Sokajy
Skotisma Iraisam-pirenena

Skoto 22 tamin’ny 1907, ho lasa 100 tapitrisa amin’ny 2023

Ara-tantara, dia ilay Lasy notarihan’i Baden Powell (Bipi) tamin’ny taona 1907, tao amin’ny Nosy Brownsea Angletera, no niandohan’ny Skotisma. Tovolahy miisa 22 avy amin’ireo sarangam-piaraha-monina nisy tao an-toerana no niaina izany lasy voalohany izany.

Hatrany am-piandohana dia efa tao an-tsain’i Bipi ny hanitatra ny Skotisma manerana izao tontolo izao. Ary ny taona 1920 dia efa nisy Firenena 33 tonga nanatrika ny Jamboree voalohany tao Angletera sy ny nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny maha-lehiben’ny Skoto maneran-tany an’i Bipi.

Ankehitriny, skoto 50 tapitrisa mipariaka amin’ny firenena 171

Afganistan no firenena faha-171 mampiasa ny Skotisma mba hanabeazana ny tanora ao aminy ankehitriny, ary manodidina ny 50 tapitrisa no isantsika skoto maneran-tany.

Ho antsika eto Madagasikara, raha ny statistika farany izay navoakan’ny OMMS ny 31 Desambra 2016, dia milaza fa 50.599 no isan’ny skoto zazalahy eto Madagasikara izay mivondrona ao amin’ny Firaisan’ny Skotisma Malagasy na FSM.

Ny fivorian’ny skoto eran-tany izay natao tany Slovenia ny taona 2014 dia nametraka vina fa “Amin’ny taona 2023, ny skotisma dia ho lasa hetsika fanabeazana hahasarika tanora be indrindra eran’izao tontolo izao, hahatonga tanora 100 tapitrisa ho olompirenena mitondra fanovàna tsara ho an’ny tontolo misy azy sy manerana izao tontolo izao araka ny soatoavina ifampizarana”.

Ahoana no hampitomboana ny skotisma hahatratra tanora 100 tapitrisa ?

Ny taona 2014 hatramin’ny 2023 dia nozaraina ho telo taona telo avy (3), izay misy drafitrasa mazava hanatrarana tsikelikely ilay vina 2023. Ny 2014 – 2017 no telo taona voalohany hanatrarana io vina io, telo taona faharoa (2017 – 2020), ary 2021-2023 no telo taona farany.

Ho tratrantsika, eny hihoarantsika aza io vina 2023 io raha toa isika skoto 54 tapitrisa amperin’asa amin’izao fotoana izao, ka manao ireto zavatra roa (2) manaraka ireto hatramin’ny taona 2023 :

  • mitozo, izany hoe mijanona ho skoto mavitrika hatrany, raha mbola velon’aina,
  •  samy mitaona namana vaovao roa (2) isan’olona ary manao izay hampaharitra azy ireo ato anatin’ny skotisma mandra-pahatongan’ny taona 2023 fara-fahakeliny

Raha mijery indray mitopy maso ny antotanisa ao anatin’ireo tranokalam-pifandraisana izay miresaka momba ny Skotisma isika dia hahita fa matanjaka ny Firenena anankiray rehefa betsaka ny isan’ny skoto ao aminy. Ohatra : Etats-Unis, Angeleterre, Japon, Kenya …

Fehiny, raha tiantsika handroso ny firenentsika dia mila miezaka mampitombo ny isan’ny skoto eto Madagasikara isika, sady mampifanaraka ny fomba fitantanana amin’ny tondrozotra izay navoakan’ny OMMS sy ny zava-misy eto Madagasikara. Ny fanatanterahantsika miaraka ny drafitrasa telo taona (3) no antoka hahavitantsika izany.