Sokajy
Asa firotsahana

Fifamatoran’ny tontolo iainana sy ny zo maha-olona

Ny ala sy ny zo fototra maha-olona

Mitazona anjara toerana amin’ny fiainanan’ny olombelona ny Ala. llaina eo amin’ny andavan’androm-piainana mihitsy izy. Miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo ohatra izany; toy izany koa ny rano fisotro madio, izay ianteheran’ny fambolena sy ny fiompiana ihany koa; iantohan’ny fahasalamana feno ihany koa ny fananana ala voakajy ary miantoka ny fisitrahana Zo hafa toy ny tontolo iainana mendrika sy madio. Ankoatr’izay dia mirakitra ny fomban-tany, ny tantara ary ireo karazana vakoka izay isan’ny manan-kasina amin’ny maha-olombelona ny ala.

Antony mahatonga ny krizy ara-toetrandro

Anisan’ny antony manimba ny tontolo iainana ny fitrandrahana ataon’ireo orinasa vaventy, na an-kibonin’ny tany, izay mazàna mikitika atiala mba hahazoana azy; na koa ny an-dranomasina izay mandoto ny rano sy mamono ireo zava-manan’aina ao anatiny :

  • Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany mamotika ny ala sy manimba ny tany
  • Fampiasàna akora simika amin’ny fitrandrahana, sy ny fambolena; fanariana ny lotom-pitrandrahana amin’ny tany sy ny ranomasina
  • Fitombon’ny tahan’ny entona maloto avy amin’ny orinasa vaventy, sy ny asan’ny olombelona
  • Fambolena tsy miovaova sy mihodina
  • Fanimbana ny ala

Vokatry ny krizy ara-toetrandro

Anisan’ny antony manimba ny tontolo iainana ny fitrandrahana ataon’
ireo orinasa vaventy, na an-kibonin’ny tany, izay mazàna mikitika atiala
mba hahazoana azy; na koa ny an-dranomasina izay mandoto ny rano sy mamono ireo zava-manan’aina ao anatiny.

  • Fiakaran’ny haavon’ny ranomasina
  • Fahapotehan’ny tany fambolena (hain-tany, tsy mamokatra … )
  • Fihenan’ny hazan-dranomasina sy fahapotehan’ny zava-boahary an-dranomasina
  • Rivo-doza maro sy mahery vaika

Misy fiantraikany be amin’ny olona sv ny Tontolony ny fikorotanan’ny toetr’andro. Lafiny maro toy ny eo amin’ny fihariana sv fahasalamana ary tontolo iainana no tena anisany voakasika mivantana.

Faharinganan’ireo voahary marolafy. Ny fiompiana tafahoatra, ny fambolena (kininina, kesika … ) sy ny famokarana miompana amin’ny
varotra, ny fitrandrahana mihoapapana ny harena an-kibon’ny tany dia anisan’ny mahatonga ny faharipahan’ny ala maneran-tany ary mahatonga ny faharinganan’ireo zava-manan’aina ambonin’ny tany sy anaty ranomasina.

Aretina
Vokatry ny fahalotoan’ny rivotra : Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny olombelona marary sy mamoy ny ainy isan-taona (indrindra ireo zaza amam-behivavy) noho ny aretina vokatry ny fiovan’ny toetr’andro : homamiadana, aretin’ny taovam-pisefoana, aretin’ny fo, aretin-koditra,
fahasembanan’ny zaza teraka …

Aretina vokatry ny tsy fahampian-tsakafo, aretina vokatry ny fahalotoan’ny rano ampiasaina, areti-miflndra isan-karazany ( dengue … )

Loza voajanahary mahery vaika sy mitombo isa
Rivo-doza (nandalovan’ny rivo-doza mahery vaika in’efatra misesy i Madagasikara ny taona 2022), tondra-drano (pakistan, inde … ), fiakaran’ny ranomasina (vokatry ny fiakaran’ny maripan’ny tany ka
mampitsonika ny ranomandry), haintany tsy ahafaha-mamboly sy miompy ka mitera ka mosary (any atsimon’i Madagasikara) ary mihamasira sy matsaboka ny rano fisotro manamorona ny ranomasina vokatry ny fahapotehan’ny « nappe phréatique», haintany sy ny hafanam-be
midangana mandoro tanety (ny taona 2022 tany Espagne, Portugal, France 60000ha no ripaky ny afo)

Tsy fahampian’ny sakafo sy ny rano ampiasaina, faharatsian’ny kalitaon’ny sakafo sy ny rano
Noho ny hain-tany, ny rotsak’orana mihakely dia ritra ny rano ka na ny hambolena na ny hampiasaina an-trano hany ka lasa ratsy ny vokatra misy sady mihakely ny fatrany, misy aza moa tsy mahavokatra intsony ny faritra sasany. Lasa tsy manana safldy amin’ny sakafo ambolena sy ohanina ireo mponina fa voatery izay sakafo mahazaka ilay toe-tany no averiny ambolena sy ohaniny.

Fifindramonina tsy fidiny
Noho ny olana ateraky ny hain-tany sy tsy flsian’ny rano ary rotsak’orana dia maro ireo voatery miala sy mandao ny taniny mba tsy ho matin’ny hafanana sy mosary. Mazana nefa io fifindramonina io miteraka disadisa sy olana ara-piaraha-monina any amin’ireo toerana hivantanan’izy ireo.

Fihemoran’ny toekarena
Betsaka ireo mpisehatra amin’ny fizahantany no very asa noho ny fahapotehan’ireo valan-javaboahary sy ala ary ny fiakaran’ny maripan’ny ranomasina izay miteraka ny fahalanian-tamingan’ireo zava-manan’aina monina ao.
Eo koa ny fahapotehan’ireo fotodrafitr’asa maro izay tondraka sy ravan’ny rano, ka mila fanarenana indray