 04.

Toerany: Misolo ny insigne Fleur-de-lys tsotra eo amin’ny paosy tratra ankavia, amin’ny fanamiana. Mipetaka amin’ny fanamiana amin’ny fotoana rehetra.

Fehitenda Messagers de la Paix (ho an’ny Ambassadeurs sy Mpanofana MoP )

Endriny: Fehitenda (foulard) miloko fotsy ny tokotaniny, misy ny mariky ny fandaharam-panabeazana iraisam-pirenena « Messenger of peace » eo amin’ny tendrony ao aoriana, ary misy sisiny maitso (ho an’ireo Ambassadeurs MoP) na manga (ho an’ireo mpanofana Messenger of Peace)

Iza no manao azy :

  • Fehitenda sisiny maitso : Ireo Ambassadeurs MoP, izany hoe ireo nahavita ny dingana 04 + voafantina sy nahavita ny fiofanana manokana antsoina hoe « Peace Camp« .
    Ekipa MoP na Coordinateur MoP no afaka manolotra Ambassadeur MoP.
  • Fehitenda sisiny manga : Ny Coordinateur MoP (01 isaky ny firenena) sy ireo Ekipa MoP, izany hoe ireo nahavita ny dingana 04 + niatrika sy efa nitarika « Peace Camp » na efa nitarika hetsika nasionaly MoP.
    Ny Foibe no manolotra ireo Ekipa MoP sy manendry ny Coordinateur MoP.

Anaovan’ireo voakasika ireo io fehitenda io rehefa mandray anjara na mitarika hetsika fitoriana fandriam-pahalemana sy/na asa firotsahana eny amin’ny fiarahamonina.

Jereo: scout.mg/symbole/fehitenda-tily 

Fepetra ahazoana ny marika (insigne) MoP

Ny louveteaux dia manana ilay talenta « Tia Fandriampahalemana »

Mijoro ho mpampihavana sy manao izay hampirindra ny fiainan’ny andiany ny lovitao misalotra ny talenta. Mbola zaza ny Tily dia efa beazina ho tompon’andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina.
Rehefa ao amin’ny lovitao dia ny talenta “Tia fandriampahalemana” ihany aloha no miasa.
Jereo : Talenta lovitao « Tia fandriampahalemana »

Mandalo dingana 04 ny skoto tsirairay mikasa hahazo ny marika (insigne)

  1. Mamantatra ny momba ny fandaharana Messengers of peace, ny sehatra tiany irotsahana, ny dingana mila ho arahiny
  2. Mitarika asa firotsahana : mety ho izy samirery, mety ho iarahany amin’ny sokajiny na ny fokonolona na ny antoko sy ny fileovana, na tanora hafa mihitsy. Ho an’ny mpanabe mety hiarahany amin’ny fivondronany na ny faritany, na vondron’olona hafa mihitsy.
  3. Mizara amin’ny hafa ny vokatry ny asa firotsahana natao, ireo traikefa sy lesona noraisina; ary ireo fanatsarana mety hanampy ny hafa hanao tsaratsara kokoa. Anisan’izany ny fizarana amin’ny alalan’ny sdgs.scout.org ho an’ireo manana fahafahana amin’izany.
  4. Manentana ny hafa hanatanteraka asa firotsahana ihany koa, sy hitrandraka ny maha-mpitondra hafatry ny fandriampahalemana

Fanamarihana : dingana iraisana ireo fa anjaran’ny mpiandraikitra ny sampana no mijery izay lenta sahaza sy mifandraika amin’ny sokajin-taona sy tontolo misy an’ilay beazina. Ny faritany koa dia amporisihina hamolavola sehatra sahaza ahafahana manao fanatanterahana ny asa firotsahana ho an’ireo mpanabe ao aminy.

Lohahevitra 05 afaka anaovana asa firotsahana

Afaka misafidy iray amin’ireto sehatra ireto ilay skoto hanatanterahana asa firotsahana rehefa mikasa hahazo ny marika maha-Mpitondra hafatry ny fandriampahalemana izy

Fampihavanana (Peacebuilding)

Ny asa firotsahana ao anatin’ity karazany ity dia izay asa firotsahana hahafahany : 

  • mamantatra sy misaina ireo mety ho hevi-draikitra sy fahadisoam-pijery mety hiteraka tsy rariny
  • mitrandraka sy mampihatra fomba fandravonana disadisa am-pilaminana
  • mamboly fifampitokisana sy firaisan-kina

Fahasamihafana sy fampiatiana (Diversité et inclusion)

Ny asa firotsahana ao anatin’ity karazany ity dia izay asa firotsahana hahafahany : 

  • hahay hiaina sy hanaiky ny faha-samihafana eo amin’ny olona tsirairay
  • hahalala sy hijoro ho an’ny fanajana ny zon’ny tsirairay na inona na inona fahasamihafany

Famonjena ny mpiara-belona (Action humanitaire)

Ny asa firotsaha ao anatin’ity karazany ity dia izay asa firotsahana hahafahany : 

  • mahazo ny momba ny fiomanana sy fiatrehana loza (voajanahary na tsia), ary ny fiarenana aorian’ny loza
  • mahay ireo fomba fiomanana sy afaka mitarika ny fiatrehana izany.

Kolotsaina sy vakoka

Ny asa firotsaha ao anatin’ity karazany ity dia izay asa firotsahana hahafahany : 

  • mahazo sy mahay manaiky ny mety ho fahasamihafana ara-kolotsaina sy ny fomba isan-karazany
  • mahalala endrika ahafahana manome lanja sy miaro ny vakoka sy lova ara-kolotsaina ary hampihavana fiarahamonina amin’ny alalan’ny kolotsaina

Fandraisana andraikitra maha-olompirenena (Engagement civique)

Ny asa firotsaha ao anatin’ity karazany ity dia izay asa firotsahana hahafahany : 

  • mandray anjara amin’ny fandresen-dahatra sy fandraisana andraikitra maha-olompirenena ao amin’ny manodidina azy
  • mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra sy fitantanana ao amin’ny fiaraha-monina misy azy (fokontany, fiangonana, kaominina, faritra, firenena, …)