Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy 🌍

Les scouts pour les ODD

Isan’ny sehatra lehibe indrindra afaka handraisan’ny tanora anjara amin’ny fanatrarana ny Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy (ODD) ny skotisma. Tanora maherin’ny 50 tapitrisa manerana an’izao tontolo izao no miara-mirona mitondra ny anjara birikiny amin’izany amin’ny alalan’ny hetsika skoto.

Mifototra amin’ny fibeaza-tenan’ny tsirairay ny skotisma, io no anisan’ny maha-sehatra tsara toerana azy indrindra hampandraisana anjara ny tanora ho tonga olom-pirenena vanona mandray anjara amin’ny fandrosoana lovainjafy. Maherin’ny ampahatelon’ireo vokatra andrasana miisa 169 ao amin’ny ODD no manasongadina ny anjara andraikitry ny tanora, sy ny anjara birikin’ny ezaka ataon’ny fanabeazana ivelan’ny sekoly amin’ny ODD 4 (Fanabeazana kalitao).

Tsindrio ny sary ahafahan’ise mitrandraka misimisy kokoa momba ireo ODD tsirairay amin’ny maha-skoto :

Inona ny Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy (ODD) ?

Tamin’ny volana septambra 2015 dia nivory avokoa ireo Firenena miisa 193 ao amin’ny Firenena Mikambana, isan’izany i Madagasikara, ka niara-nanapaka fa samy hiezaka avokoa hahatratra tanjona 17 izay niarahan’izy ireo namaritra.

Nifanome fotoana ireo firenena ireo fa mandra-pahatonga ny taona 2030 dia hanao ny ezaka rehetra hahatratra ireo tanjona 17 ireo ary kendrena amin’izany mba hisitraka ny vokatra avokoa ny olona tsirairay.

Manana andraikitra avokoa ny rehetra mba ho tratra ireo tanjona ireo : ny mpitondra, ny sehatra tsy miankina, ny fiaraha-monim-pirenena, ny olom-pirenena tsirairay. Ise io koa !

Isan’andro, amin’ny zavatra rehetra atao no andraisan’ny skoto anjara amin’ny fahatratrarana ny Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy (ODD).

Hanorina tontolo tsara kokoa

Vinan’ny skotisma maneran-tany

Mila sopapa ise amin’ny mety ho endrika hampiharana azy ?
Jereo ato misy tsirin-kevitra maromaro azon’ise iaingana

Tahiri-kevitra fanampiny