Sokajy
Sampana Menafify

Dingana fananganana tetikasa

Talenta azo trandrahana :

KETRIKA (idée, rêve, attente)

KETRIKA no anarana iantsoana fivorian’ny Mpitarika ao amin’ny Sampana Menafify (Fokonolona– Fileovana). Ao amin’ity dingana ity no sehatra ifanakalozan-kevitra, ipoiran’ny hevitra iraisana ka ifanekena ho iaraha-manatanteraka.

Zokiolona : Manoro ny mpitarika ny fomba fiadian-kevitra mahomby, mikaroka lalao manodidina ny fifanakalozankevitra, mandrinda ny ady hevitra, Manampy ny Mpitarika hahay haneho hevitra, misarika ny fahaiza-mamorona eo amin’ny Mpitarika tsirairay.

VONTADY (décision, justification, objectif)

Fifampifehezana – fifampitondrana – fifamatorana fifanekena fokonolona mpandray anjara ankilany ; ireo hevitra na asa ho tanterahana andaniny.

Zokiolona : Mikaroka karazana lalao mahakasika ny fandraisana fanapahan-kevitra, Mandrindra ny fizotran’ny vontady, Mampandray andraikitra ny mpitarika amin’ny alalan’ny fitsipika

FANDAMINANA (Plan d’action, stratégie)

Zokiolona : Mikaroka lalao momba ny lamina sy paik’ady, mahalala ireo karazana lamina samihafa amin’ny fandrafetana tetikasa, Manampy ny mpitarika hamaritra ny laharam-pahamehana.

FIOMANANA (tâche, logistique, budget)

Zokiolona : Mikaroka mialoha ny asa sahanin’ny tsirairay anatin’ilay tetik’asa sy ny tokony ataony, mizara traik’efa na mikaroka olona mahafehy ireo andraikitra sahanina ho fianarana hoan’ny mpitarika, mikaroka sehatra ahafahan’ny mpitarika na fokonolona mifehy ireo teknika samihafa anatin’ilay tetikasa (budgetisation, TDR, Note conceptuelle…)

AMPAMOLOANA (Exécution – réalisation- production)

Sehatra hampiharana izay rehetra noketrehina, ka navonan’ny tsirairay, ary nifanekena fa hotanterahina nandritra ny Vontady ny AMPAMOLOANA.

Zokiolona : Manara-maso ny hevitra, ny lamina ary fizaran’asa tapaka, Mandrisika sy manohana ny mpitarika eo am-panatanterahana asa.

TOMBAN’EZAKA (Evaluation)

Tanjon’ny tomban’ezaka: jery todika ny dingana rehetra natao, ny vina, ny asa, ny lamina ary ny paika; Fanatsaràna ny fomba fiasa sy ny andraikitra; Manome sehatra ny tsirairay amin’ny fanehoan-kevitra.

Zokiolona : Mikaroka lalao entina manao tomban’ezaka, mahalala karazana tetika samihafa amin’ny fanaovana tomban’ezaka tetik’asa.

Fankasitrahana, Firahalahiana

Ny firahalahiana dia fanamarihana ny nahavitan’ilay tetik’asa amin’ny alalan’ny lanonana sy fiaraha-mifaly.

Zokiolona : Manampy ny mpitarika amin’ny fanomanana ny lanonana, Mankasitraka ny mpandray anjara rehetra na anatiny na ivelany, Mandrindra ny fizotry ny lanonana, Mampientana ny lanonana sy mikaroka hevitra hahatsara azy