Sokajy
Totemisation Vakoka sy tantara

Tantaran’ny totemisation ho an’ny Tily

Ny totémisation dia fomba fanomezana anarana ho an’olona iray ao amin’ny fiaraha-monina iray. Mampiaina io lalao io entina hanabeazana ny Tily araka ny fototra ara-tSoratra Masina amin’ny fanomezana anarana sy ny tantaran’ny lalao fanomezana totem teo amin’ny skotisma. Omena solon’anarana (totem) ny Tily iray raha heverina fa hampivoatra azy amin’ny fiainany manokana sy amin’ny skotisma izany.

Niainga tamin’i REQUIN Bolide … ka hatramin’dry DO Fetsy

Tamin’ny taona 1965 no nanomboka nivelaran’ny fomba fanomezana totem teo amin’ny Tily. Talohan’izany dia efa nisy nanana solon’anarana ny Tily toa an’i « REQUIN Bolide » na i chef Randria. Teo amin’ny mpiandraikitra tily maitso tao amin’ny fivondronana faha-V « Gilpin » kosa no nitsiry ny hevitra hanomezana solon’anarana malagasy madiodio. Rehefa nanao fanadihadiana sy fikarohana momba ny fahazoana totem ireo mpiandraikitra Sampana Maitso tao dia nivory ary nanapaka fa hampihatra ny fanomezana totem ka izy ireo ihany no hifandimby hifanome solon’anarana.

Tany amin’ny lasy noely tany Manjakandriana no toerana notapahina hanaovana izany ka niadiana hevitra ny toerana, fomba hanaovana izany, ny anarana omena. Tamin’ny voalohany dia saika anarana amin’ny teny frantsay toy ny hoe «Grand Buffle » sy « Renard rusé » no nomena. Rehefa tena ho atao nefa ny fanomezana totem dia tapaka fa hatao teny malagasy izany ka ilay mpiandraikitra tompo-toerana no nahazo voalohany ka nomena ny anarana hoe « JAMOKA Mahery », tato aoriana tany Antananarivo vao nomena kosa ny mpiandraikitra mpanampy sy mpampilalao : « DO Fetsy », sy « DIERA ».

Ireo mpiandraikitra rehetra niakatra avy tao amin’io fivondronana io avy eo dia nomena anarana izay nalaina tamin’ny biby nisy teto Madagasikara avokoa.

Rehefa neken’ny mpiandraikitra nifanerasera taminy teo amin’ny Tily ny anaran’ireo Tily nomena anarana ireo dia maro ireo fivondronana nangataka ny hahazo ny anarana ka nanomboka tamin’ny fivondronana faha-III tao Ambohijatovo, faha-VIII tao Antsahamanitra ary ny faha-IX tao Faravohitra ka nipaka tamin’ireo fivondronana maro niparitaka nanerana an’i Madagasikara.