Sokajy
Tranombitsika

Tranombitsika, tanànan’ny skoto Tily eto Madagasikara

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 16 desambra 2017 ny fanorenana ny Tranombitsika ary notokanana ny 21 aogositra 2021.

Samy nitondra ny anjara birikiny ny tily rehetra manerana an’i Madagasikara sy ny tany ampitan-dranomasina nanorenana ny Tranombitsika. Toy ny Gilwell Park any Angletera izay naorin’i Baden Powell, dia manana toerana fanofanana sy tanàna iombonana ihany koa izao ny skoto Tily Eto Madagasikara. Ity no tanàn’ny skoto Tily eto Madagasikara, izay mahasahana velaran-tany maherin’ny 3ha.

Fandraisan’anjaran’ny skoto tsirairay teo anivon’ny Tily Eto Madagasikara sy ireo sakaizany no nahavitana ny tanàna. Hatramin’ny niandohan’ny asa fanorenana dia hetsika maro no notanterahina isam-paritany ho fananganana ity tanàna ity. Tamim-pahavitrihana tanteraka no nananganan’izy ireo ny tanàna.  Nisy ny nanao ny asa fandokoana, tao ireo nikirakira ny fampidirana herinaratra, nisy koa ireo nanohana ara-bola.

Nisongadina tamin’izany ny fahatongavan’ireo skoto anglisy teny an-toerana nanolo-tanana mivantana tamin’ny fananganana ny ANTS SPACE, toeram-pilanonana mahazaka hatramin’ny 150 olona.

VIDEO : Fitsidihan’ny Ambassadaoro britanika teny amin’ny Tranombitsika

Ahitana toerana fanabeazana mifanaraka amin’ny sokajin-taona rehetra eny amin’ny Tranombitsika, ary misy ny Ivotoerana Fiofanana Tily eto Madagasikara (IFTEM).

Fananana iombonan’ny Tily Eto Madagasikara ity tanàna ity ary afaka misitraka izany avokoa ny skoto sy ratsamangaika rehetra manerana ny nosy sy avy any ampitan-dranomasina amin’ny hetsika fanabeazana mila tanterahiny.

Niara-nanorina ny Tranombitsika ny skoto Tily teto MAdagasikara sy tany ampitan-dranomasina. Sary: Tily Analamanga Afovoany.

Tombotsoa ho an’ny rehetra ny fisian’ity tanàna skoto voalohany eto Madagasikara ity satria sady hahafahana manome fanabeazana kalitao ho an’ny beazina no sady mamela tanàna sy fiaraha-monina ho lovain’ny taranaka mifandimby. Ireo teboka ireo izay mifanaraka indrindra amin’ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy (ODD 4 sy ODD 11) izay isan’ny mpisehatra goavana amin’ny fanatrarana azy ny skoto.

Notokanana ny sabotsy 21 aogositra 2021 ity tanàna skoto voalohany eto Madagasikara ity, nandritra ny hetsika famaranana ny taom-piasan’ny Ekipa Foibe Tily 2014-2018/2018-2021, tarihin’ny Filoha Foibe KALIA MIARITRA (Michel RAOELIJAONA). “Ny ho avy no aorintsika”, io no tarigetra nimasoan’ny Tily eto Madagasikara nandritra izany fe-potoana izany.

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 16 desambra 2017 ny fanorenana ny  Tranombitsika ary izao notokanana ny 21 aogositra 2021 izao. Marika sy porofo mivaingana ny amin’ny fahaveloman’ny skotisma Tily ny Tranombitsika.

Farany, raha tsiahivina dia ny 30 jolay lasa teo no notanterahina teny amin’ny Tranombitsika ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny skotisma Tily Eto Madagasikara sy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy, ho fametrahana taniketsan-janakazo sy fiofanana ho fanentanana ny fiaraha-monina ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, manerana ny faritra rehetra misy ny Tily. Tsy mijanona hatreo araka izany ny asa fa mitohy hatrany ho an’ny fanabeazana ny tanora sy ho an’ny tanindrazana.