Sokajy
Fandraharahana

Tsara ho fantatra momba ny fandraharahana

Raha miresaka fandraharahana matetika dia ny « assurance » na ny saran-dasy no tonga voalohany an-tsaina. Misy zavatra maromaro no fonosin’ny teny hoe fandraharahana, ka ny lehibe indrindra dia ireto telo ireto : latsak’emboka, fiantohana (assurance), antontan-taratasy mikasika lasy.

Latsak’emboka

Ny latsak’emboka dia fandraisana anjara ara-bola entin’ny Tily tsirairay isaky ny fiandohan’ny taom-panabeazana iray, izany hoe ny Filoha Tily, ny Mpiandraikitra, ny Beazina, ny Tari-Panofanana Tily eto Madagasikara, ny adidin’ny Fivondronana na Cible hoy isika.

Ny fanefana latsak’emboka ara-potoana no midika fa mpikatroka amperin’asa sy ara-dalàna eto amin’ny Tily eto Madagasikara ny olombelona iray.

Ny fanefan’ny Fivondronana ny adidy fanao isaky ny fiandohan’ny taom-panabeazana ihany ko no ahafahana milaza fa Fivondronana VELONA ary ara-dalàna eto anivon’ny Tily eto Madagasikara izy.

Ny Tily rehetra nanefa ny latsak’emboka mifanaraka amin’ny andraikiny dia mahazo karatra mifanaraka amin’ny andraikiny ihany koa. Entina foana io karatra io isaky ny misy hetsika andraisana anjara (tahaka ny hoe ise olom-pirenena io dia mitondra karapanondro foana rehefa mandeha).

Hajaina tsara ny karatra fa raha sanatria ka misy ny fahaverezany dia tsy maintsy manao fanamarinam-pahaverezana any amin’ny mpitandro filaminana.

Eto ary dia sarihana manokana isika rehetra tsy hiteny intsony ilay
fiteny hoe « Aloavy ny fandraharahan’ise na hoe efa nahaloa assurance ve ny beazinareo na hoe hividy karatra izahay… » fa andao hiteny hoe « Handoa ny latsak’emboka aho/izahay satria Tily am-perin’asa ».

Fiantohana (na assurance)

Ny Tily rehetra am-perin’asa dia misitraka ny fiantohana, amin’ny latsak’emboka izay alohantsika no hakana izany vola izany ary aloan’ny Foibe any amin’ny tranom-piantohana. Mba ahafahana misitraka izany nefa raha sanatria misy loza dia misy ny fepetra mila arahina tsara.

Antontan-taratasy mikasika ny lasy

Ny sampana rehetra ao anatin’ny Fivondronana velona sy ara-dalàna no afaka manatanteraka lasy. Misy nefa ny taratasy karakaraina amin’izany ary ny Departemantan’ny Fandraharahana eny anivon’ny Faritany no manome ny fahazoan-dalana ahafahana manatanteraka izany lasy izany rehefa feno ireo antontan-taratasy ireo.