Sokajy
Olon-dehibe sy kalitao Skotisma Iraisam-pirenena

Politika iraisam-pirenena « Aro amin’ny herisetra »

Hodidina 

Nanomboka teo amin’ny nandraisan’ny Fivoriamben’ny skotisma manerantany ny Fanapahan-kevitra 2002-07 « Arovy amin’ny herisetra sy ny loza ny skoto », ny taona 2002, dia fivoarana maro no efa hita teo anivon’ireo fikambanana Skoto isaky ny firenena (A/OSN) sy teo amin’ny sehatra manerantany izay nahafahana nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fiarovana ny ankizy sy ny tanora.

Amin’ny sehatra manerantany, ny Politikan’ny Fandaharam-panabeazan’ny Tanora eo anivon’ny Skotisma sy ny Politika manerantany ho an’ny fitantanana ny Olon-dehibe dia misy singa manokana izay mikendry ny hanafoanana na hampihenana ny ambana mety hisian’ny herisetra mihatra amin’ny ankizy sy ny tanora. Ireo singa ireo dia mifandraika tanteraka amin’ny fampiharana ny fandaharam-panabeazana nasionaly ary koa eo amin’ny fandraisana, fanendrena, fanohanana, fiofanana ary fitazonana ny mpanabe.

Nisy naoty famintinana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny tanora mamaritra ny firehan’ny OMMS momba izany. Ireo fitsipika voalaza ao amin’io naoty io no tondrozotra nitarihana ny fandrafetana ity politika ity.

Sary: Tily eto Madagasikara/Analamanga Atsimo

Fampidirana

Ny skotisma dia hetsi-panabeazana an-tsitrapo, tsy miandany, ho an’ny ankizy sy ny tanora. Misokatra ho an’ny rehetra, tsy manavakavaka ny mahalahy na mahavavy, tsy manavaka fihaviana, na firazanana, na finoana. Ny Skotisma dia manolotra ho an’ny ankizy sy ny tanora ny fahafahana mivelatra amin’ny maha olona feno eo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po, ara-tsaina, ara-batana, ara-piaraha-monina ary ara-panahy ; amin’ny maha olona, amin’ny maha olom-pirenena tompon’andraikitra ary amin’ny maha mpandray anjara eo amin’ny fiarahamonina misy azy, ny fireneny ary ny sehatra iraisam-pirenena.

Ny OMMS dia manome toky fa hikolokolo tontolo azo antoka ho fampivelarana ny ankizy sy ny tanora manerantany.

Ity fanomezan-toky ity dia manasongadina ny fiovam-pijery ara-kolotsaina sy ny fomba fanao misy rehefa miara-miasa amin’ny ankizy sy ny tanora avy amin’ny sokajim-piarahamonia vitsy an’isa, mpifindra monina na mpitsoa-ponenana. Manana kolotsaina marolafy ny fiarahamonintsika (miseho amin’ny fahasamihafana ara-poko, fiteny sy/na ara-pivavahana). Noho izany, manana andraikitra hampiroborobo ny fitovian-jo sy fitoviana amin’ny fahafahana misitraka ireo zo fototra koa ny A/OSN, (ao anatin’izany ny fahasalamana, fanabeazana, fiarovana ara-tsosialy ary ny fitsarana) ho an’ny ankizy sy ny tanora avy amin’ny fiarahamonina samihafa. Mila vonona hiatrika ireo fanambin’ny fahasamihafana ara-tsosialy sy toekarena ny A/OSN ary vonona hisoroka sy hamaha ny mety ho endrika fanavakavahana sy ny fanilikilihana ara-tsosialy.

Andraikitra ifampizaran’izay rehetra misehatra anatin’ny skotisma ny fanomezan-toky fa hiaro ny ankizy sy ny tanora. Tsy voafetra ho an’ny hetsika skoto ihany ity andraikitra ity; fa mihatra amin’ny sehatra rehetra misy ankizy sy tanora izay mety iharan’ny toe-javatra mety hampidi-doza.

Mila miara-miasa isika rehetra, amin’ny ambaratonga rehetra amin’ny skotisma manerantany, ahafahana manolotra, tontolo azo antoka ho an’ny ankizy sy tanora, ahafahana manohana azy ireo ho amin’ny fivelarany feno. Ny fampiharana ny politika “Aro amin’ny herisetra” (SfH) dia hitarika fivoarana miabo sy hanatsara ny maha izy azy ny skotisma, indrindra:

  • hampifanojo izany amin’ny iraka sy ny vinan’ny Skotisma ary handray anjara eo amin’ny fanatanterahana an’ireo
  • hanampy sy ny hanamafy ny iraka fototry ny Skotisma, ary hhanome traikefa Skoto sy fanabeazana tsy ara-dalàna tsara hatrany; 
  • ho azo antoka fa mandray anjara asa mavitrika ny Skotisma amin’ny fampiroboroboana ny fiarovana ny ankizy sy ny tanora eo anivon’ny fiarahamonina eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena;  

Amin’ny famporisihana ny tanora ho olom-pirenena mandray andraikitra amin’ny alalan’ny fampivelarana soatoavina, fahaiza-manao ary toe-piainana.

Tanjon‘ny Politika « Aro amin’ny herisetra »

Ity politika ity dia natao mba hahamora ny fanaovana sy ny fanatanterahana ireo politika sy lamina nasionaly ilaina amin’ny famoronana tontolo azo antoka ho an’ny ankizy sy ny tanora ao anatin’ny Skotisma. Natao koa izany mba hiantohana ny fametrahana fomba fiasa manohana sy mifanaraka amin’ny tokony ho izy eo anivon’ny A/OSN mba hahamora ny fanomezan-danja (promotion) sy fampandrosoana ireo politika sy paikady nasionaly “Aro amin’ny herisetra”.

Atao inona ity politika iraisam-pirenena ity ?

Ity politika ity dia natao mba hiarovana ny skoto amin’ny herisetra amin’ny alalan’ny fanohanana ny fampivoarana ireo lamina sy aro fanina (cadres) nasionaly mikasika ny ifotony, sy amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ny filaminampanahy sy ny fampandrosoana madio ary ny fandriampahaleman’ireo ankizy sy ny tanora ao anatin’ny tontolo azo antoka mandritra ny lalana rehetra holalovan’izy ireo ao anatin’ny hetsika skoto.

Ny fiantohana tontolo azo antoka ho an’ireo ankizy sy tanora dia misahana farafahakeliny ireto teboka ireto : 

  • Fanentanana ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny fahazazana sy ny fahatanorana;
  • Fampandraisana anjara ireo voakasika rehetra (ohatra: ankizy, tanora, mpanabe mpirotsaka an-tsitrapo, mpiasa matihanina, ray aman-dreny, tompon’andraikitra any an-tsekoly, sampana sy fikambanana miankina amin’ny fiangonana);
  • Tanjona ara-panabeazan’ireo hetsika skoto;
  • Fampivoarana ny fahaizan’ny tena;
  • Fampiroboroboana sy fandrisihana ireo fihetsika miabo. 

Ny fanatanterahana io politika io dia mifanaraka amin’ny Iraka sahain’ny Hetsi-panabeazana skoto amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny fampivoarana ny mahaizy azy feno ireo ankizy sy tanora ary amin’ny alalan’ny fitarihana azy ireo handray anjara mavitrika eo anivon’ny fiaraha-monina.

Sary: Tily eto Madagasikara

Fomba hampiasana ity politika ity

Ity politika ity dia loharanon-kevitra am-pelatanan’ireo A/OSN sy ireo mpandray anjara rehetra izay manohana ny fahatanterahan’ny Iraka. Ireto avy ireo olona voakasik’ity politika ity : 

  • Ireo beazina (ankizy sy tanora) rehetra anelanelan’ny dimy hatramin’ny 25 taona;
  • Ireo olon-dehibe mpirotsaka an-tsitrapo sy ireo mpiasa matihanina;
  • Ireo mpandray anjara ivelany rehetra manohana ny Skotisma.

Ny fahatanterahan’ito politika ito dia iandreketan’ireo olon-dehibe rehetra tompon’andraikitra, indrindra eo anivon’ny ambaratonga nasionaly; mba hifantohan’ny asan’izy ireo amin’ny fampandrosoana ny Fandaharam-panabeazan’ny tanora sy ny fitantanana ireo olon-dehibe sy ireo sehatra hafa rehetra.

Ireo rafitry ny A/OSN sy ny OMMS amin’ny ambaratonga rehetra (manerantany, rezionaly na nasionaly), dia manana andraikitra hanao izay faraherin’izy ireo mba hampiasana ireo loharanon-kevitra rehetra amin’ny fanatanterahana ity politika ity, ary mifanaraka amin’ny lamina sy ny ambaratongan’ny toerana misy ny tsirairay avy. 

Ireo fototra ijoroana sy ireo torolalana (lignes directives) efa voafaritra ao anatin’ity antontan-kevitra ity no mandrafitra ny politika manerantany “Aro amin’ny herisetra”. 

Ity politika ity dia milaza ireo andraikitry ny A/OSN tsirairay avy sy ny rafitra rezionaly ary iraisam-pirenena ao amin’ny OMMS. Voafaritra ao anatin’izany ihany koa ny anjara asan’izy ireo amin’ny famolavolana, fampifanarahana ary fanatanterahana ity potitika ity, ary ny fanaovana tomban’ezaka ara-potoana ny fampiharana azy (indray isaky ny 5 na 10 taona no tsara indrindra).

Na izany aza nefa, tsy tokony heverina hahasolo ny fenitra sy ny lalàna manan-kery ao amin’ny firenena ity politika ity na dia mametraka aro fanina mifanakaikikaiky amin’izay aza.

Vontoatin’ny Politika « Aro amin’ny herisetra »

Ity politika ity dia mamaritra ny fenitra kely indrindra amin’ny fampiharana ny politika « aro amin’ny herisetra » eran-tany izay andrasana amin’ny A/OSN, ary natao hamenoana ny politika nasionaly, ny torolàlana ary ny fomba fiasa hafa.

Ity politika ity koa dia natao ho maridrefy fanombanana rehefa manao tomban’ezaka na manitsy ny politikam-pirenena sy ny fomba fiasa mifandraika amin’ny fiarovana ny ankizy sy ny tanora.


Hiroso lalindalina kokoa ? Manana safidy roa ise :

Nadika amin'ny teny malagasy niainga avy amin'ny boky "Politique Mondiale: A l'abri de la maltraitance" (OMMS, Décembre 2017).
Mpirotsaka an-tsitrapo nandray anjara tamin'ny fandikan-teny (Mi-Tily Soratra) : 	Feso mandranto, Herinirina Volasoa, RATSIZAFY Abraham Andriamarelaza, RAVOAVISON Tsanta Oseana, RAMBININTSOA Miora Mikoja