Sokajy
Asa firotsahana

Zon’olombelona

Ireo foto-kevi-dehibe iorenan’ny zon’olombelona

Fitoviana : Mitovy daholo ny olombelona rehetra amin’ny fisitrahana 20, eo anatrehan’ny lalàna, tsy misy fijerena saranga, finoana, fihodirana,
fiaviana …

Tsy fanavahana : Tsy misy anavahana ny olombelona rehetra na ara-piaviana, na ara-pinoana, na ara-tsaranga, na ara-pananahana fa misatraka zo daholo.

Fampandraisana anjara sy fandraisana anjara : Rehefa misy hetsika atao na fanapahan-kevitra raisina dia tsy misy azo adinoina fa tokony ho voasolo tena ao avokoa ny olon-drehetra na ny sokajin’olona rehetra.

Fitandroana ny tombontsoa ambonin’ny ankizy : Tandrovana fatratra ny tombontsoan’ny ankizy ho fitohizan’ny taranaka mifandimby.

Fahambonian’ny lalàna, tamberin’andraikitra, fangaraharahana : Mihatra ny lalàna ary miaro ny zo mitovy avokoa ny olombelona rehetra
eo anatrehan’ny lalàna, tokony samy mandray andraikitra ny tsirairay
mba ampanjary ny zony.

Toetoetry ny zon’olombelona

Vimbinina hatrany am-bohoka : vao any an-kibo dia efa misitraka ny zony ny olombelona tsirairay.

Toavina maneran-tany : ananana sy mihatra amin’ny olombelona tsy ankanavaka.

Tsy azo esorina na amidy : tsy azo esorina sy tsy afa-misaraka amin’ny olombelona.

Tsy azo sarahina ary mifampiankina : tsy azo saratsarahana ny zo ananan’ny olona iray fa mifandray sy mifampiankina.

Miorina amin’ny hasina maha-olona : vao teraka ny olona iray dia efa manan-jo satria vao hary ho olombelona izy dia efa manankasina.

Miaro ny olona sy ny vondron’olona : misy ireo zo miaro olon-tokana fa misy koa ireo zo miaro manokana ireo vondron’olona (zon’ny mpiasa, zon’ny vehivavy, zon’ny ankizy … )

Miteraka andraikitra ho an’ny fanjakana : andraikitry ny fanjakana ny manaja sy mampanaja, miaro, ary manatanteraka sy mampanjary ny zon’olombelona.

lantohan’ny lalàna iraisam-pirenena sy ny lalàna nasionaly : voaantoka sy voarovan’ireo lalàna iraisam-pirenena izay efa
nankatoavintsika sy ireo lalànantsika eto Madagasikara.

Ireo sokajina zon’olombelona

Zo isam-batan’olona na zo ara-tsivily sy politika, na zo momba ny fahalalahana izay manome fahaleovantena ho an’ny tsirairay, toy ny : fitoviana sy tsy fanavakavahana, zo hivezivezy, zo ho arovan’ny lalàna, zo haneho hevitra, …

Zo ara-toerakena, ara-piarahamonina ary ara-kolotsina na ireo zo mitaky fandrasaina andraikitry ny fanjakana sy ireo misolo tena azy, toy ny :
zo ara-pahasalamana, ny zo hianatra, ny zo hanana asa mendrika …

Zo hiombonana, toy ny : zo hisitraka tontolo iainana mahasalama, ny zo hisitraka fampandrosoana, ny zo hiaina anaty fandriampahalemana.

Misy ihany koa ny zon’ny vondron’olona marefo, toy ny zon’ny vehivavy,
ny zon’ny ankizy, ny zon’ny olona manana fahasembanana, sns
(Tsy sokajin-jo manokana akory izy ireo fa nandrafetana rijanteny fiarovana
manokana noho ny toetrany marefo.)