Ny fahatratrarana ity Tanjona faha-8 ity dia midika ho fandraisana anjara amin’ny famoronana asa mendrika ho an’ny tsirairay, fanomezana ny tanora ireo fahaiza-manao ho ilainy rehefa hiditra amin’ny tontolon’ny asa, ary fiarovana amin’ny fampiasana ankizy.

Tanjona 8 : Mampiroborobo ny fitomboan’ny harikarena, ifampizarana sy lovainjafy sy ny fisian’ny asa mamokatra ho an’ny rehetra sy ny asa mendrika ho an’ny rehetra

Zava-kendrena :

8.1 Mitazona ny tahan’ny fitomboan’ny harinkarena isambatanolona hifanaraka amin’ny zava-misy isam-pirenena, ka ho 7% raha kely ny tahan’ny fitomboan’ny harinkarena faobe isantaona any amin’ny firenena tsy dia mandroso.

8.2 Atao izay hahatonga amin’ny sehatra avo ny famokarana ara-toekarena amin’ny alalan’ny seha-pihariana isan-karazany, ny fanavaozana ny haitao, ny haivao, indrindra amin’ny fametrahana sehatra ambony sanda sy maro ny olona afaka miasa ao.

8.3 Mampiroborobo politika mifantoka amin’ny fampandrosoana izay manome toerana ny asa famokarana, ny famoronana asa mendrika, ny fandraharaharana, ny famoronana, ny haivao, ka manosika ny fivoaran’ireo orinasa bitika sy madinika sy manamora ny fidirana amin’ny sehatra manaraka fenitra, tafiditra anatin’izany ny fisitrahana tolotra ara-bola.

8.4 Manatsara tsikelikely mandrapahatongan’ny 2030, ny fahaizana mampiasa ny loharanonkarena manerantany na amin’ny fanjifana na amin’ny famokarana ary miezaka mba tsy hitarika fahasimban’ny tontolo iainana ny fitomboan’ny harinkarena, araka ny voasoritra ao amin’ny drafitra folotaona mametra ny fandaharanasa mikasika ny fanjifana sy ny famokarana lovainjafy, ka ny firenena mandroso no manome ohatra amin’izany.

8.5 Mandrapahatongan’ny 2030, atao izay hahatongavana amin’ny asa feno mamokatra sy miantoka asa mendrika sy karama mitovy ho an’ny vehivavy sy ny lehilahy raha asa mitovy no ataony, voakasik’izany ny tanora sy ny olona manana fahasembanana.

8.6 Mandrapahatongan’ny 2030, mampihena betsaka ny ampahan’ny tanora tsy mandeha mianatra, tsy an’asa sy tsy manana fiofanana.

8.7 Maka fepetra haingana sy mahomby hanafoanana ny asa anterivozona, manafoana ny fanandevozana vaovao sy ny famarotana olona, mandrara sy mamongotra ny endrika ratsy rehetra isehoan’ny asan’ny ankizy, anisan’izany ny fandraisana sy fampiasana ny ankizy ho miaramila. Mandrapahatongan’ny 2025, manafoana ny asan’ny ankizy amin’ny endriny rehetra.

8.8 Miaro ny zon’ny mpiasa, mampiroborobo ny fiarovana amin’ny toeram-piasana ary miantoka ny fiarovana ny mpiasa anisan’izany ireo mpifindra monina, indrindra ny vehivavy sy ireo izay manana asa tsizarizary.

8.9 Mandrapahatongan’ny 2030, mandrafitra sy manatanteraka politika mikendry ny fampiroboroboana ny fizahantany lovainjafy izay mamorona asa sy manome lanja ny kolontsaina sy ny vokatra ifotony.

8.10 Manamafy ny fahaizamanaon’ireo vondrona ara-bola isam-pirenena hanome lanja sy hanokatra ny tolotra banky sy arabola ary ny fiantohana ho an’ny rehetra.

8.a Mampitombo ny tohana omena araka ny lasitry ny hetsika tantsoroka ho an’ny varotra amin’ny firenena an-dalampandrosoana sy ireo firenena tsy dia mandroso, amin’ny alalan’ny « lasitra mifaningotra» (cadre intégré) namafisina ho an’ny tantsoroka ara-teknika, mifandray amin’ny varotra manome vahana ny firenena an-dalam-pandrosoana.

8.b Mandrapahatongan’ny 2020, mandrafitra sy manantanteraka ny paikady iraisam-pirenena mikasika ny asan’ny tanora sy
mampihatra ny fifanarahana iraisam-pirenena ho an’ny asa napetraky ny vondrona iraisam-pirenena ho an’ny asa.

Hitrandraka misimisy kokoa :

Tantaran’ny totemisation ho an’ny Tily
18 septembre 1965

Ny totémisation dia fomba fanomezana anarana ho an’olona iray ao amin’ny fiaraha-monina iray. Mampiaina io lalao io entina hanabeazana ny Tily araka ny fototra ara-tSoratra Masina amin’ny fanomezana anarana sy ny tantaran’ny lalao fanomezana totem teo amin’ny skotisma. Omena solon’anarana (totem) ny Tily iray raha heverina fa hampivoatra azy amin’ny fiainany manokana sy amin’ny skotisma […]