Sokajy
Tranombitsika

Tondrozotra fananganana Tranombitsika rezionaly

Mizara roa tanteraka ny paikady sy tetika hananganana Tranombitsika rezionaly. Ny voalohany dia manaraka ny fepetra voalazan’ny fifanarahana teny Antsahamarofoza (TEM/MEDD) tamin’ny 30 jolay 2021. Ny faharoa dia dingana fohifohy kokoa tsy miankina amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa. Avy hatrany dia jerena eny am-potony ny tany. Iarahana amin’ny Kaomina sy ny sampandraharahan’ny Domaine na Service topographique any amin’ny Faritra (région) io dingana io. Anjaran’ny Faritany Tily no misafidy izay mety aminy.

Ny tanjona dia ny hanana tany misoratra amin’ny Tily eto Madagasikara isam-paritany. Havadika ho sahan’ny skoto io tany io mba ahafahan’ny skoto tily manatanteraka ny asa fanabeazana sy ny andraikiny momba ny fiarovana ny tontolo iainana.

I- Safidy voalohany : araka ny fifanarahana eo amin’ny TEM sy ny MEDD

Vontoatin’ny fifanarahana tamin’ny 30 jolay 2021 :

  • anankinan’ny MEDD tany 5ha ny Tily eto Madagasikara.
  • Maharitra 10 taona no ahafahana mampiasa ny tany. Mijanona ho an’ny Fanjakana ny tany.
  • Hanao modely ny TEM amin’ny fambolenkazo sy famerenana amin’ny laoniny ny endriky ny ala.
  • Hanampy ny kaomina manodidina ny Tranombitsika rezionaly amin’ny fambolenkazo sy fiarovana ny tontolo iainana.

Ny fivoriana niarahan’ny TEM sy ny MEDD[1] ary ny Union européenne tamin’ny alalan’ny programa RINDRA[2] tamin’ny 10 febroary 2022 no niaraha-nahatsapa fa tokony havaozina ny fifanarahana tamin’ny 30 jolay 2021 mba ahafahan’ny Tily manana antoka, mba tsy ho very maina na esorina aminy ny tany rehefa voajary. Ny famaritana ny tany ho an’ny Tily no vahaolana amin’izany : titre sy baorina.

Efa zava-dehibe ny dingana vita satria mametraka ny Tily eto Madagasikara ho azo itokisana.

Ireto no dingana arahina amin’ity safidy ity :

  • Manendry mpiara-miasa iray avy amin’ny ekipany ny filoham-paritany. Hanaraka akaiky ny asa takiana amin’ny fananganana Tranombitsika rezionaly no andraikiny. Izy roa ireo no miara-misalahy, misolo tena ny TEM any amin’ny Faritra.
  • Manatona ny DREDD ny solotena : mampahafantatra ny fisian’ny fifanarahana TEM sy ny MEDD tamin’ny 30 jolay 2021 sy ny fivoaran’ny fifanarahana tamin’ny 10 febroary 2022 (raha ilaina ny miresaka ity farany ity). Mamantatra raha misy tany afaka ampiasaina ao amin’ny faritra iandraiketan’ny DREDD. 
  • Raha misy tany azo iaingana dia angatahana amin’ny DREDD ny fomba azahoana 5ha. 
  • Raha manana toerana ahafahana mamaritra 5ha ny DREDD dia ireto no fepetra : tongan’ny fiara, tsy lavitra loatra ny tanàn-dehibe, mora aleha, tsara kokoa raha mora tazanina (amoron-dalana ohatra), tsara kokoa raha efa misy hazo maniry eo amboniny. 
  • Raiketina an-tsoratra amin’ny antsipirihany miaraka amin’ny DREDD ny fifanarahana rehetra,
  • Rehefa voafaritra ny tany dia miroso amin’ny fametrahana ny fotodrafitrasa takian’ny fifanarahana niarahana tamin’ny MEDD sy ny filàn’ny TEM amin’ny maha Tranombitsika ny toerana. 
  • Mifandray hatrany amin’ny Birao mpanatanteraka ny Tranombitsika Nasionaly isaky ny misy dingana hatao na vita. 
  • Raha tsy misy tany afaka ampiasaina eo amin’ny faritra iandraiketan’ny DREDD, na misy fa tsy mahafeno ny fepetra ilaina dia miroso amin’ny fomba safidy faharoa. 

II- Safidy faharoa

  • Fantarina sy tiliana ny tany malalaka, ampy 5 ha (repérage).
  • Manatona ny Service topographique ao an-toerana ahafahana manamarina tsara ny momba io tany voatily io (statut du terrain) : tanim-panjakana ve ? Tany efa tsy fantatra intsony ny tompony ? Tanin’ireo « colon » tamin’ny andron’ny fanjanahantany ? sns.
  • Rehefa voaporofo fa tsy misy tompony ny tany dia mangataka fazahoan-dalana hampiasa ny tany « autorisation d’occupation » ao amin’ny kaomina ahitana io tany io isika. 

Tsotra ny fandresen-dahatra aroso : hanaovana sahan’ny skoto ny tany (antsoina hoe Tranombitsika). Hanaovana tetikasa isankarazany momba ny fikajiana ny tontolo iainana : fambolena zanakazo hamatsiana ny kaomina manodidina (pépinière, reboisement), hamerenana ny endriky ny ala ka ho modely ny ala eo ambonin’ny Tranombitsika (restitution du paysage forestier), hanatanterahana ny fanabeazana skoto (toeram-piofanana, toeram-pilalaovana, sns.)

  • Rehefa azo io fazahoan-dalana io dia miroso amin’ny fanatanterahana ny tetikasa isankarazany. 
  • Mifandray tsy tapaka amin’ny Birao mpanatanteraky ny Tranombitsika nasionaly isaky ny mahavita dingana.
  • Rehefa afaka 5 taona, rehefa hita maso ny fanajariana natao dia mangataka ny azahoana ny tany ho amin’ny anaran’ny TEM (prescription acquisitive). 

 Ity misy vinavina amin’ny fampiasana ny tany (mety na amin’ny safidy I na II) :

  • 0,50 ha : fambolena zanakazo (pépinière)
  • 1 ha : toeram-pitsangatsanganana voaravaka zaridaina sy hazo isankarazany, misy  alokaloka, fametrahana fiara maromaro (aire de repos, aire de détente pour pique nique, excursion…)
  • 1 ha : fidasiana (campement)
  • 2,5 ha : famerenana ny endriky ny ala (restitution du paysage forestier)

Eny anelanelany eny no hametrahana ny fotodrafitrasa isankarazany ilaina ho amin’ny fanabeazana skoto (toeram-piofanana, trano malalaka hilalaovana sy fanaovam-pety, sns.)

Hanomana ny an-tontantaratasy rehetra mety ilaina amin’ny fananganana Tranombitsika rezionaly ny Birao mpanatanteraky ny Tranombitsika nasionaly, modely.

Hisy fiofanana ho an’ny filoham-paritany Tily sy ny tomponandraikitry ny Tranombitsika rezionaly (olona 2 isaky ny faritany tily), holazaina miandalana ny daty sy toerana. Ho roa andro ny fiofanana. Ny mpikarakara no miantoka ny fandaniana rehetra (TEM/Tranombitsika, MEDD, Programa RINDRA).

Tsy maintsy hisy tranga, hampiavaka ny isam-paritany. Aza misalasala mifandray amin’ny Birao mpanatanteraka tranombitsika nasionaly.


[1] MEDD : Ministère de l’Environnement et du Développement Durable

[2] RINDRA : Renforcement Institutionnel vers le Développement de la Résilience Agricole