Sokajy
Sampana Menafify

Fitiliana filàn’ny beazina (Menafify)

Alohan’ny handrafetana fandaharam-panabeazana sy hetsika entinamampiaina ny skotisma eo amin’ireo Mpitarika dia zava-dehibe ny ahalalànany filàna andrasany. Teknika iray entina mitily ny filàna efa mahazatra antsikaloatra ny Pyramide de Maslow.

« Quand vous avez des doutes quant à la meilleure approche dans l’éducation du garçon (des jeunes), vous économiserez du temps, vous vous éviterez des préoccupations et des réflexions et vous épargnerez vos yeux si, au lieu d’étudier des volumes de psychologie, vous consultez la meilleure autorité en la matière : le garçon (le jeune) lui-même. »

Baden-Powell, Headquarters Gazette, 1922 « Ask the boy »

Tsy eo amin’ny fibeazan-tena sy ny fampivelarana ny maha-olona feno ihany fa na hampiroborobobana ny tontolon’ny varotra sy ny tetikasa ananan’ny Mpitarika sy ny mpiray fokonolona aminy aza dia zava-dehibe ny hijerena azy tsara hahatonga fivoarana goavana eo anivon’ny fiarahamonina. Indro ary misy ohatra iray hisarihana ny sain’ise ny amin’ny hitarihana ny filàna’ireo Mpitarika sy ny fokonolona izay mifanaraka amin’ny salan-taonany ary ny tontolon’ny asa.

Ohatra Pyramide de Maslow