Sokajy
Vakoka sy tantara

Lasy faha-50 taona Tily tao Samboranto Alasora (Novambra 1974)

Nandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra faha-50 taonan’ny Tily eto Madagasikara ny Kolonely Richard RATSIMANDRAVA. Mijoro eo anoloana izy sy ny Jeneraly Gabriel RAMANANTSOA, ny Lieutnant-Colonel Joel RAKOTOMALALA ary ireo Filoha Tily. (Tahirin-tsary nozarain’i TRAKALA Mikandy)

Tranobongo mampiavaka ny faritra no najoron’ny isan-tsokajy

Lohan-tsokajy aho t@zany, nanatrika ny lasin-jobily teny Sambiranto. Ezaka be mintsy no nataon’ny sokajy tsirairay t@ zany, tsy nisy fanampiana t@ KP mihitsy. Endriky ny tranon’ny mpanjaka Andrianampoinimerina ny endriky ny tranobongon’ny sokajy avy eto Antananarivo. Samy nanao izay takatry ny sainy sy ny heriny ny sokajy tsirairay, samy nitondra ny kijan-dasy koa. Ny tena nahavariana anay dia ny tranobongon’ny sokajy avy tany Fianarantsoa, mety nisy nahazo sary angamba any, fa tsy voatantara eto, Tena kanto! T@zany lasy zany no nahitako sy nihinanako izany atody vovony zany!

DANGORO Ranitra